Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2023
Horonantsary « Andro mandoro» taratry ny toedraharaha pôlitika amin'izao fotoana izao ao Tiorkia
Hatreo, nahazo loka tanatina fetibe maro iraisampirenena sy nahazo fankasitrahana aman-dera ilay sarimihetsika, saingy ny mpamosavy tsy masina an-taniny
Sarimihetsika enina momba ireo vondrom-piarahamonina ao Azia-Pasifika miatrika ny olan'ny toetrandro
Asongadin'ireto sarimihetsika ireto ny tantaran'ireo vondrom-piarahamonina miady amin'ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro, sy ny fanaingàny fanahy hanana fanantenana hiatrehana ny olan'ny toetrandro amin'ny alàlan'ny ezaka ataony sy ny firaisankinan-dry zareo
Inona no antony ao ambadiky ny firongatry ny heloka bevava ao Sainte-Lucie ?
Mitombo ao Sainte-Lucie ny herisetra ataona andian-jiolahy, voalaza fa misy ifandraisany amin'ny fanondranana zava-mahadomelina. Mbola mailo hatrany ny tsirairay taorian'ireo andiana vono olona nisesisesy tamin'ny tapaky ny Martsa tao Vieux-Fort.
Loza tsy hita maso : Mamely ny vehivavy Yemenita ny vanja milevina
Ny olan'ny vanja milevina,, mampitombo ny olana amin'ny maha-olona efa misy, miteraka fahafatesana sy fahasembanana mampihoron-koditra, indrindra fa amin'ireo vehivavy sy ankizy, manasongadina ny filàna fijerena azy maika.
Nosamborina fa noahiahiana ho mpiray tsikombakomba amin'ny vahiny ilay menavazana mpiaro ny zon'ny mpiasa ao Hong Kong
Nosamborina teo ivelan'ny fonjan'i Stanley ilay mpikatroka mpiaro ny zon'ny mpiasa, Elizabeth Tang, 65 taona, noho ny fiahiahiana azy ho mpiray tsikombakomba amin'ny vahiny rehefa avy nitsidika ny vadiny Lee Chuek Yan izay voampanga ho “nandrisika fikorontanana”.
Reel: Ny sisa tavela amin'ny Brechin Castle ao Trinidad, efa nisy fotoana ‘orinasa mpamokatra siramamy lehibe indrindra […] tao amin'ny ampira britanika’
Nilaza ny Minisitry ny Fambolena teo aloha Clarence Rambharat fa “zavatra roa samy hafa ny orinasa mpamokatra siramamy sy ny fitehirizana ny tantaran'ny siramamy”, fijery iray izay tsy eken'ny mpisera media sosialy sasany.
Jamaikàna mpandalin-kevitra ara-kolontsaina, mampiasa Twitter, hisarihana ny saina ho amin'ireo zavabita miavaka ao Karaiba
Matetika i Wayne Chen, Jamaikàna mpampiasa Twitter sady mpandalin-kevitra ara-kolontsaina Wayne Chen no mamoaka vaovao mahaliana mikasika ireo olomalaza sy mpisava lalana ao Karaiba ao amin'ny sehatra media sosialy.
Ampangain'ny filohan'i Micronesia ho mpanolikoly sy “manao ady ara-politika” i Shina
"Inona koa no iantsoanao azy rehefa omena valopy feno vola ny olom-boafidy iray rehefa avy nisakafo tao amin'ny Masoivohon'ny REBS [Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina] na aorian'ny fitokanana zavatra iray?"
Andro Erantany ho an'ny Vehivavy tao Mexico City: fankalazàna rakotry ny alahelo
8 Martsa tao Mexico City, taratry ny alahelo iainan'ireo vehivavy meksikàna satria fotsiny vehivavy izy ireo.
Nohadihadian'ny polisy Maleziana momba ny afisy manohana ny LGBTQ+ ireo mpikarakara ny diaben'ny vehivavy
"Tao anatin'ny telo taona farany, nisy ny tsy fahampian'ny hetsika nataon'ny governemantantsika mba hiarovana sy hitandroana ny zon'ny vehivavy sy ireo lahy sy vavy voahilikilika."