Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Aogositra, 2023
Nanangana ny ‘sarivongan’i Boddha lehibe indrindra maneran-tany’ ve ny fitondrana miaramila Myanmar mba hanadiovana ny helony?
Namoaka sarivongana Boddha Maravijaya lehibe ny fitondrana miaramila ao Myanmar nandritra ny lanonana ara-pivavahana goavana, nolazain'ny mpitsikera izany ho fiezahana tsy hahita ny habibiana ataon'ny fitondrana miaramila.
Nahoana ny olona no mifidy an'i Milei “anarco-capitaliste”, amin'ny fijery arzantina
"Ny olana dia ao anatin'ity "fahatofohana" ity, afaka mitsabaka daholo na iza na iza, ary izay no mitranga".
Manao ampaham-pamotsoran-keloka mpitarika anaty fitohizan'ny krizy sy fanoherana ny jadon'i Myanmar
"Tsy hamaha ny olan'i Myanmar voalohany indrindra ny fampihenan-tsazy an-tranomaizina ireo olona tsy tokony nohelohina mihitsy."
Zoerzia, miatrika fanakianana momba ny mety ho famerenana ny sidina eo aminy sy Rosia
Hatramin'ny 2019 no voaràra ny sidian eo anelanelan'i Zeorzia sy Rosia, araka ny baikon'ny filoha Poutine. Taorian'ny Jona 2019 nitsidihan'i Sergey Gavrilov, Rosiàna mpanao lalàna, ny firenena. Nisy herisetra nipoaka taorian'izay
Ao Gabôna, fifidiananana telo sosona manan-tantara ifandroritan-tombontsoa goavana
Ny tsy fanànana asa, ny kolikoly, ny fanamby ara-tontolo iainana no mibahan-toerana tamin'ireo adihevitra nandritra ny fifidianana telo sosona, filoham-pirenena, solombavam-bahoaka sy kaominaly ny 26 Aogositra ao Gabôna.
Maty nandritra ny fianjeran'ny voromby i Yevgeny Prigozhin. Fantatry ny Rosiana ve hoe iza moa izy?
Tamin'ny fitsapan-kevitra natao tany Rosia, telo herinandro taorian'ny fikomiana nataon'i Yevgeny Prigozhin sy ny vondrona Wagner-ny, ny ampahatelon'ireo namaly (33 isanjato) ihany no nilaza fa nahafantatra momba ny “krizy ara-tafika nitranga tany Rosia tamin'ny 24 Jona.”
“Tsy nahita hazo aho tao anatin'ny telo taona ” : Taratasy avy amina Aostraliàna mpanao gazety mifonja any Shina
"Malahelo ny masoandro aho. Ato anaty fonjako, mamiratra avy eo am-baravarankely ny taratry ny masoandro, saingy isantaona dia tsy afaka mijoro afatsy 10 ora ao anatiny aho. ... Ireo zanako indrindra indrindra no mampalahelo ahy."
Fangitra: Inona no vakiana mba hahatakarana ny adihevitra ao Gabon?
Fangitra: Inona no vakiana mba hahatakarana ny adihevitra ao Gabon? Medias, tatitra art tambajotra sôsialy
Miaina anaty tahotra sy hakiviana ireo mpihira ao Afghanistan noho ny fandraràn'ny Taliban ny mozika
"Nanova an'i Afghanistan ho toerana tsy misy mozika sy zavakanto ny Taliban. Nanova azy ho firenena mangina sy moana izy ireo."
Ny fomba nanampian'ireo sangany avy amin'ny Tiorka mpanohitra an'i Erdoğan sy namitahana ny mpifidy
Taloha sy nandritra ny fifidianana faobe tao Tiorkia tamin'ny May 2023, tao anatin'ny haravoana ny ankamaroan'ireo fampahalalam-baovao be mpanaraky ny mpanohitra, niaraka tamin'ireo mpaneho hevitra sy mpanao gazety ao aminy