Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Aogositra, 2020
Nisara-bazana tamin'ny fanitarana ny fe-potoana iasana napetrak'i Beijing ny mpanao lalàna mpanohana ny demokrasia any Hong Kong
Hita ho mitolo-batana manoloana ny tanibe ny fanekena ny fanitarana nomen'ny NPC ao Beijing raha midika fanaovana ankivy ny LegCo ny fandavana izany.
Rehefa vokatra mitovy no navoakan'ireo famerenana nanisa, nanao fianianana ny governemanta tao Trinidad & Tobago
Rehefa naverina nisaina saingy tsy nanovana akory ny vokatra tany aloha, dia nanao fianianana handray ny biraony mandritra ny fepotoana manaraka indray ny governemanta efa teo
Moldavia : Ny fiantraikan'ny Twitter tamin'ireo fihetsiketsehana
Tena tsara mihitsy ny hoe tsy ny tambajotra sôsialy Friendster na LiveJournal (izay mbola mijanona ho ny sehatra fanoratana bilaogy ankafizin'ny ankamaroan'ireo mpampiasa aterineto any Eoropa atsinanana) no nampiasain'ireo Môldavy mpianatra niketrehana ity revôlisiôna ity.
Jordania : Tsy ny voninahitra no ho atao anton'ny heloka
Tonga izao ny fotoana ho an'ireo mpampahalala vaovao eto amin'ny firenena, na izany an-taratasy, na ireo an-tambajotra, hanaporofoan-dry zareo ny fandraisany andraikitra manoloana ireo olompirenena.
Fantaro ireo artista manao amboradara ny hetsika Belarus
Avy any amin'ny toerana lavidavitra ao Prague, manome voninahitra ny fihetsiketsehana izay mitranga any amin'ny tanindrazany mitantara azy amin'ny amboradara nentim-paharazana ilay Belarosiana artista Rufina Bazlova.
Azia Atsimo Atsinanana: Tafihana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy mpanao gazety
Tao anatin'ny roa herinandro farany no nahitana tranga mampiahiahy momba ny fisamborana, fanamelohana ary fanaovana bemidina mikendry ireo mpikatroka ny zon'olombelona sy mpanao gazety ao Thailandy, Kambodza, Malayzia ary Vietnam.
Lahatsarim-panadihadiana mandranty ny fandrahonan'ny fanarahamaso famantarantava ao Serbia
Ampitandreman'ny lahatsarim-panadihadiana antserasera ny vahoaka amin'izay maha-mampidi-doza ireo fakantsary fanarahamaso an'ny shinoa miaty teknolojiam-pamantarantava.
Ny tantara mahatsiravin'ny fanarahamaso faobe sy fitsikilovana ao Roandà
Entin'i Roandà manamarina ny fanarahamaso henjana ataony amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny fampanginana ireo tsy mitovy hevitra aminy, ary ny habibiana atao amin'ny mpanohitra ny resaka firaisankinam-pirenena, ny fiarovana
Mbola mijanona ho ‘takalon'aina politika’ any am-ponjan'i Qarchak, Iran i Kylie Moore-Gilbert, akademika any Melbourne
"Mampahonena fa tsy nahomby izay nataon'ireo governemanta ao Aostralia sy ao amin'ny Fanjakana Britanika mba hanafahana ny olom-pireneny, Kylie Moore-Gilbert any am-ponja ao Iran. Tokony ho afahana io vehivavy tsy manantsiny io."
Mpianatra mpikatroka miisa efatra nosamborina tany Hong Kong noho ny ‘fandrisihana fisintahana’ tao amin'ny tambajotra sosialy
Nisambotra tanora miisa efatra izay 16 ka hatramin'ny 21 taona ny sampan-draharaha vaovaon'ny Polisim-pirenena any Hong Kong noho ny fiahiahiana azy ireo ho nanao fandrisihana fisitahana tao amin'ny lahatsoratrany tao amin'ny tambajotra sosialy.