Tamin'ny Novambra 2023, nifoha tamin'ny torimasony ny Ghaneana manoloana ireo takelaby mistery mampiseho sarina lehilahy misaron-tava miaraka amin'ny tenifototra #TheNewForce, ka niteraka tombatombana mikasika ny mety hisian'ny faniriana ny ho filoham-pirenena mialoha an’ireo fifidianana ankapobeny amin'ny taona 2024. Nahazo laka teny amin'ny tambajotra sosialy ireo takelaby mahagaga mampiseho ilay endrika misaron-tava, izay nampitombo ny fahalianana sy ny adihevitra teny anivon'ireo Ghaneana, indrindra fa ireo tanora. Sosokevitr'ity fironana ity ny amin'ny fanirian'ny tanora hanana hery fahatelo ao anatin'ny tontolo politika.
Voarakitra ao anaty lalàm-porenan'i Ghana amin'ny Lalàna 574 mifehy ny Antoko Politika, napetraka tamin'ny taona 2000, ny rafitra misy antoko maro. Kanefa nanjakan'ireo antoko roa lehibe ny tontolo politika, dia ny : Kongresy Nasionaly Demokratika sy ny Antoko Tia Tanindrazana Vaovao. Tena sarotra ho an'ny tsirairay ny hahatratra ny fahombiazana ara-pifidianana eo ambanin'ny fanevan'antoko hafa, araka izay nasongadina tamin’ity lahatsarin'ny YouTube avy amin'ny African Diaspora News ity.
Herinandro vitsivitsy taorian'ny fanelezana an'ireo takelaby ankamantatra ireo tao amin'ny tambajotra sosialy dia lahatsary iray no nipoitra izay nanambaran'ny New Force ny fikasany hilaza ny tetikadiny amin'ny fifidianana hoavy. Shalimar Abbiusi, natolotra ho mpitondra tenin'ny New Force no nisongadina tao anaty lahatsary. Tsy vitan'ny hoe nanazava ireo fanamby niainan'ny Ghaneana teo ambanin'ny fitantanan'i Nana Akufo-Addo ihany akory ilay rakitsary, fa mampiasa ihany koa ireo fihetsiketsehana vao haingana ho fomba iray hanoherana ny tsy fahombiazan'ny mpitondra amin'ny fikarakaràna ny fitarainan'ny vahoaka.
To the Public … To the Citizens of our nation … Honesty is always the best policy. #TheNewForce pic.twitter.com/HPz4jRfW8L
— TheNewForce (@thenewforcegh) November 24, 2023
Ho an'ny daholobe… Ho an'ny Olom-pirenen'ny firenentsika… Ny fahamarinana no politika tsara indrindra. #TheNewForce pic.twitter.com/HPz4jRfW8L
— TheNewForce (@thenewforcegh) 24 Novambra 2023
Iray volana teo ho eo taty aoriana dia voasambotra i Shalimar Abbiusi ary nampangaina ho nampiasa antontan-taratasy hosoka mba hahazoana alàlana hipetraka tany Ghana. Araka ny lahatsoratr'i Myjoyonline, dia nigadra nandritra ny efatra andro i Abbiusi izay nanadihadiana azy tsy ankiato mikasika ny New Force, ireo mpanohana azy, ary ny mety ho faniriany ho ny filoham-panjakana. Na dia nesorina tsy nampoizina aza ireo vesatra fiampangana dia nosamboran'ireo mpiasan'ny fifindràmonina avy hatrany indray izy ary noroahana tamin'ny 19 Desambra 2023.
Ho setrin'izay, namoaka fanambaràna iray an-gazety ny New Force nilazany ireo ahiahiny mikasika ny fanamparam-pahefana ataon'ny governemanta, ny fanenjehana ireo mpanohitra ara-politika ary ireo fanitsakitsahana zon'olombelona nandritra ny ny dingana ara-pitsarana natao an'i Abbiusi. Nandritra izany fotoana izany, nanamafy ny mpisolovava azy fa hitohy ny ady ara-pitsarana na dia eo aza ny fampodiana azy.
