Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jona, 2013

30 Jona 2013

Mandroso Ny Fahalalahan'ny Fanaovan-gazety Rosiana ny Lakozian'ny Kremlin

Akon'ny RuNet

Novaya Gazeta, iray amin'ireo gazety mpanohitra antitra indrindra ao Rosia, dia nampiditra ny tompon'ilay trano fisakafoanana tena ankafizin'i Vladimir Putin, tanatina raharaha hafahafa mba handisoana ireo sehom-baovao maro mavesa-danja indrindra any amin'ny firenena. Araka ny nolazain'i Novaya, ny "Concord" an'i Prigozhin, orinasa mpikarakara sakafo mifandraika amin'ny Kremlin [ru] dia tafiditra...

Herisetra Be Tamin'ireo Mpifakatia Mitovy Fananahana Sy Ireo Mpanohana Any Rosia

Akon'ny RuNet

Ny fotoana laninao nanohanana ireo zon'ny LGBT, dia hitondra anao haka aina eny amin'ny toby fitsaboana.

Raha Nipoahana Baomba i Kabul, Nanangana Birao Kosa Ny Taliban Tao Doha

Nampisahotaka ny Faritra Andrefan'ny tanànan'i Kabul, Afganistana ilay fipoahana baomba ny 18 Jona teo, izay nahafatesàna olona telo farafahakeliny ary naharatràna olona mihoatran'ny roampolo. Izany dia nitranga taorian'ilay fikaonan-doha iraisam-pirenena (ISAF) izay nanaovan'ny miaramila famindram-pahefàna ofisialy tamin'ireo Hery fiarovana avy any amin'ny distrika Atsinanana sy Avaratra ambiny amin'ireo Hery fiarovana...

Maty Tao Anatin'Ilay Lozam-piarakodia ‘Mampiahiahy’ Ny Mpikambana iray Ao Amin'ny Parlemanta Any Zimbaboe

Maty tao anatin'ilay lozam-piarakodia, izay nantsoin'ny maro fa tranga iray mampiahiahy, ny mpikambana iray mpanao tsikera ao amin'ny Parlemanta avy ao Zimbaboe, izay nanao fanadihadiana ny fifandraisana misy eo amin'n antokom-pitondràna sy ny Orinasa mpitrandraka diamondra any amin'ny firenena.

Loka Eropeana Ho An'ny Fanampiana Ireo Voakasiky Ny Krizin'ny Fanaovana Antoka any Espaina

Namoaka ny anaran'ireo mpandresy tamin'ilay fifaninanana Olom-pirenena Eoropeana tamin'ity taona ity ny Parlemanta Eropeana. Nomena ilay Sehatra ho an'ny Voakasiky ny Fanaovana Antoka (PAH amin'ny teny espaniola) ny iray tamin'izany, fikambanana iray any an-toerana natao hanamaivana ny fijalian'ireo olona any Espaina izay voakasik'ilay krizin'ny fampindramam-bola "subprime" sy ireo voaroaka niala...

Ravan'ny Safodrano Sy Ny Fihotsahan'ny Tany Ny Faritra Avaratr'I India

Namono olona maherin'ny 500 sy nampihitsoka olona eo ho eo amin'ny 70.000 zara raha manana vatsy sy fitaovam-pialofana noho ny fahasimbana na fahatapahan'ny làlana ilay safodrano sy fihotsahan'ny tany tany avaratr'i India.

Kandidà Ho Filoham-pirenena Iraniana Mampiasa Ny Media Sosialy Ho Fiadiana

Mifaninana amin'ny fampiasàna ny media sosialy ireo Iraniana mpifaninana ho filoham-pirenena, toy ny Facebook sy Twitter na dia voasivana aza ireo tranonkala ireo ary amin'ny ankapobeny dia tsy afaka idiran'ireo mpisera anaty aterineto loatra.

29 Jona 2013

Aostralia: Saritaka Ara-Piarovana Noho ny Fitadiavan-tSesintany Nataona Ejipsiana VoahelokaIray

Nampirehidrehitra ny fifampitolomana politika ao anatin'ny fifidianana mananontanona amin'ny 14 septambra 2013 ho avy io ny fiampangana mpialokaloka Ejipsiana iray ho ‘mpampihorohoro jihadista’. Efa ho herintaona izao no nitazonana an'i Sayed Abdellatif ao amin'ny toerana mialoha ny idirana sisintany iray na dia eo aza ny fanairana mena nataon'ny Interpol tamin'ny...

28 Jona 2013

Pavel Durov, Tsy Hiditra Am-Ponja Ny Mpamorona Ny Tambajotra Sosialy #1 Any Rosia (Hatreto Aloha)

Akon'ny RuNet

Toa tahàka ny afaka miverina any Rosia tsy misy didy famonjàna mandindondindona azy i Pavel Durov. Tahàka ny marina aloha izany hatramin'izao, raha nanakatona ny fanadihadina [ru] ireo mpitsongodia ao St. Petersburg mikasika ny filazàna ho nahatafidiran'i Durov tamin'ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny 5 Aprily izay nanery ilay "Zuckerberg-n'i Rosia" handositra ny...

27 Jona 2013

Nolanian'i Ekoatora Ilay Lalàna Mahabe Resaka Mifehy Ny Serasera

Taorian'ny adihevitra ela efa ho efa-taona izay, dia neken'ny Antenimieram-pirenena tao Akoatora ihany, tamin'ny isam-bato 108 mankasitraka ary 26 mitsipaka, ilay lalàna mahabe resaka hifehy ny serasera, natolotry ny Filoha Rafael Correa, Raha toa ny tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta ka mankalaza [es] ny fahalanian'ilay lalàna, ireo fikambanan'ny mpanao gazety sy...