· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2018

Nepal: Fandriampahalemana Anatin'ny Limby

Tokony nifanatrika noho ny fihaonany an-tampony ny firaisan'ny antoko fito sy ny Maoista tamin'ny volana Septambra, saingy tsy tanteraka izany. Nangataka fotoana fanampiny ny Praiminisitra Girija Koirala. Ankehitriny, tokony amin'ny 08 Ôktôbra no hanaovana ilay adihevitra entina handraisana fanapahankevitra.

30 Avrily 2018

Rosia: Ny Fomba Fandraisana ireo Zeorziana

Ratsy avokoa ny ankamaroan'ireo vaovao. Toa lasa mivadika resa-pôlitika hatramin'ny fanatanjahantena koa. Azon'i Anna Chakvetadze ao amin'ny foko Zeorziana ny 'Tompondakan'i Kremlin' amin'ny fifaninanana tennis, hoy ny voasoratr'i Sukhumi - manoloanà vahoaka mihiaka eso hoe ''Mandehàna any Zeorzia ry Zeorziana!''

30 Avrily 2018

Olona an'arivony no mety ho very asa sy voafindra toerana noho ny drafitry ny governemantan'i Filipina hanakatona ny nosy toeram-pialasasatra Boracay

Manao fanentanana ny mponina ao Boracay ao afovoan'i Filipina, ao amin'ny faritanin'i Aklan mba hanohitra ny drafitry ny governemanta  hanakatona sy "hanavao" ara-tontolo iainana ny toeram-pialasasatra malaza manerantany ao amin'ny nosy mandritra ny enim-bolana, no sady eo am-panamboarana casino roa mandritra izany.

28 Avrily 2018