Tamin'ny Janoary, ny Orina New Africa, fikambanana ao andamosin'ny New Force, dia nikarakara hetsika iray atao hoe “The Convention,” izay niteraka honohono hoe hampahafantarina amin'io fivoriana io ny mpitarika ilay hetsika. Ny hetsika, voatondro hotanterahina ny 7 Janoary teo amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena ao Accra, dia nireharehan'ireo olo-manan-kaja marobe, izay anisan'izany ny kandidà taloha ho filoham-pirenena Nizeriana Peter Obi, ny filohan'ny Economic Freedom Fighters any Afrika Atsimo Julius Malema, ny tale taloha tao amin'ny Sekolin'ny Lalàna P.L.O Lumumba ao Kenya sy ny solontena maharitry teo aloha tao amin’ny Vondrona Afrikana Arikana Chihombori-Quao any Etazonia. Tokony hiaka-tsehatra tamin'izany ireo mpahay mozika malaza, anisan'izany Efya, Stonebwoy, sy Wiyaala
Tamin'ny andron'ny hetsika anefa dia voatery nanafoana izany ireo mpikarakara. Nandritra ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety taorian‘izay dia notsiahivina fa nitsabaka tamin'ilay “Convention” ny governemanta. Nandritra an'ity lahateny ho an'ny mpanao gazety ity i Nana Kwame Badiako (fantatra amin'ny anarana malaza hoe “Freedom Jacob Caesar” na “Cheddar”), no nanambara ny tenany ho mpitarika ny hetsika New Force.
Taorian'ny fanajanonana tampoka ilay hetsika “Convention”, Ghaneana marobe, indrindra fa ireo izay nanokana ny fotoanany hanatrehana ny lanonana fanokafana no niditra tao amin'ny tambajotra sosialy mba haneho ny tsy hafaliany.
Maro no nitsikera ny governemanta, nilaza ny fampiasana ny fitaovam-panjakana mba hanakanana sy hampitahorana ny vahoaka. Nanoratra ny mpandray anjara iray tezitra :
Hetsika fanaovana didy jadona izao. Amin'ny Andron'ny Lalàm-panorenana, ny 7 Janoary 2024, no manindry antsika ny governemanta, manakana antsika tsy hisitraka ny fahafahantsika maneho hevitra sy ny fahalalahana hanorina fikambanana.
Tsy io tranga io no vao voalohany niatrehan'ny governemanta Ghaneana fiampangana famoretana sy fanitsakitsahana zon'olombelona. Tamin'ny Septambra 2023, hetsi-panoherana iray tao Accra no niafara tamina fisamborana sy fiampangana marobe noho ny herisetra nataon'ny tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana. Fanehoankevitra niiba no azon’ny governemanta noho ny fampiasan-kery hamoretana ireo hetsi-panoherana sivily.
Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, dia nanambara ny Orina New Africa fa nahazo alàlana avy tamin'ny governemanta izy ireo mba hampiantrano ilay hetsika. Na izany aza, tahaka izay nasongadin'ny lahatsary YouTube an'i Kwadwo Sheldon sy Headless YouTuber, dia niely ny tsaho nilaza fa ireo mpikarakara no nampahafantatra ilay hetsika ho tahaka ny fialamboly. Ny andron'ny hetsika anefa, dia voalaza fa naharay fampahalalam-baovao ny tompon'andraikitra amin'ny fiarovam-pirenena milaza fa mety hisy fanambarana ara-politika feno fahasahiana mandritra ny fampahafantarana ilay endrika nisaron-tava. Ny fampiasana ny Kianjan'ny Fahaleovantena, toerana nasionaly ara-tantara tsy natokana ho amin'izany, dia nitarika ahiahy, ka nahatonga ny governemanta nanatsahatra ilay hetsika.
Na izany aza, Dr. Nadia Adongo Fynn, tale lefitry ny Diaspora Affairs Directorate ao amin'ny Kabinetran'ny Filoham-pirenena dia nanazava tao anaty fanambarana iray an-gazety fa ny fanafoanana dia vokatry ny hetsi-panjakana “tsy nampoizina” voalahatra ho amin'io toerana io ihany. Tao anaty tafatafa iray niarahana tamin'ny Citi TV manana ny foibeny ao Accra, notoherin'i Nana Kwame Badiako ny fanamarinana ny filazàna hoe hetsika ara-politika no ho ataony tao amin'ny “The Convention,” ary nanantitrantitra izy fa ilay hetsika dia mikendry ny hitondra fiantraikany miabo eny amin'ny olona.
Raha mijery ny famoretana vao haingana nataon'ny governemanta nanoherana ny hetsika iray vao mipongatra avy amin'ny mpanohitra, dia mipetraka ny fanontaniana manan-danja iray hoe : afaka mifaninana sy miroborobo araka ny tokony ho izy, tahaka izay iantohan'ny lalàna ve ny antoko politika iray hafa, irian'ny Ghaneana marobe ?