Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jona, 2019
Belarosia: Hatsikana Ara-politika
Mbola tohizan'ireo blaogera taorian'ny vanimpotoana Sovietika ny fomba fanao sovietika taloha ela be, dia ny fiatrehana ny zava-misy sy ny fanehoana ny fisintahany amin'ny alalan'ny hanihany politika. Ahitana ireo sombina hatsikana maro mikasika ny politika Belarosiana ity lahatsoratra ity.
Feo avy any Zimbaboe sy ireo Farihy Lehibe (Grands Lacs)
Samy nanana ny zavatra nanamarika azy ny tontolon'ny blaogy tao Zimbaboe sy ireo Farihy Lehibe
Ity herinandro ity tao amin'ny tontolon'ny blaogy Syriana
Blaogera maro indray no niresaka mikasika ny lohahevitra maro tao amin'ny tontolon'ny blaogy Syriana.
Ny raharaha Ivan Golonouv : Fotoana fohy firaisankina sy firohotana tao amin'i Rosia an’i Potinina
Maro no nitaky fandraisana andraikitra bebe kokoa amin'ny fanasaziana ireo mpitandro ny filaminana izay namoroporona ilay raharaha.
Lok Sabha 2019 ao India : Valin'ny fifidianana taorian'ny dingana naharitra herinandro
Nankao amin'ny Twitter ny olona hnamoaka ny zavatra novinavinainy mialoha. Maro no naka ny vokatry ny fitsapankevitra teo am-pivoahana ny birao ary nanomboka niarahaba an'i Narendra Modi tamin'ny fendresena azony
Ity herinandro ity tao amin'ny bilaogy Palestiniana : Oran-dohataona
Hetsi-panoherana am-pilaminana hafa nivadika ho korontana ny herinandron'ny 11 Aogositra...nitifitra mpanao fihetsiketsehana tamin'ny bala fingotra sy baomba mankarenina ireo miaramila Israeliana. Nitatitra ny International Solitary Movement hoe efatra ambinifolo ny olona naratra, nisy Israeliana iray mpikatroka mafana fo . Ny Bethlehem Bloggers no nahazo fampitam-baovao voalohany avy amin'ilay mafana fo Jenny Digi
Noho ny hetsibahoaka, voatery nosintonin'ny governemanta ao Trinidad & Tobago ilay volavolam-panitsiana ny lalàna momba ny Fahalalahana Hahazo Torohay / Vaovao
"...tena hireharehan'ny vahoaka ny fananany demaokrasia izay hita mibaribary hoe salama tsara— hoe nalaky tonga niaraka sy araka ny tokony ho izy ireo fikambanana sivily, ary dia namaly tamin'ny fomba feno sy ampy tokoa ny governemanta."
Hong Kong: An'aliny maro ireo mpanao hetsipanoherana ilay lalàna miteraka resabe momba ny famindràna olomeloka no tonga nibahana ny làlana mankao amin'ny foiben-toeran'ny governemanta
Ny marainan'ny 12 Jona, vitan'ireo mpanao hetsianoherana ny nanemotra ny fandinihana ilay volavolan-dalàna miteraka resabe momba ny famindràna olomeloka saika hataon'ny Filankevitra mpanao lalàna
Namoaka ny bokin'i Nikola Grueski, praiminisitra teo aloha, ny trano nanonta ny ‘Mein Kampf’ an'i Hitler ho amin'ny teny makedoniana
Niteraka adihevitra tao amin'ny Foaran'ny Boky Skopje tamin'ny 8 May 2019 ilay mpamoaka boky iray avy any Makedonia izay fantatra amin'ny fanontàna boky momba an'i Nazi, noho ny famoahana boky avy amin'ny praiminisitra teo aloha sady mpandositra fitsarana - Nikola Gruevski.
Tao Hong Kong, nosamborin'ireo manampahefana ny mpitantana ny vondrom-panoherana iray tao amin'ny Telegram – noterena izy hanolotra ny lisitra misy ireo mpikambana ao aminy
Eo ampela-tanan'ny polisy avokoa ny lisitra manontolo misy ireo mpikambana ao amin'ny vondrona -- izay misy olona 20.000 hatramin'ny 30.000 eo ho eo -- hatramin'ireo hafatra nifanakalozana tany anatin'ireo seha-piresahana voaaro