· Novambra, 2009

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Novambra, 2009

Malezia-Singapore: averina dinihana ny fifanarahana momba ny rano

Singapore dia màka efa ho ny antsasaky ny filàny rano any amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy, Malaysia. Miisa roa goavana ny fifanarahany momba ny rano amin'i Malezia. Ny iray amin'ireny fifanarahana ireny dia ho tapitra afaka roa taona. Ny Praiminisitra teo aloha, avy amin'ny alalàan'ny blaoginy, dia manontany raha toa ny governemanta amin'izao fotoana mba mihevitra ny hamerina indray ny dinika mba hahatongavana amin'ny tolotra tsaratsara kokoa

26 Novambra 2009

Alzeria sy Ejipta: Efa tsy resaka baolina fandaka intsony

Iza no nino fa niteraka fifanenjanana teo amin'ny firenena roa tonta ny fihaonana baolina fandaka (football) iray? Tafakatra any amin'ny dingana tsy novisavisaina ny fifanandrinana teo amin'i Ejipta sy Alzeria ka maro ny mpamaham-bolongana no mihevitra fa tsy misy fifandraisany amin'ny lalao fiadian-toerana handraisana anjara amin'ny fifaninanana ho tompondaka manerantany izao gidragidra eny an-dalambe izao. Mitantara ho antsika i Tarek Amr ary mandika azy ho teny malagasy i Jentilisa.

22 Novambra 2009

Irana: Afaho i Hossein Derakhshan

Ao anatin'ny faha-herintaonan'ny namonjàna ilay Iraniana mpitoraka blaogy naha-be resaka, Hossein Derakshan, dia mandefa fanentanana ireo mpiray tanindrazana aminy mba hitazonana ny saina tsy hatoritory momba ity famonjàna azy ity.

03 Novambra 2009

Shina: Fanavaozam-pifidianana

Nanomboka niady hevitra ny amin'ny drafi-panavaozana ny lalam-pifidianana, mba hampitovy lanja ny vaton'ny any an-tanandehibe ny vaton'ny any ambanivohitra ny mpanao lalàna faratampony any Shina, ny Antenimieram-Pirenena entim-Bahoaka. Voapetraka hovakiana...

02 Novambra 2009