Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Janoary, 2018
Iran: Kabarin'i Ahmadinejad Tao Amin'ny Oniversiten'i Columbia
Nanjary lohahevitra mafana tao amin'ny media manerana izao tontolo izao ny kabarin'ny filoham-pirenena Iraniana, Mahmoud Ahmadineajd tao amin'ny Oniversiten'i Columbia ao New York sy ny teny mafy ary ny tsikera nataon'ny filohan'ny onivesite Lee C. Bollinger nandritra ny fanamarihany tamin'ny Alatsinainy 24 Septambra.
Ampianarin'ny Afrikanina Mikasika Ny Fitantanana Mahomby ny Filoha Amerikana Taorian'ny Fanambarany ‘Shithole’ Niteraka Hatezerana
ENY manana ny olany i Afrika sy ny fireneny .. tsy iadian-kevitra izany .. saingy tafahoatra ny fanevatevana sy ny tsy fanajana tanteraka ataon'ny firenena izay nangalatra ny harenany nandritra ny taona maro.
Manao Fihetsiketsehana Ny Bilaogera Filipiana Hiarovana Ny Tranokalam-Baovao Rappler
"Mijoro manohitra ny fihetsika fampanginana sy fandrahonana ny mpanao gazety, ny bilaogera ary ireo matihanina amin'ny fampitam-baovao izahay satria tsy tia fotsiny ny vaovaony sy ny fomba fijeriny ny Filoha sy ireo mpanohana azy."
Ilay Fahafatesana Tsy Voafaritry ny Fotoana An'ilay Mpanao Gazety Ethiopiana Tany An-tsesitany
Niasa ho mpanao gazety ara-panatanjahantena sy politika nandritra ny efa ho folo taona i Ibrahim, raha tsy hoe voatery nandositra izy tamin'ny taona 2014. Tsy irery i Ibrahim, izay namoy ny ainy teo amin'ny faha-40 taonany.
Ahoana Ny Hoavin'ny ‘Kilelo Wikipedia’ Ao Amin'ny Vola Vaovaon'i Kazakhstan?
Manitrikitrika i Marcel Burkhard, Soisa mpakasary iray, fa dika petaka tamin'ny sary nalainy efa folo taona mahery izay ny sarimborondrano kilelo hita amin'ny vola taratasy 500 tenge ($1,50) vaovao Kazakh, saingy tsipahin'ny manampahefana ny fisian'ny fanitsakitsahana ny copyright.
Kôlômbia: Sarotra Ny Manavaka Ny Olona Tsara Fanahy Sy Ny Ratsy Fanahy
Amin'ny alàlan'ny lahatsarin'ny olon-tsotra , mizara ny fomba fijeriny manokana momba ny heloka bevava, ny herisetra ary ny fifandonana mitam-piadiana ireo fikambanana Kolombiana samihafa, izay sarotra tokoa ny mamantatra ireo olona tsara fanahy amin'ny ratsy fanahy ao anatin'izany.
Makedonia : Manamafy Ny Filàna Serasera Malalaka Amin'i Gresy Ireo Mpitoraka Bilaogy
Ao anatin'ny korontana anatiny naterak'ireo hetsiky ny Grika hisakanana ny fidiran'i Makedonia ho ao amin'ny OTAN sy ny Vondrona Eoropeana, ary noho ny fitombon'ny isan'ny tatitra momba ny fanafihana ireo Makedoniana mpamily fiarabe ataon'ny hetsika nasionalista any Gresy ( famaliana ôfisialy), dia maro ireo makedoniana mpitoraka bilaogy no miezaka manentsina ny hantsan'ny tsy fahalalàna misy eo amin'ny firenena roa tonta
Kyrgyzstana : Fotoana Iray Mihisatra
Ny volana May mazàna dia fiavian'ny fotoam-pialantsasatra ao Kyrgyzstan.
Thailandy: Mandefa Mivantana Ny Fanonganam-panjakana Ho Anaty Bilaogy
Farafahakeliny blaogy roa no napetraka mba handrakofana fotsiny ny fanonganam-panjakana ataon'ny tafika nitranga tao Thailandy (Septambra 2006)
Nanome Baiko Hanakatona Ny Tranonkalam-baovao Rappler Ny Manampahefana Filipina, Voatohintohina Ny Fahalalahan-Gazety
"Raha misy ity fanesorana fahazoan-dalana ity, hikatona tanteraka ny Rappler - fikambanam-baovao sambany hakaton'ny hetsika ataon'ny governemanta hatramin'ny nanambaran'ilay mpanao didy jadona Ferdinand Marcos ny lalàna miaramila tamin'ny taona 1972."