Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2012
Maoritania: Diplaomaty Nandoro Tena
Minitra vitsy nialoha ny Iftar (fotoana fampitsaharan'ny Miozolmana ny fifadian-kanina fanao rehefa Ramadany ), Hassan Ould Abba [ar], Maoritaniana iray diplaomaty izay niasa amin'ny maha-mpanolotsaina azy tao amin'ny Masoivoho Maoritaniana ao Koety, dia nandoro tena [ar] tao amin'ny distrikan'i Ksar, any Avaratr'i Nouakchott, renivohitra Maoritaniana. Nihazakazaka hamonjy azy ihany ny fiaran'ny mpamonjy voina, saingy maty talohan'ny nahatongavany tany amin'ny toeram-pitsaboana izy.. Mamintina ny fanehoan-kevitra tety anaty aterineto i Ahmed Ould Jedou.
Syria: Fampianarana An-tserasera Momba Ny Ady Sy Ny Fampiasana Fitaovam-piadiana
Mitodika amin’ny tranokala momba ny fampianarana ady ireo mpikomy Syriana. Ity no andraikitra farany narakitra tao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy, izay efa nahazo hoby lehibe noho ny andraikitra nosahaniny amin’ny...
Kiobà: Mafàna Fo Mpiaro Ny Zon'Olombelona Voadaroka, Voasambotry Ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Fandevenana An'i Payá
Ny 23 Jolay teo, nambaran'ireo mafàna fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny haino aman-jery vahiny any Kiobà fa raha iny niverina avy nandevina an'i Oswaldo Pay, mpitarika ny Vinavinan'asa malaza Varela sady nahazo ny loka Skharove an'ny parlemanta eorôpeana ho an'ny fiarovana zon'olombelona sy ny demokrasia ry zareo, dia nisambotra olona eo ho eo amin'ny 50 ny polisim-pirenena kiobàna.. An'isan'ireo voasambotra ireo Guillermo Fariñas sy Antonio Rodiles.
Fanjakan'i Baroa ve i Tonizia?
Mafana tanteraka ny adihevitra nanomboka tamin'ny 19 Jolay raha nosokajian’ i Mahmoud Baroudi, mpikambana ao amin'ny Antenimieram-panorenana (NAC) ho “Filohan'ny Repoblikan’ akondro [Fanjakan'i Baroa] ny filoha vonjimaika Moncef Marzouki. Niteraka savorovoro tanteraka tao anatin'ny...
Bahrain: Lehilahy Antitra Nosamborin'ny Polisy Satria “Niaro Ireo Vehivavy”
Tsy ilaozan'ny fisamborana ihany koa ny olona antitra mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana “tsy nahazoan-dalana” tao Bahrain, fihetsiketsehana tokony hofaizin'ny fanjakana. Araka ny nambaran'ny mpiserasera, lahy antitra roa no voasambotra noho...
Ghana: Lohahevitra Tao Amin'ny Tontolon'ny Twitter Ghaneana Ny Fahafatesan'ny Filoha-
Ny 24 Jolay 2012 dia niaina zavatra nampalahelo i Ghana, sambany teo amin'ny tantarany: Ny filoha amperin'asa no nodimandry.. Nampiasa ny Twitter hamoahany ny hatairany sy ny alahelony ireo Ghaneana .Nikapoka tao amin'ity tranonkalanà media sosialy ity ny vaovao momba ny nahafatesan'ny Filoha talohan'ny nanamafisan'ireo tranom-pampahalalam-baovao azy ho ofisialy.
Palestina: Mahatsiaro Ilay Mpanao Sariitatra Naji Al Ali
Marihana androany, [ 22 Jolay] ny faha-25 taona namonoana ilay mpanao sariitatra politika Palestianiana Naji Al Ali, malaza amin'ny tsikera ataony amin'ny fitondrana Arabo mpanao didy jadona sy i Isiraely izy. Teraka...
Madagasikara : Tsoa-kevitra Tamin'Ilay Fiokoana Farany Teo
Tamin'ny Alahady 22 Jolay lasa teo, roa maty, 4 naratra nandritra ny fifandonana teo amin'ny miaramila tao amin'ny toby iray ao Ivato, Madagasikara, anisan'ny namoy ny ainy tamin'izany ny kaporaly...
Syria: Lahatsary Mitatitra Ny Fiakaran'ny Fifandirana
Mampirehitra ny haino aman-jerim-bahoaka ny vaovao misy ao Syria. Nahafahan'ireo mpijery mba hanaraka ireo dingana tena nampiakatra avo ny hamafin'ny fifanolanana ny lahatsary nalefan'ireo mafana fo tao amin'ny YouTube.
Arzantina: Miteraka Adihevitra Ilay Lahatsarin'ny Lalao Olympika Tany Amin'ireo Nosy Malouines
Raha mikarakara ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona i Arzantina, nisy fanambarana nataon'ny Filoha sy noraketina an-dahatsary tany amin'ireo Nosy Malouines niteraka adihevitra be miaraka amin'ny fehezanteny: "Raha hifaninana any amin'ny tany Anglisy isika, manazatra tena amin'ny tany Arzantina."