Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Novambra, 2013
Te-Hitolo-Batana Any Shina Indray Ilay Mpitolon'i Tiananmen Saingy Voatosi-Bohontanana
Nangataka ny ho aondrana any Shina Tanibe i Wu'er Kaxi rehefa nitolo-batana tanmin'ny governemanta tany Hong Kong. Saingy naverina tany Taiwan izy fotoana fohy taorian'izany.
SARIPIKA: Hiram-pitiavana Ataon'ireo Mpianatra Kazakh Ho An'ny Filoha
Taorian'ny hetsika nanehoan'ireo mpianatra 3,000 fitiavana tamin'ny filohan'i Kazakhstan, nampitaha ny firenena amin'i Korea Avaratra ny mpiserasera.
Kolikoly Ao Rosia Tazanina Avy Eny Ampisidinana
Namelively indray ireo mpanao politika rosiana dimy tafakatra ambony indray ilay bilaogera Alexey Navalny, tamin'ny fiampangana azy ireo ho mandray kolikoly tamin'ny tsy filazana ny fananana midadasika ahitana trano goavana miorina ivelan'i Moskoa.
Mamay i Thailand Satria Mihamafy Ny Hetsi-Panoherana Manohitra Ny Governemanta
Maherin'ny 100.000 ireo mpanao hetsi-panoherana manohitra ny governemanta no nameno ireo arabe tao Bangkok tato anatin'ny telo andro lasa. Niakatra ny hafanana rehefa injay nibodo ireo tranoben'ny governemanta ny mpahao hetsi-panoherana
Mivadika Ho Kisarisary Mahatsikaiky Ilay Tantara Ratsy Momba Ny Trosan'ny Governoran'i Tokyo
Miala tsiny amin'ilay tantara ratsy mikasika vola notrosainy ny Governoran'ny tanànan'i Tokyo. Noraisin'ireo mpampiasa Twitter ao Japana ho vazivazy izany.
Mampiato ny Servisin'ny Kaonsiliny any Etazonia i Kiobà
Hisy fiantraikany any amin'ny olom-pirenena Kiobana sy ny avy ao Etazonia ny fampiatoana ny servisin'ny kaonsily, noho ny tsy fahafaha-mamita fanaovan-taratasy tahaka ny famoahana pasipaoro, visas, antota-taratasy misy sonian'ny manampahefana, ary ny servisy hafa.
Mihamafy Ny Fihenjanana Diplaomatika Ao Amin'i Indonezia sy Aostralia Vokatry Ny Fihainoana Resaka An-telefaona
Nipoaka ny disadisa diplaomatika eo amin'i Aostralia sy Indonezia taorian'ny namoahan'ilay mpanome vaovao avy ao amin'ny NSA , Edward Snowden, ho fanta-bahoaka fa mitsikilo n y sasany amin'ireo mpitondra ao Indonezia i Aostralia.
Fijerena Akaiky Ny Herisetra Ifanaovan'ny Sekta Ao Pakistana
Nahitàna fifandonana teo amin'ny Siita sy ny Sionita ny volana masin'ny Muharram tao Pakistana
Mahafaly Ny Rosiana Mpanohitra Ny Hetsi-panoheran'ireo Okrainiana Mpomba Ny Fidirana Ao Amin'ny Fiombonambe Eoropeana
Tsy misy marimaritra iraisana ny amin'ny tokony hanohizan'i Okraina ireo dingana lavabe hidirana ho ao amin'ny Fiombonambe Eoropeana - na tokony mbola hitrandraka hatrany ny fifamatorany amin'i Rosia izy
Manangana ‘Minisitra Lefitry Ny Hasambarana Farantampony’ i Venezoela
Ny tanjon'ny Minisitra Lefitra dia ny handrindra tetikasa sosialy mihoatra ny 30. Teo amin'ny Twitter ny fanehoankevitra mikasika io fanapahan-kevitra io dia fifangaroan'ny tsy fahatokiana , fanesoana ary fanambanimbaniana.