· Septambra, 2009

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2009

Tontolo: Mandefa ny lahatenin'i Gaddafi teo anatrehan'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny Tweet

Tamin’ny fanambarany voalohany nanoloana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana, ny Filoha Libyanina Muammar Gaddafi dia nanenjika ny fotoana veriny. Ny fandraisany fitenenana dia in’enina amin’ny fotoana nomena hitenenana, nefa ireo mpitondra eran-tany tonga tao nihomehy sy nanoaka fotsiny. Any anaty Twitter, be ny fanehoan-kevitra navoakan'ireo mpampiasa izany momba ilay kabary.

30 Septambra 2009

Filipina: Arahi-maso ny Artistan'ny Firenena

Vao nanamafy ny Tafika an-dranomasina Filipiana fa iray amin'ny olony mizatra tena amin'ny fanaraha-maso ilay lehilahy tratra tamin'ny 17 Septambra nihaodihaody ny tranon'i Bienvenido Lumbera, poeta nahazo loka, mpilalao teatra, mpandalina literatiora ary solontenan'ny Artista ao amin'ny firenena.

30 Septambra 2009

Porto Rico: Adihevitra momba ny sivana

Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.

28 Septambra 2009

Kazakhstan: Tsy fahazakàna fampielezan-kevitra

Araka izay amaritan'i megakhuimyak azy, tamin'ny herinandro lasa iny tao Kazakhstan,  “miha-henjana ny fikorosiana.” Mbola manalokaloka sy mibahana ao an-tsain'ny firenena iray manontolo ny vinantolahin'ny filoha teo aloha, Rakhat Aliev,...

23 Septambra 2009