Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Marsa, 2022
Ny fiantraikan'ny adin'i Rosia sy Okraina amin'ny fifandraisan'i Etazonia sy Venezoelà
Satria miatrika tsy fahampiana solika, mitodika any amin'ireo tsy eritreretina ho mpiaramiasa aminy i Etazonia
Hetsika lehibe fandikan-teny Shinoa: Mampihanjahanja propagandy Shinoa sa manaparitaka fankahalana?
Manahy ny sasany fa ny fandikana teny fankahalana ao amin'ny media sosialy Shinoa dia hiteraka fihetseham-po manohitra ny Shinoa eo amin'ny fiarahamonina tandrefana, ny hafa kosa mino fa afaka manohitra ny fampielezan-kevitra Shinoa izany.
Rahonana ho atolotra an'i Thailandy, nangataka hialokaloka ao Kanadà ilay Laosiàna mpikatroka
Khoukham dia isan'ireo nanangana ny Free Laos, tambajotra iray misy ireo Laosiàna mpiasa ao Thailandy mitolona ho an'ny zon'olombelona ao amin'ny firenena niaviany. Notadiavin'ireo manampahefana Thai izay handroahana azy hody.
Torkia: Manamarika ny Andron'ny Mpitsabo amin'ny fitokonana ny mpiasan'ny fahasalamana
Ho fanamarihana ity andro ity, nilaza ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny firenena fa hanao fitokonana mandritra ny roa andro manomboka ny 14 marsa izy ireo na dia eo aza ny fampitandremana mialoha avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana manoloana ny fihetsiketsehana.
Ahoana ny fomba fahitan'ireo ‘Myanmar roa’ ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina
"Taratry ny fizarazaran'ny sata ara-politika sy ara-diplaomatika ao Myanmar ireo fomba roa samihafa ireo."
‘Mbola henoko ny feon'izy ireo': Vehivavy telo niasa ho an'ireo marefo indrindra tao Jamaika
Manome voninahitra ireo vehivavy telo izay nitsangana hiaro ny zon'ireo vehivavy namana sy ireo olona marefo hafa, na tao Jamaika na manerana an'i Karaiba.
Hira maneho ny feon'ny vahoaka voarara any Nizeria sy Ogandà
Niafara tamin'ny fanasaziana sy/na fandrarana azy ireo tanteraka Ireo hiran'ny tarika sy mpitendry mozika malaza voarara ireo, na dia neken'ny manampahefana tamin'ny voalohany aza.
Nahazo tsiny avy amin'ny olom-pirenena Shinoa i Hong Kong noho ny valan'aretina Omicron ao Shina
Satria mihamaro ny tanàn-dehibe Shinoa mametraka fepetra fanakatonana tsy misy COVID, mamely an'i Hong Kong, miampanga ny tanàna manontolo ho manaparitaka ny viriosy mankany Shina ny mpiserasera sasany.
Ry zareo Rosiàna miha-manakaiky, milefa an'i Okraina kosa ry zareo Nepaley
Raha i Rosia manahi-bohitra ao Okraina, ireo Nepaley mpila ravinahitra kosa mandositra; ny sasany tsy naninona, saingy ankamantatra ny hoavin-dry zareo
#AfricansInUkraine (AfrikànaAoOkraina): Mpianatra izahay, tsy manana fitaovam-piadiana
Olona an'aliny maro no nifindra toerana noho ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia ao Okraina. Isan'ireny koa ireo Afrikàna am-pielezana izay tsy maintsy nihetsika nampiasa ny fomba tsy mahazatra no sady miatrika ny fanavakavahana ara-poko eny an-kianja