Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jona, 2021
Sangany amin'ireo media belarosiàna, namafa lahatsoratra an-tambajotra mba hiarovany ny mpiasa
Nesorin'ny toniandahatsoratry ny Tut.by daholo ireo votoaty virtoaly navoaka tamin'ny ankamaroan'ireo fantsom-baovaony tety anaty media sôsialy tamin'ny 2020 sy ny tapany voalohany ho an'ny 2021, anatin'ny tena mampafàna ny hetsipanoherana taorian'ny fifidianana.
Nohamafisin'i Hong Kong ny lalàna mifehy ny fiainana manokana hanoherana ny “doxxing”
Raha lany ilay lalàna, moa ve hampihatra tsy misy fiangarana azy io ny Kaomisera mpiaro ny Fiainana Manokana, handray an-tànana ny "doxxing" tsy ijerena izay (tena na heverina ho) fironana politikan'ilay iharany?
Lisitra nandaharana sarimihetsika maitso: Sarimihetsika fohy aziatika miresaka tontolo iainana
Asongadin'ireo sarimihetsika ireo ny tolon'ireo vondrompiarahamonina isankarazany hiarovana ny tanin-dry zareo, ny tontolo iainany ary ny lovany ara-kolontsaina.
Taorian'ny fanakatonana ny Apple Daily, namafa lahatsoratra sy nampiato famandrihana ilay media nomerika Stand News ao Hong Kong
Nilaza ilay famoahambaovao nomerika Stand News fa hanàla lahatsoratra fanehoankevitra sy tsanganana navoakany talohan'ny volana May ary hampiato ny fanekena fanomezana mba hampihenana ny mety ho kinanga hanjo azy araka ny lalàna momba ny filaminam-pirenena.
Mizotra mankany amin'ny fandraràna an'ilay antoko politika mpomba ny Kiorda i Tiorkia
Ny lehiben'ny fampanoavana ao amin'ny Fitsarana Avo Mpandrava Didy ao Tiorkia no nametraka ilay fitoriana misy pejy 843 tamin'ny Martsa 2021, niampangany ny antoko ho miaraka miasa amin'ny Antokon'ny Mpiasa Kiordistàna, ilay vondrona mpihoko voararan'ny lalàna
Fihazana foza: Enjehina ny mpanao kolikoly politika any Angola
Tsy mino ireo Angoley fa hifarana ny kolikoly ao amin'ny fireneny na dia eo aza ireo fandroahana sy fisamborana ireo,
Nantsoina ho fanaovana hazalambo ny fisamborana mpiaro ny tontolo iainana bebe kokoa any Kambôdza
Nolazain'ny manampahefana fa "mpikomy" ny vondrona ary nilaza izy ireo fa nampiasa famantsiam-bola vahiny izy ireo mba hanonganana ny governemanta.
Seho andiana elefanta mirenireny any Shina. Tsy hoe ‘maha-te-ho-tia’ araka ny ahitana azy ireo.
"Nisy ihany ny manam-pahaizana nanome fanazavana momba ny dian'ny elefanta nianavaratra. Tsy niresaka ny marina ny tompon'andraikitra teo an-toerana."
JEREO/HENOY: “Beyond the Protest Square (Mihoatra lavitra ny Kianjam-Panoherana),” tafa niarahana tamin'i Tanya Lokot
Tsy nahita ny fandefasana nivantana ny webinar tamin'ny 17 Jona nataon'ny Global Voices ary nanasongadinan'i Tanya Lokot ilay bokiny "Beyond the Protest Square" ve? Ireto ny lahatsary sy feo ary e!
Asehon'ny zavakanto an-dalambe ny hiakiaka avy amin'ny vahoaka kolombiana leo herisetra, kolikoly ary fahantrana
Voalokon'ny hafatra fahatezerana, fanantenana ary alahelo ireo manoloana ny tranobe, fivarotana ary andrim-panjakana maro