Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2010
Mpitantana vohikala manohitra ny sivana amin'ny aterineto, voasambotra tany Thailand
Nosamborina androany tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Bangkok ny mpitantana ny vohikalan'ny gazety tsy miankina iray any Thailand, noho ny fanompàna mpanjaka. Nangingiana ny haino aman-jery mahazatra tany an-toerana momba izany fa ireo mpampiasa twitter kosa namatsy torolàlana sy fanampim-baovao hanampiana ny fanohanana ny hetsika ho fangatahana ny famotsorana ilay mafana fo voasambotra.
Ny sisintany tsy hita maso eo anelanelan'i Ekoatora sy Kolombia
Olana maha-be resaka indray izao ny sisintany eo amin'i Ekoatora sy Kolombia. Ny firenena roa tonta dia manana sisintany mahatratra 586 km (tokotokony ho 365 miles) ary miaraka amin'izay koa ny tantaran'ny fifandirana, ny fifanamelohana avy amin'ny andaniny na ny ankilany sy ny tatitra momba ny fifandonana ara-tafika ary ny famindran-toerana ny mponina.
Inde: hilefitra ve i Kashmir? Sa mety hisy ny fampihavanana ?
Nandefa delegasiona matanjaka ahitana mpanao lalàna avy amin'ny antoko politika maro an'isa ny governemanta Indiana afovoany mba hanamaivana ny fandatsahan-drà sy ny fifanoherana any amin'ny faritr'i Jammu sy i Kashmir . Taitra ihany koa ny tontolon'ny bilaogy Indiana taty afara mikasika ity olana ity ary mizara ireo hafany mikasika ny fanantenana, ny fihavanana, ny firaisan-kina sy ny fandriam-pahalemana ireo mpitoraka bilaogy .
Venezoela: Ny fifidianana amin'ny 26 Septambra, ny fahafanam-po sy ny hevitra ao amin'ny Twitter
Amin'ny 26 Septambra, hifidy mba hanavaozana ny Antenimieram-pirenena ireo Venezoalana, rantsana mpanao lalàna. Iray amin'ireo fitaovana be mpampiasa mandritra ny fanentanana ny Twitter, nampiasan'ireo mpifaninana mba hanaovany ny fanentanany sy ampiasain'ny vahoaka hanohanana ny mpanao politika tiany sy hitenenany ny heviny mikasika ny politika.
Ekoatera: Ny fikasan'ny mponina hanala ny filoha Rafael Correa eo amin'ny toerany
Nanaparitaka ny teti-panorony ilay mpanao gazety Carlos Vera tamin'ny alalan'ny vohikala, sy tamin'ny fampiasana youtube ary ny blaoginy, mikasika ny fanalàna ny filoha Rafael Correa teo amin'ny toerany mifanaraka ny lalàmpanorenana. Nizara ny heviny momba an'io fikasana io ihany koa ny mpitoraka blaogy sasany, izay nanambara ihany koa ny fanonganana manam-pahefana sasany eo an-toerana izay efa miainga amin'izao fotoana izao.
Indonezia: Mihantsy ny didim-pitsarana ka manakatona fiangonana ny fanjakana iray
Noterena hampitsahatra ny fanompoam-pivavahana, tamin'ny alahady alina teo, ny fiangonana protestanta GKI Taman Yasmin ao amin'ny fitantanam-panjakan'i Bogor, Indonezia. Nohodidin'ny polisy sy ny sampan'ny mpitandro ny filaminana (Satpol PP) ny manodidina ny fiangonana, Notapahiny ny fotoam-pivavahana tao am-piangonana, ary nakatony ara-panjakana noho ny baikon'ny (fitantanana ny ) tanàna ny fiangonana
Rosia: Arahaba tratry ny tsingerintaona ry @KremlinRussia! ;)
Tamin'ny 14 Septambra 2010, nankalaza ny faha 45 taonan'ny vaninandro nahaterahany ny filoham-pirenena rosiana. Ity no tsingerintaonany fahatelo nankalazaina nandritra ny naha-filoham-pirenena azy. Tamin'ny taona 2010, nitobaka ny firariantsoa sy ny fiarahabana avy amin'izao tontolo izao, ary anjatony amin'izy ireny no tsy avy amin'ny antso an-tariby ihany fa avy amin'ny Twitter ihany koa. Mandalina ny fihetseham-po tao amin'ny Tweet-o-sphere i Yelena Osipova .
Honduras: Herisetra hafa indray nataon'ny polisy
Juan Carlos Rivera [es] sy i Hibueras [es] no mitatitra trangam-pamoretana hafa nataon'ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ny Mandam-panoherana tao an-tanànan'i San Pedro Sula. Nolazain'i Juan Carlos Rivera moa fa nahatrata...
Philippines: Namaly taratasy nalefa tamin'ny alalan'ny facebook ny Filoha
Mpikirakira iray avy ao amin'ny Facebook no nandefa taratasy misokatra ho an'ny Filohann'i Filipina nilazàny ny tsy fankasitrahany ny roa volana niasàn'ny governemanta. Lasa nalaza be teo anivon'ny tranonkala ilay taratasy; ary na ny filoha aza dia namaly tamin'ny alalan'ny kaonty facebook-ny.
Namibia: Ny anjara asan'ny haino aman-jery vaovao tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2009
Tamin'ny 27 - 28 Novambra 2009 no nanaovana ireo fifidianana ny filoham-pirenen' i Namibia sy ny fifidianana ny antenimieram-pirenena. Nampiasa fitaovana haino aman-jery sosialy maro ireo antoko politika sy fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ho fampielezan-kevitra, fanaraha-maso ary fitaterana ireo vaovao momba ny Fifidianana.