· Jona, 2009

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jona, 2009

Tontolo Arabo: Aleo hanao izay tiany eo ny Iraniana

  25 Jona 2009

Nitana ny votoatin'ny bilaogy arabo efa ho herinandro izao ny fifidianana filoham-pirenena sy ny vokany natao tany Iran, miaraka amin'ny fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka bilaogy eny rehetra eny. Mangataka an'izao tontolo izao i Harrega mpitoraka bilaogy jordaniana hiala mandritra ny famahanan'ny Iraniana samy irery ny aferany: Nifidy ry zareo, na marina io...

Però: Ireo tompon'andraikitra tamin'ny famonoana nandritra ny ady tao Amazonia

  25 Jona 2009

Niteraka resabe teo amin'ny tontolon'ny bilaogy tany Pérou ilay zava-nitranga nampihorin-koditra niseho tany Bagua ao anaty alan'i Amazonie any amin'ity firenena ity. Tsikerain'ny mpitoraka bilaogy maro ny filoha Alan Garcia sy ny governemantany satria tsy nanaja ireo fifanarahana sy fifanekena milaza fa alohan'ny hanaovana zavatra ao amin'ny tanin'ireto tompon-tany ireto...

Indonésie: fitaovam-piadiana mihasimba

  17 Jona 2009

Elikopteran'ny tafika indoneziana anankiray indray no nianjera ny alatsinainy lasa teo tany Cianjur, any andrefan'i Java, ka miteraka fanahiana eo amin'ny vahoaka indoneziana manoloana ny fiarovan-tenan'i Indonésie amin'ny lafiny fitaovam-piadiana (Alutsista). Ny volana lasa teo dia niaiky ny filoha Susilo Bambang Yuhoyono (SBY) fa nehana ny toe-bola hamatsiana fitaovam-piadiana hiarovan-tena. Nilaza...

Iran: Hifidy sa tsy hifidy

  12 Jona 2009

Iray amin'ireo resaka mandeha mandritry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana ny hoe ‘hifidy sa tsy hifidy’. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia ny hoe handray anjara amin'ny fifidianana sa hanao ankivy azy io. Na dia vondrona  mpanohitra maro aza no  niantso fibodoana ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 12 Jona ho...

Raharaham-pitiavana/fankahalan'ny Maraokana an'i Obama

  11 Jona 2009

Ny kabary nataon’ny filohan’ny Etazonia Barack Obama tany Kaira ho an’ny tontolo Silamo dia niteraka fihetsika niredareda tany an-toerana sy tany ivelany koa; tsy ny kely indrindra tamin’ireo mpitoraka blaogy avy any Mahgreb izay nandrakofan’ireo lahatsoratra mafana tanaty blaogy sy tweets mivantana hevitra manalokaloka mankany amin’ny fanohanana feno sy tsy...

Ghana: Ady hevitra, fientanana ary fanantenana amin'ny fitsidihan'i Obama

Enim-bolana monja taorian'ny fanovana ny fitantanana tao Ghana tamin'ny alalan'ny fifidianana natao tamim-pilaminana ny volana desambra 2008, ary tahaka ny hoe fifanandrifian-javatra fa enim-bolana aty aorian'ny fanovana nankalazaina tamin'ny haino aman-jery tany Etazonia, dia hitsidika an'i Ghana mandritra ny 2 andro ny filohan'i Etazonia Barack Obama amin'ny fiandohan'ny volana jolay...

Ny fifidianana Iraniana an-tsary

  10 Jona 2009

Ny Fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana dia hatao ny faha 12 Jona. Natokana fotsiny ho an'ny lehilahy, efatra monja tao anatin'ny  400 mahery, lahy sy vavy mifangaro, nisora-tena, no nomen'ny manam-pahefana fankatoavana ny firotsahany hoy ny  Mpiaro ny tolom-piavotana [Guardian Council]. Ny maso matsilon'ireo mpakasary-mpitoraka blaogy dia mamandrika sary momba...

Gabon: Manodidina ny fahafatesan'ny Filoha Omar Bongo

  09 Jona 2009

Ny Alahady alina teo, ireo mpampahalala vaovao Frantsay dia samy nanambàra ny fahafatesan'i Omar Bongo filohan'i Gabon,  izay nandany 41 tamin'ny 73 taona niainany teo amin'ny  fitondràna. Ny gazety Frantsay Le Point nitatitra fa hoe nahazo vaovao momba ny fahafatesany ry zareo, vokatry ny homamiadana, tany aminà toeram-pitsaboana tsy miankina...

Kiobà, USA: Nanaiky an'i Kiobà ny Fivondronan'ny Firenena any Amerika

  07 Jona 2009

47 taona aty aoriana dia nanala ny fanilikilihana natao tamin'i Cuba ny Fikambanan'ny Firenena any Amerika, indrindra koa moa fa efa niara-niasa tamin'ity firenena ity ny ankamaroan'ny mpikambana. I Etazonia, izay mbola manao fahirano ara-barotra amin'i Cuba hatramin'izao, irery no tsy tratra, satria nitaky fanovana demokratika sy fanajana ny zon'olombelona...