Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2019

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2019

31 Jolay 2019

Boky vao navoaka, manolotra ireo endrika zara raha nanaovana fikarohana momba ny tetezamita politika sy ny fampahalalam-baovao ao Myanmar

"Nefa araka ny voamarik'ireo maro nandray anjara, na nisokatra aza ny habaky ny fanehoankevitra, tsy nihena ny fampitahorana atao amin'ireo mpanao gazety sy mpikatroka."

30 Jolay 2019

Asehon'ny amboarampeon'ny Katedraly Rosiana iray tamin'ny hira momba ny fandringanana nokleary an'i Etazonia fa tsy miasa aty amin'ny taona 2019 intsony ny vazivazy

Akon'ny RuNet

Nampihetsi-bolomaso olona vitsivitsy ihany ny fandefasan'ny televizionam-panjakana Rosiana matetika santionany amin'ny famotehana ara-nokleary an'i Etazonia amin'ny ampahany na izy rehetra.

29 Jolay 2019

Navotsotra rehefa avy nigadra dimy taona an-tranomaizina noho ny fanompana ny fitondram-panjaka i Tom Dundee, mpihira nentin-drazana Thailandey sady mpikatroka

'Avy amin'ny vahoaka no hananganana ny demokrasia, sa tsy izany? Tsy afaka atsangana avy amin'ny olona iray monja ny demokrasia .'

26 Jolay 2019

Ahoana moa no andrahonan'ny fanomezan'i Etazonia fitaovam-piadiana an'i Arabia Saodita ny fandriampahalemana sarotra azo ao Sodàna

Ny Tetezana - The Bridge

Vatsian'ny Saodiana vola sy fitaovam-piadiana ny RSF, koa raha manohana ny fifanaraham-barotra fitaovam-piadiana amin'i Arabia Saodita i Etazonia dia efa manohana ihany koa ny RSF izany ry zareo.

Iran: Lahatsarin'ny fihetsiketsehana sy ny fandrehetan-dabozia

Niteraka korontana mahery vaika tsy nisy toy izany hatramin'ny Revolisiona Islamika tamin'ny taona 1979 ny fifidianana nampiadihevitra tamin'ny 12 Jona 2009 tao Iran izay namerina ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad teo amin'ny fitondrana indray. Nitaky ny hanafoanana ny fifidianana ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitarika ny mpanohitra, Mir Hussein Mousavi.

25 Jolay 2019

Niteraka fihetsiketsehana sy adihevitra ny fandraràna posiposy amin'ny làlan-dehibe any Dhaka, Bangladesh

Nahitana hetsi-panoherana mahery vaika avy amin'ireo mpitarika posy sy ireo mpisera aterineto sasany izay mampiasa ity fitaovam-pitaterana mahazatra ity ny fandraràna ny posiposy amin'ny lalan-dehibe telo ao Dhaka.

23 Jolay 2019

Voampanga ho nikomy ny filoha lefitr'i Filipina sy ireo hafa mpitsikera an'i Duterte

Nametraka fitoriana fikomiana sy fiampangana hafa hamelezana ny filoha lefitra Leni Robredo sy olona 35 hafa ny polisin'i Filipina, fiampangana izay misy ifandraisany amin'ny famoahana horonan-tsary antserasera manendrikendrika ny fianakavian'ny filoham-pirenena Rodrigo Duterte ho manana fifandraisana amin'ny hetsika fanondranana rongony tsy ara-dalàna.

I Barbados ve no ho firenena Karaiba voalohany hanafoana ny fanadinana fidirana amin'ny sekoly ambaratonga faharoa?

"Mendrika fanabeazana tsara kalitao izay manomana azy amin'ny FIAINANA ny ankizy tsirairay. Fa nahoana isika no manana rafitra iray izay mahatonga ireo zanatsika hihevi-tena ho adala raha toa izy ireo tsy tafita ho amina "sekoly tsara iray"?

18 Jolay 2019

Famoretana taorian’ny fifidianana tany Maoritania : nesorina ny sakana tamin'ny Aterineto saingy mbola notànana ny mpanao gazety 

GV Mpisolovava

Mbola nanohy ny famerana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalaham-pitenenana izay anisan'ny famoretana taorian’ny fifidianana ny governemanta na dia teo aza ny fiafaran’ny fanakatonana ny Aterineto naharitra 10 andro.

14 Jolay 2019

Shina: Rahonan'ny sivana aterineto Amerikana

Andro vitsy taorian'ny kabarin'ny Sekreteram-panjakana amerikana Hillary Clinton momba ny fahalalahan'ny aterineto, nosakanan'ny SourceForge.net (fitehirizana loharano kaody tovozona malalaka)  ny fidirana amin'ny adiresy IP avy any Kiobà, Iran, Korea Avaratra, Sodana ary Syria.