Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Desambra, 2017
Quo vadis, Filipina?
Ho an'ireo izay mino fa hanova ny olana eo amin'ny firenena ny fiovana kely ao anaty fitondrana, tsy misy ny vahaolana haingana raha mbola variana amin'ny fitazonana ny fari-piainany ny kilasy antonony; "variana loatra amin'ny fivelomana" ny mahantra ka tsy afaka ny hiraharaha
Ahoana Ny Fahitan'ny Shinoa Ny Faharesen'i Robert Mugabe, Ilay Naman'ny Fireneny Efa Taloha Ela Be Tao Zimbaboe
"Rehefa tonga saina ny vahoaka, dia manjavona avokoa ireo "fahamboniana rehetra", ho atsipy any anaty dabam-pakon'ny tantara ny mpanao didy jadona."
Ho Fahatsiarovana An'i Aleppo
''Velona izahay, hanohy foana, ary ho tanteraka ilay nofinofy''
Meteza Ho Tsy Manaiky Ho Saziana! Hetsika iray Ho An'ny Fahalalahana Manerantanin'ny Aterineto
Satria mihamaro ny firenena misokitra ilay antsoina loatra hoe aterineto manerantany, tsy misy fetrany ho lasa sehatra fanaraha-maso samihafa amin'ny alalan'ny fanivànana, matetika amin'ny fampiasana ny teknolojia nomen'ireo orinasa IT....Ndao mba hikiaka, sy hanova zavatra.
Ilay Maty Manao Fampielezankevitra : Mpiserasera Efa Maty No Mamoaka Hafatra Mpomba-Putin Ao Amin'ny Tambajotra Sosialy Rosiana Iray
Efa nakatona ny ankamaroan'ireo kaonty Vkontakte anà Rosiana efa maty izay nizara hafatra mpomba-Poutine. Ny mpitantana ny Vkontakte, nantonin'ny mpanao gazety mba haneho hevitra, dia nilaza fa nojirihan'ireo mpijirika tsy fantatra ireny kaonty ireny.
Bilaogera Egiptiana Anankiray Nanome Ny Heviny Momba ny Lahatsoratr'i Robert Fisk
Mihevitra aho fa ny lahatsoratr'i Fisk no ohatra vao haingana indrindra mampiseho fa afaka lasa sady badobado no sady mpivarotra ny rehetra ... na dia izay loharanom-baovao faran'izay mendrin-kaja be aza.
Krismasy Nilahatra Solitany Noho ny Tsy Fisiany Tao Nizeria
Nandany ora maromaro tao anatin'ny fiaran'izy ireo ny Nizeriana, nihitsoka teny an-dalana ary tsy afaka nody tany an-tanindrazany mba hankalaza Krismasy satria niharan'ny tsy fahampian-tsolika goavana ny mpamokatra solika lehibe indrindra aty Afrika.
‘Iray Isika': Nanjary Ara-dalana Ny Fanambadian'ny Olon-droa Mitovy Taovam-pananahana
Lasa ara-dalàna ny fanambadian'ny samy lahy na vavy ao Aostralia. Nankatoavina avy hatrany ny fanambadian'ny vahiny. Hanomboka amin'ny 9 Janoary 2018 ny lanonana voalohany.
Tsy Taitra Amin'ilay Fango Ho An'ny Fifidianana Ho Filoham-pirenena 2018 Ny Rosiana (ary Manana Hevitra Maro ho Fanatsarana)
Hatreto, ny fanamby eo amin'ny resaka fango no isan'ny tena mampientanentana indrindra amin'ity resaka fampielezankevitra azo ambara ho toy ny tsisy ity akory, fotoana iandrandrana an'Ingahy Putin hirotsaka sy haharesy - indray - fa na ireo mpifaninana aminy isan'ny matanjaka indrindra aza.
Advocacy: Ampio Hiaro Ireo Bilaogera Eran-tany
Nametraka takelaka manara-maso ireo tranga amin'izao fotoana izahay ato amin'ny Global Voices ho fanampiana amin'ny fanangonana ireo hetsika rehetra manohana ny bilaogera. Manana takelaka wiki ihany koa izahay - Global Voices Advocacy - izay ahafahan'ny tsirairay manampy vaovao momba ireo bilaogera voarahona sy ireo hetsika natao ho azy ireo.