Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Mey, 2012
Syria: Masoivoho Noroahana Ho Fanoherana Ny Vonomoka Tao Houla
Ny vonomoka feno herisetra nitranga tao amin'ny distrikan'i Houla dia niteraka onjam-panehoan-kevitra mampivarahontsana nanerana ny tany. MAro ireo governemanta no nandray fanapahan-kevitra handroaka ireo masoivoho Siriana ho fanoherana ny firehetan'ny herisetra.
Kiobà: Ny Toetry Ny Zon'olombelona
Nahatonga ny mpamahana bolongana haneho hevitra ny fangataham-baovao vao haingana nataon'ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana Manohitra ny Fampijaliana mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Kiobà.
Lesotho: Daty Voapetraka Hanaovana Fifidianana Solombavambahoaka 2012
Hanao fifidianana solombavambahoaka i Lesotho ny 26 May, ao anaty herisetra politika. Ny Lesotho Political Parties Leadership Forum dia milaza fa hisy ny “kômandô” natsangana hamono ireo olona sangany amin'ireo fifidianana ho solombavambahoaka.
Ejipta: Tafatsangana Indray I Ahmed Shafiq
Navoakan'ny sombim-bokatra valim-pifidianana filoham-pirenena ejipsiana fiodinana voalohany fa ny kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana Mohamed Morsi sy ny Praiminisitra teo aloha Ahmed Shafiq no hifanandrina amin'ny fiodinana faharoa hotontosaina amin'ny 16 sy 17 Jona. Niteraka hatairana...
Iran : ” ‘Ndeha Hiaro ny Farihin'I Urmia Amin'ny Ranomasontsika “
Tsy kivy mihitsy ireo mpanao fihetsiketsehana maro niady ho amin'ny fiarovana ny farihin'i Urmia ao Iran amin'ny fahasimbana maharitra mahazo ny tontolo iainana. Ao anatin'ny filaharana manerana ny faritr'i Azerbaijan ao Iran, miantso ny governemanta izy ireo mba hiaro ilay farihy izay iray amin'ireo rano masira lehibe indrindra manerana izao tontolo izao .
Yemen: Kamikazy Nanapoaka Baomba Nandritra Ny Famerenana Matso Nataon'ny Miaramila
Olona teo amin’ny 100 teo no namoy ny ainy ary 200 farafahakeliny no naratra nandritra ny fanapoahana baomba nataon'ny kamikazy (olona manao sorona ny tenany) nikendrena miaramila nanao famerenana matso tao Sana'a, Yemen tamin’ny 21 Mey.
Ejypta : Eo An-dalam-panaovana Ny Fifidianana Filoham-pirenena Malalaka Voalohany
Hiditra amin'ny fifidianana filoham-pirenena malalaka voalohany eo amin'ny fireneny ry zareo Ejiptiana. Raha toa ka filaharam-be no hita teny amin'ny toeram-pifidianana teny , toa vitsy nohon'ny an'i fifidianana Parlemantera ny volana Novambra 2011 ny fandraisana anjara.Mety mampiseho ny fahadisoam-panantenana tsapan'ny maro amin'ireo kandidà ireo izany.
Aostralia: Fitarainana Hafahafa Avy Amin'ny Mpitrandraka Harena An-kibon'ny Tany Momba Ny Tsikombakomban'ny CIA – Resaka Arintany
Tamin'ny fomba "hafahafa" mitroatroatra no nahatafiditra an'i Clive Palmer, mpitrandraka harena an-kibon'ny tany, ho ao anatin'ny laharan'ireo mpisaina ny firaisana tsikombakomban'ny CIA tamin'ity herinandro ity nandritry ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidianana tao amin'ny fanjakan'i Queensland. Nifaly aok'izany ireo bilaogera Aostraliana tamin'ny fiampangàny ny famatsian'ny CIA vola ny kandidàn'ny Green sy ny fikambanana toy ny Greenpeace.
Espana : Ireo “Tezitra” Mpandàla ny 15M
Zarainay ato ny sarin'i Karlos, Mari Ángeles, Miguel Ángel ary Josep Maria, izay noho ny antony maro samihafa, dia nandray anjara tamin'ilay hetsika ara-tsosialy 15M tao Barcelona, Espana.
Kiobà : Bilaogera voatsiratsira tamin’ny fanambaran’ny Arseveka
Tahaka ny tsy mbola ampy tamin'ny arseveka ny nikosikosehana ireo bilaogera tamin’ny fitsidihana farany nataon'ny Papa farany teo tany Kiobà indrindra ny fangatahany hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny fiangonana ary ny tsy fitadiavany fiaraha-miasa amin’ny fanamorana...