Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Janoary, 2016
Ny Fanjavozavoan'ny Tsipika Manasaraka ny Fialam-boly Amin'ny Politika ao Shina sy Taiwan
Nalaza vao haingana tao amin'ny aterineto ny fialan-tsinin'ilay tanora mpihira K-pop iray noho ny nanofahofany ny sainan'ny Repoblikan'i Shina—izay adika ho fanohanana ny fahaleovantena Taiwaney—.
Hanana Filoham-Pirenena Vaovao Ihany Ve I Libanona Taorian'ny Fanohanan'i Geagea An'i Aoun?
Nandray ny fanapahan-kevitra hanohana ny firotsahan'i Michel Aoun ho filoham-pirenena ny mpitarika ny Hery Libaney Samir Geagea. Hanana ny filoham-pirenena vaovao ihany ve i Libanona rehefa banga nandritra ny 20 volana ny olona tokony hipetraka amin'io toerana io?
An-tsary: Manangona Siran-dranomasina Manjelajelatra Anaty Siny Ny Tantsaha Ao Myanmar
Efa maro amin'ireo mpamokatra sira ao Myanmar no nifindra monina tany amin'ny firenen-kafa mba hanana fiainana tsara kokoa Mampiseho ny fikarakarana sira manerana ny morontsiraka atsimo-atsinanan'i Myanmar ireto sary ireto.
Nalain'ny Governemantan'i Ekoatora Ireo Fitaovan'ny Fantsom-pahitalavitra, Namela Azy io Tsy Ho Afaka Nandeha
Milaza ny tompon'ilay fantsom-pahitalavitra malaza Ekoatoriana izay tsy nandeha intsony taorian'ny fakàn'ny polisy ny fitaovany fa natao iny hetsika iny noho ny tatitra nalefa teo amin'ilay fahitalavitra.
Nahoana No Antsoin'ny Mponin'i Hong Kong hoe “689” Ny Filoha Mpanantateraka CY Leung ?
Tsy anaram-bositra tsara ny 689
Abaribarin'ity Vondrona Ity Ireo Alahelo Ara-tsosialy Ary Ampiroboroboiny Amin'ny Alàlan'ny Taokanto Andalambe Ny Kolontsaina Filipiana.
"Ny fanaovana zavakanto andalambe dia làlana ho anay mba hitondràna "ZAVAKANTO" akaiky kokoa ny vahoaka. Zavatra manokana ho anay ny zavakanto andalambe satria io no tena fikasàna madio indrindra afaka jerena avy amin'ny mpanakanto iray."
Ireo Mpitarik'ady Miteny Amin'ny Vahoaka Libane: Ndeha Isika Hamela Heloka Sy Hanadino!
25 taona taorian'ny fahataperan'ny ady an-trano, mbola mijanona ho firenena voazarazara i Libanona, ary tsy hanatsara akory fa maika hanaratsy ny hoavy ireo andrana ataon'ireo mpitarik'ady teo aloha mba hanadinoana .
Angolà: Maniry “Hifehy” Ny Fidirana Tambajotra Sosialy Ny Filoha
Notsindrian'ny filohan'i Angolà, José Eduardo dos Santos (JES), nandritry ny kabary fiarahabana taombaovao nataony, ny fametrahana lalàna iray "hifehezana" ny tambajotra sosialy
Tahotra Ny Amin'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Any Hong Kong Aorian'ny Fividianan'ny Alibaba Ny South China Morning Post
Manahy ireo mpanao gazety any Hong Kong fa ilay gazety, izay efa notsikeraina fa mpomba an'i Beijin taona vitsivitsy izay , no hanjary mpitondra tenin'ny governemanta any Shina.
Mendrika Hasongadina Ireo Niharan-doza Noho Ny Ady Atao Amin'ny Zava-mahadomelina Ao Meksika, Fa Tsy Ry El Chapo Sy Sean Penn
"rehefa fantatra ny anaran'ireo maty novonoina, rehefa heno ny tantaran'ny fijalian-dry zareo, ary ampitomboin'ireo olona an'arivony, amin'izay ihany ny olona any rehetra any vao hikiaka hiantso fampitsaharana ny ady."