Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Novambra, 2012
Ejypta: Miala ny Mpangeja -Fizarana Fahatelo!!
Amin'izay faritana ho andiany fahatelo amin'ny revolisiona Ejypsiana, nidina an-dalambe indray ny Ejypsiana manerana ny firenena fa tsy i Kairo ihany mba hampita hafatra goavana fa vonona izy ireo hanongana izay...
Iran: Eritreritra Momba An'i Gaza sy Isiraely
Nalefan'i Peyman Majidzadeh voalohany tao amin'ny Arseh Sevom ny lahatsoratra Ady inona izany? Ny fanohanana ny Palestiniana no politika ivelany laharam-pahamehana ho an'i Iran araka ny filazan'ny mpitondratenin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana, Ramin Mehmanparast....
Mifanohitra Amin'ny Lalampanorenana Ve ny Fifidianana Ho Avy Any Japana?
Nisy vondrona mpisolovava nampakatra tamin'ny Fitsarana Ambony tao amin'ny distrikan'i Tokyo fa tsy mifanaraka amin'ny Lalapanorenana ny fifidianana ankapobeny ho avy. Saingy nolavin'ny Fitsarana ny raharahan'izy ireo tamin'ny 21 Novambra 2012....
Espaina: Mihantona Ny Fandroahana Hiala Amin'ny Trano Noho Ny Fanerena Ara-tsosialy
Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Krizy ao Eoropa ity lahatsoratra ity. Fikambanana sy sehatra miady amin'ny fandroahana olona hiala amin'ny trano fonenany no nahomby tamin'ny fahazoan'ny Asociación Española de Banca (Fikambanan'ny...
Mbola Manaloka Ny Etiopiana Ve Ny Avelon'i Meles Zenawi ?
Na dia telo volana aza izao no lasa taorian'ny nanambaràna tamin'ny fomba ofisialy ny nahafatesan'i Meles Zenawi, ilay Praiminisitra Etiopiana nodimandry, ary taorian'ny volana maro nisian'ny resabe mikasika ny momba azy, ny avelony kosa tsy mampiseho marika mihitsy hoe hanaisotra ny vahohony amin'ireo Etiopiana.
Bolgaria: Revolisiona Voatabia
Nanao famoriam-bahoaka teo anoloan'ny Antenimiera Bolgariana ny vahoaka tamin'ny 24 Novambra, ary nampahafantatra tamin'ny fomba ofisialy ilay fantatra amin'ny anarana hoe” Revolisiona Voatabia”. Mandrahona ny Antenimiera ny voatabia Tamin'ny 9 Novambra, namoaka...
Hetsika Nandritra ny “Diabe Maitso” tao Malezia
Olona 70 no nandray anjara tamin'ny fiandohan'ny ‘Diabe Maitso’ tao Malezia tamin'ny 13 Novambra tao Kuantan. Taorian'ny diabe 13 andro sy 300 kilometatra nanavatsava ny firenena, nifarana tao an-drenivohitry ny firenena ny...
Miha-mananosarotra Ny Sivana Ao Angola
Tsy nahitàna taratra ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety mihitsy ny fankalazàna ny faha-37 taona nahazoan'i Angola fahaleovantena tato ho ato. Ny mifanohitra amin'izay aza, ny lasitra sivana Angole dia mananosarotra isak'izay mandeha. Ny fanohintohinana akaiky indrindra izao dia ny nanjo ny “Semanário Angolense”, voasazy noho ny namoahany ny kabary feno fanakianan'ny filohan'ny UNITA, Isaías Samakuva .
Bilaogy Mampifandray An'i Afganistana Sy Pakistana: ‘Fifankahazoan'ny Mpifanolo-bodirindrina’
Tamin'ny fandaharan'asa fanomezana vatsim-pianarana io, indroa niatrika fihaonambe ireo mpanao gazety 22 avy any Afghanistan sy Pakistana, ny iray tany Islamabad ary ny faharoa tany Kabola mba hisian'ny fifankahazoana sy fifampizaràna ny zava-tsoa ary hifanakalo kolontsaina. Nosoratany ireo traikefa ireo ary nampitondrainy ny lohateny hoe 'fifankahazoan'ny mpifanolo-bodirindrina' ary vVonona hanao fanamby ry zareo hanohitra ireo fitantaràna am-polo taona voapetraka mikasika ireo mpifanolo-bodirindrina aminy.
Manohana An'i Palestina i Pakistana
Taorian'ny fampitsaharana ny ady nanaovan'i Ejipta fanelanelanana, nitsahatra ihany ny ady farany teo amin'ny Isiraely sy Palestina rehefa niteraka faharatràna olona am-polony. Satria efa miverina miadana amin'ny laoniny ny fiainana, ny...