· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Mey, 2019

Polonina: Nanomboka nibilaogy ny Praiminisitra teo aloha Jarosław Kaczyński 

Ny 18 Febroary, nanokatra bilaogy i Jarosław Kaczyński, mpitarika ny antoko nasionaly mpandala ny mahazatra ho an'ny Lalàna sy ny Rariny, niteraka fanehoan-kevitra maherin'ny 1.650 ny lahatsorany voalohany tao anatin'ny roa andro monja. Indreto misy ohatra sasantsasany izay mampiseho ny habetsahan'ny fihetseham-po manodidina ity bilaogera vaovao ity.

29 Mey 2019

Mety hampidi-doza ireo mpitati-baovao ny didim-panjakan'i Bolsonaro manome fahafahana hitazona basy, hoy ny fikambanan'ny mpanao gazety

Fotoana fohy talohan'ny nanolorany ny filatsahany ho fidiana filoham-pirenena, nanao basy tamin'ny rantsantanany ny fihetsik'i Jair Bolsonaro. Iray tamin'ireo fampanantenany lehibe ny fanalàna ny lalàna henjana momba ny fifehezana ny basy ao Brezila, Nanasonia didim-panjakana hanamora ny fananan'ny sivily basy izy.

26 Mey 2019