Nosoratan'i Han Tse ity tatitra ity ary nivoaka voalohany ny 11 Janoary 2024 tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) . Navoaka eto ambany ny endrika nasiam-panovana ho ampahany amin'ny fifanaraham-piarahamiasa amin'ny HKFP.
Nogadraina telo volana ny lehilahy iray avy any Hong Kong noho ny fanaovany t-shirt “mampisara-bazana” misy ny teny faneva fanoherana hoe “Afaho i Hong Kong, revolisionanin'ny androntsika” tao amin'ny seranam-piaramanidina Hong Kong.
Notsaraina tao amin'ny Tranoben'ny Fitsarana any Kowloon Andrefana tamin'ny 10 Janoary 2024 i Chu Kai-poon, 26 taona. Niaiky fa meloka izy tamin'ny herinandro lasa tamin'ny fiampangana iray ho “nanao fihetsika misy fikasana hampisara-bazana” sy fiampangana iray hafa momba ny “fananana famoahan-kevitra mampisara-bazana” araka ny lalàna momba ny fampisaraham-bazana tamin'ny andron'ny fanjanahantany.
Nosamborina teo akaikin'ny vavahadim-piondranana tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenen'i Hong Kong i Chu tamin'ny volana Novambra lasa teo rehefa hita fa nanao t-shirt misy hiakam-panoherana.
Araka an'i Ming Pao, gazety iray ao an-toerana, naheno ny fitsarana tamin'ny herinandro lasa, tamin'ny 4 Janoary, fa mpiambina ny seranam-piaramanidina no nahita an'i Chu manao akanjo lava tanana misy fehezanteny hoe “Afaho i Hong Kong, revolisionan'ny androntsika”. Nitatitra ny tranga teny amin’ny foibe fanarahamaso ilay mpiambina, izay niantso ny polisy avy eo.
Nahita sainam-pirenena telo tany amin'i Chu izay misy teny filamatra mitovy ny polisy taty aoriana — sy t-shirt hafa misy soratra hoe “fahaleovantenan'i Hong Kong”.
Nampidirina am-ponja vonjimaika ilay voampanga, izay tsy an’asa, hatramin’ny nisehoany voalohany teny amin’ny fitsarana tamin'ny 30 novambra 2023. Niaiky ny heloka vitany tamin’ny fampisaraham-bazana roa tonta izy ny herinandro lasa teo.
Nilaza ny mpitsara voatendry ho an'ny fiarovam-pirenena Victor So tamin'ny 10 Janoary fa tsy dia lehibe loatra ilay fandikan-dalàna raha oharina amin'ireo raharaha fikomiana hafa satria zavatra kely sy tamin'ny fotoana fohy no nanaovana izany.
Nilaza ny mpitsara fa teo anelanelan'ny nandaozany ny trano fonenany sy ny fahatongavany tao amin'ny seranam-piaramanidina, nampiseho ampahibemaso ny teny filamatra fanoherana nandritra ny adiny dimy sy 23 minitra i Chu. Tsy dia nanan-kery loatra izany raha oharina amin'ny famoahana azy an-jotra, hoy i So. Nanampy izy fa tsy manana antoko politika i Chu.
Saingy nilaza i So fa nanitsakitsaka ny lalàna tamim-pahatsorana ilay voampanga satria nambara fa “mampidi-doza ny filaminam-pirenena” ny teny filamatra.
Tamin'ny fitsaràna voalohany momba ny filaminam-pirenena tao an-tanàna, nanapa-kevitra ny fitsarana fa mety handrisika ny hafa hitarika fisintahana ilay fehezanteny.
Nilaza ihany koa ny mpitsara fa nividy ireo akanjo sy saina avy any Taiwan i Chu, mampiseho fa fantany fa fandikana ny lalànan'i Hong Kong izany. Nanampy trotraka ny fandikan-dalàna izany, hoy i So.
Nomen'ny fitsarana sazy telo volana an-tranomaizina i Chu, nihena fa tsy ilay efa-bolana sy tapany satria niaiky ny heloka nataony izy.
Teny filamatra ‘Mpomba ny fahaleovantena’
Fiverenan-kira malaza nandritra ny fihetsiketsehana mpomba ny demaokrasia tamin'ny taona 2019 ny teny filamatra hoe “Afaho i Hong Kong, revolisionan'izao androntsika izao”, izay nolazain'ny governemanta ho “mpomba ny fahaleovantena, mpampisara-bazana ary mpanakorontana” tamin'ny 2 Jolay 2020, roa andro taorian'ny nampidiran'i Beijing ny lalàna mifehy ny filaminam-pirenena ho manan-kery.
Nandritra ny fitsarana voalohany momba ny filaminam-pirenena tao an-tanàna tamin'ny volana Jolay 2021, nambara fa mahavita mandrisika fisaraham-bazana ilay teny filamatra, fandikan-dalàna araka ny lalànan'ny filaminana, izay manameloka ihany koa ny fanakorontanana, ny firaisana tsikombakomba amin'ny hery vahiny ary ny fampihorohoroana.
Napetrak'i Beijing ny lalàna mifehy ny filaminana taorian'ny hetsi-panoherana sy fikomiana naharitra am-bolana maro tamin'ny taona 2019, nateraky ny volavolan-dalàna mampiady hevitra momba ny fampodiana gadra an-tanindrazana izay mamela ny famindrana ireo gadra mankany amin'ny tanibe Shina. Nivadika ho hetsika mpomba ny demaokrasia miely patrana kokoa ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta Hong Kong sy Beijing, sy ny filazana fa herisetran'ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana.
Novelomin'ny manampahefana ny lalàna tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany, izay misaraka amin'ny lalàna mifehy ny fiarovam-pirenena, tao anatin'ny taona vitsivitsy. Nasiam-panitsiana farany tamin'ny taona 1970 ny lalàna fony mbola zanatany Britanika i Hong Kong.
Ahazoana sazy faran'izay henjana saingy maivana roa taona an-tranomaizina noho ny fanamelohana voalohany ny fikomiana, raha ampitahaina amin'ny fanagadrana mandra-pahafatiny noho ny fandikan-dalàna momba ny filaminam-pirenena. Saingy tsy maintsy miatrika ny fetran'ny famotsorana vonjimaika henjana kokoa ireo voampanga ao ambany lalànan'ny fanjanahantany tsy mitovy amin'ireo voampanga eo ambany lalàna mifehy ny fiarovana, izay midika fa matetika voatazona am-ponja vonjimaika izy ireo rehefa entina eny amin'ny fitsarana. Mpitsara misahana ny fiarovam-pirenena nosafidiana no misahana ireo raharaha momba ny fikomiana.