Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Novambra, 2010
Fanampiny momba ny fanenjehana ara-politika eto Madagasikara
Fanazavana lavalava ihany no nosoratan'ny mpamaham-bolongana Alain Rajaonarivony momba ny fisamborana mifandraika amin'ny raharaha politika vao nitranga teto Madagasikara (fr). Mitantara ny fandehan'ny fisamborana [na fisavana ny trano] nahazo azy ireo...
Haiti: Fihetsiketsehana hanoherana ny Firenena Mikambana vokatry ny kôlera
Telo andro taorian'ny fanambarana ny trangan'aretina kôlera voalohany tany Haiti, The Life and Times of the Mangine Many namoaka tao amin'ny bilaogy: Tena marina? kôlera? Nataoko fa efa tsy nisy...
Madagasikara: Ny fizotry ny fanongam-panjakana tsy nahomby raha zohina arak'ireo Tweets
Ary satria efa toa zary isan-taona mihitsy no itragan'ny tetika fanonganam-panjakana any Madagasikara, ny fandefasana Twitter ataon'ireo mponina any an-toerana dia ahitana taratra ny fivoatry ny fiokoan'ny manamboninahitra maromaron'ny tafika, ny sasantsasany amin'ireo vao avy nandray anjara tamin'ny fanonganam-panjakana nahomby tamin'ny taona 2009. Avylavitra no nandrohy Tweets ho vakana ahafahana manaraka mandritra ny andro mifanesy izay fizotr'ity fanongam-panjakana tsy nahomby ity.
Kazakhstan: Resaka fitantanam-pitondrana
Tsy mitsahatra ny miady hevitra amin'ny lohahavitra tiany indrindra ny mpitoraka bilaogy Kazakh – ny kalitaon'ny fitondram-bahoaka. Mametram-panontaniana mikasika ny fahaiza-manaon'ireo mpitondra ambony i Megakhuimyak ary miteny fa matetika dia...
Nahazo filoham-pirenena vaovao i Zanzibar, fitaintainana tany an-toerana
Navoakan'ny Komisiona momba ny Fifidianana tany Zanzibar omaly efa hariva be fa i Dr Ali Mohamed Shein avy ao amin'ny antoko Chama Cha Mapinduzi (antoko revolisionera) no nandrombaka ny fandresena...
Chile: Mpianatra Manao Dia Lavitr'ezaka Maherin'ny Arivo Kilaometatra ho an'ny Fanabeazam-Bahoaka
Mpianatra Siliana telo avy amin'ny Anjerimanontolo no nanomboka Dia lavitr'ezaka tamin'ny 30 Septambra lasa teo. Manao ilay Dia lavitr'ezaka ry zareo ho an'ny Fanabeazana Siliana ary hanàla 1000 km mahery manerana an'i Chili mandrapaha-tongany any Santiago renivohitra. Mandeha am-pilaminana ry zareo ho fanoherana ny fanomezana ny fitantànana ny fanabeazana ao amin'ny firenen-dry zareo ho an'ny tsy miankina.
Rosia: Mihamaro ny mpanao gazety misy midaroka

Igor Podgorny no mitatitra ny nidarohana an'i Sergey Mikhailov, mpanao gazetin'i Saratov, izay nitranga ny 5 Novambra 2010. Kommersant koa manoratra ny nidarohana an'i Anatoliy Adamchuk mpanao gazety avy ao...
Costa Rica: Ady sisintany amin'i Nikaragoa
Raha asa fanadiovana tsotra sy fanalàna tsentsina tamin'ny reniranon'i San Juan River no niantombohany, sisintany voajanahary eo anelanelan'i Costa Rica sy Nikaragoa, dia nivadika kosa ho fifanolànana ara-diplaomatika sy ara-tafika.. Taorian'ity lahatsoratra ity navoaka tamin'ny teny Espaniola, maro ireo loharano nitatitra ny maha-voasaringotra an'i Google amin'ity ady sisintany ity.
India: Obama bemanadala
Any India, anisan'ny firenena teteziny any amin'ny faritra maharitra folo andro any Azia, amin'izao fotoana izao ny filoha Amerikana [Etazonia] Barack Obama ary nahaliana ny olona 1,2 lavitrisa ao amin'ity firenena ity izany. Voatantaran'ny fampahalalam-baovao Karana Indiana avokoa ny fihetsika kely ataon'i Obama any India ary dia miresaka momba izany ihany koa ny mpiserasera Karana Indiana
Madagasikara: Voasingotra amin'ny fanondranana andramena tsy ara-dalàna ny Filoha
Wild Madagascar no nampakatra lahatsary navoakan'ny Global Witness (Vavolombelona Ankapobeny) sy ny Environmental Investigation Agency (Sampana mpanadihady momba ny Tontolo iainana) ahitana fa voasaringotra amin'ny fanondranana tsy ara-dalàna andramena (bolabola)...