· Marsa, 2009

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Marsa, 2009

Irak : Enin-taona no lasa

Enin-taona sahady izao ny ady tany Irak, ary raha mitodika ny lasa ny mpitoraka bilaogy dia tsy misy te hieritreritra ny ho avy. Ilay mpitoraka bilaogy voalohany, Salam Pax, izay...

30 Marsa 2009

Israely: Noraisina tamin-kafanampo ny rindrin’ny hatsiaka

Noraisin’ireo mponina tamin-kafaliana aok’izany ny rotsa-panala sy ny ranomandry izay nampangatsiatsiaka an’Israely tamin’ity herinandro ity. Kely sisa dia ho tapitra ny vanim-potoanan’ny orana, maro ireo matahotra fa ho tafiditra ao anatin’ny haitany mahatsiravina noho ny ny rotsak’orana kely dia kelin’ity taona ity ny vanim-potoanan’ny fararano.

08 Marsa 2009

Kosta Rika: Mety hanimba ny hetahetan'ny ho filoha ny risorison’I Calderon

Miditra fitsarana ankehitriny ny filoha Kosta Rikana teo aloha Rafael Angel Calderon fournier mahakasika ny fanenjehana azy tamin'ny fividianana fitaovam-panafody ho an'ny sampan-draharahan'ny fahasalamana. Efa tany amponja izy nohon'ny enjika natao taminy mahakasika ny fifandraisany tamina fividianana fanana tsy mari-pototra. Mety hampihena ny fanantenany hilatsaka ho fidiana ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena izany.

07 Marsa 2009

Fanadihadiana ny hevitry ny vahoaka Kambodjianina

Notaritin’ny ivo-toerana Repoblikana iraisam-pirenenana ny fanadihadiana mikasika ny hevitry ny vahoaka Kambodjianina tamin’ny Octobra – Novambra 2008. Tsikaritry ny fanadihadiana fa ny 82%n’ny Kambodjianina no mahita fa mizotra mankany amin’ny lalana tsara ny firenen’izy ireo, ny 59%n’ny Kambodjianina no milazafa olana lehibe ao aorian’ny vidin-entana ny resaka sisitany sy ny fametrahana izany. Ny 85%n’ny mpamaly fanontaniana dia mitaky ny fifidianana ny sefom-pokotany tian’izy ireo apetraka fa tsy hoe akory hanaiky foana izay tendren’ny governemanta .

05 Marsa 2009