Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Desambra, 2010
Kazakhstan: Akon'ny Fihaonamben'ny OSCE
Hatrany amin'ny fisasahan'ny taona 2000 tany i Kazakhstan no efa nikendry fatratra ny hitarika ny Fikambanam-piaraha-miasa sy Filaminana ao Eraopa, na OSCE, fikambanana iraisam-pirenena isan'ny lehibe indrindra mpandàla ny demaokrasia eo amin'io kaontinanta io. Betsaka tamin'ireo firenena mpikambana no nanatsiny ilay fikasana noho ny faharatsian'ny fanajàna zon'olombelona misy any Kazakhstan.
COP16: Famaranana avy amin'ireo Tanora Mpikaroka
Niblaogy ireo tanora "mpikaroka" avy amin'ny Tetikasa Manangàna mpanelanelana nandritra ny Fivorian'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro, izay natao tany Cancun, Mexico. ireto ny santionany amin'ny fanambarana sy eritreritra farany momba izay nitranga tao amin'ny COP16 avy amin'ny fomba fijerin'ny fireneny trsirairay avy.
Okraina: Rà tao amin'ny Parlemanta
Ny 16 Desambra, dia nisy ady nangotraka nipoaka (ENG) tao amin'ny Parlemanta Okraniana, izay nahatonga mpanao lalàna efatra farafahakeliny naiditra hopitaly noho ny ratra goavana. Mandinika ny bilaogy sy Twitter i Tetyana Bohdanova mikasika ny fihetsehan'ny vahoaka Okrainiana sy ireo mpanao politika.
Tonizia: Korontana nateraky ny fikasana hamono tena nataonà lehilahy iray tsy an'asa
Toniziana tsy an'asa iray no nikasa handoro ny tenany ho fanehoana tsy fankasitrahana amin'ny tsy fahitàny asa, ka niteraka onjan-kerisetra tao an-toerana sy fanehoana firaisankina ombam-panohanana teo anivon'ny tambajotra sosialy. Raha mbola tsy fantatra mazava izay niafaran'i Mohamed Bouazizi, 26 taona, avy ao Sidi Bouzid, faritra atsimon'i Tonizia, nopaingorin'ireo Toniziana mpampiasa aterineto ilay zava-nitranga mba hilazàna ny tsy fisian'ny asa, ny kolikoly sy ny fitsitontongan'ny zo maha-olona ao amin'ny firenen-dry zareo.
Sodàna: fialan-tsasatra mahafinaritra sy fitsapa-kevi-bahoaka feno filaminana
Ireto misy sombina lahatsoratra farany amin'ny bilaogy mikasika ny Fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny fahaleovan-tenan'i Sodany Tatsimo. Raha ny hevitry ny fifanarhana Naivasha tamin'ny 2005 eo amin'ny governemanta afovoany any Sodany sy ny Hetsika Liberasion'ny Vahoaka any Sodany, hanao fitsapa-kevi-bahoaka i Sodany Atsimo ny amin'ny hijanonana na tsy ho faritr'i Sodany amin'ny 9 Janoary 2011.
Côte d'Ivoire: Vahoaka mizotra mankany amin'ny “Revolisiona Orange” iray hafa?
Na dia efa tsy milamilana be ihany aza ny rivotra iainana any Côte d'Ivoire, dia niakatra zana-tohatra vitsivitsy indray ny fihenjanana nandritra ny andro faramparany teo. Taorian'ny korontana tamin'ny 12 Desambra teo amin'ny antoko roa mpifanandrina sy ny fanalavàna ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina nataon'i Laurent Gbagbo, dia miantso ny vahoaka ankehitriny i Alassane Ouattara sy ny mpiara-dia aminy mba "hanao fanoherana faobe am-pilaminanana sy ara-demokratika mba hametrahana ny fitantanana ara-dalàna sy ara-drariny". Maneho fihetseham-po mialoha ilay fotoan-dehibe mamaivaiy loatra ny mpitoraka bilaogy:
Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana
Mihamahery setra tsikelikely ny krizy ara-politika any Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra nandritra izay telo andro farany izay. Nesorina tamin'ireo fampisehoana tantara misy herisetra nandritra ireo ady sasany ny haino aman-jery nentim-paharazana fa ny mampiasa aterineto koa dia niezaka ny naneho ny horonan-tsary sasany ahitana ireo herisetra manodidina ny firenena.
Brezila: manaiky ny fisian'ny fanjakana Palestiniana
Nanaiky tamin'ny fomba ofisialy ny fisian'ny fanjakana Palestiniana taorian'ny adin'ny sisintany tamin'ny taona 1967 tamin'ny 3 Desambra 2010 i Brezila.Fandalinana ny dikan'ny fanekena ho an'ny governemanta Brazailiana sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fiainana andavanandro ny fihetseham-pon'ny tontolon'ny bilaogy Breziliana.
Côte d'Ivoire: maneho hevitra momba ny korontana politika ny mpitoraka bilaogy any Ghana
Côte d'Ivoire (Ivory Coast) dia firenena ao Afrika andrefana. Avy aty atsimo dia manatrika ny Ranomasimbe Atlantika izy, ary hodidin'i Ghana ao atsinanana, Liberia ao andrefana, Guinée ao avaratra andrefana,...
Puerto Rico: Mitoetra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico ny mpitandro filaminana
Taorian'ny fifaranan'ny fitokonana roa andro nataon'ny mpianatra, nitoetra tao amin'ny "campus" foibe an'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico ny mpitandro filaminana, voalohany izao hatramin'ny 1981, izay mialoha ny fitokonan'ny mpianatra amin'ny 14 Desambra. Mitobatobaka ny fanehoan-kevitra amin'ny tontolon'ny blaogy sy ny media sosialy.