· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2011

Syria: Mitohy ny Revolisiona / Fanovàna (Lahatsary)

Zoman'ny Hatezerana androany ao Siria, olona an'aliny no nirotsaka an-dalambe tany amin'ny tanàna maro samihafa mangataka ny hialàn'ny fitondran'i Al Assad, ary maneho firaisankina amin'i Daraa, izay miatrika famoretana tsy misy antra noho ny maha fon'ny fanoheran'ireo Siriana azy.

29 Avrily 2011

Hongria: Ady no niafaran'ny fihenjanana teo amin'ny Hongroà sy ny Rôma Tao Gyöngyöspata

Halina, olona efatra no naratra nandritra ny fifanandrinana teo amin'ny foko Hongroà mpikambana ao amin'ny vondrona farany ankavanana Véderő sy ny fokonolona Rôma ao Gyöngyöspata. Mifanohitra be ihany ny voalzan'ny haino aman-jery Hongroà ny amin'izay nahatonga ny ady - samy mandà ny ho tompon'andraikitra nahatonga ny fifandonana ny fokonolona roa tonta.

29 Avrily 2011

Pôrtô Rikô: Mitohy ny Adihevitra Momba ny Herisetra ao An-tokantrano

Ao Portô Rikô, nangotraka ny adihevitra mikasika ny herisetra ao an-tokantrano. Bilaogy roa no nanaraka ny didy navoakan'ny Fitsarana an-tampony fa ireo iharan'ny herisetra ao anatin'ny fiarahana tsy ara-dalàna dia tsy voaaron'ny Lalàna 54 manohitra ny herisetra ao an-tokantrano. Ary vao haingana, ny fitsarana ambony ao San Juan (renivohitry ny firenena) no nanapa-kevitra fa tsy voaaron'ny Lalàna 54 ny vehivavy hafa niharan'ny herisetra tao an-tokantrano satria tsy ara-dalàna ny fiarahany tamin'ny olona nanao herisetra azy fa filàna ara-nofo fotsiny.

28 Avrily 2011

Ejipta: Gigi Ibrahim Tao Amin'ny The Daily Show

Ny fisehoan'ilay Ejiptiana mafanà fo ara-politika sady mpandefa bitsika, Gigi Ibrahim, tao amin'ny The Daily Show, dia nahatonga onjam-panohanana sy fanoherana avy amin'ireo namana mpandefa bitsika, izay nandrakotra ny revolisiona ejiptiana. Indreto fanehoankevitra vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter.

27 Avrily 2011

Pakistana: Ady Atao Amin'ny Taliban Sy Ny Drones

Alaivo sary an-tsaina ny hoe fiainana ao Pakistan; toerana iray izay ny andro tsy isian'ny mpanao vy very ny ainy na fanafihana drone (fiaramanidina baikoana lavitra) indray no toa zary vaovao, ary any ny vahoaka dia miaina ny isa-minitrany amin'ny tebiteby toy ny dona, hatezerana, fikorontanana ary tsy fahatsapana halemena lalina isanandro.

27 Avrily 2011