Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2012
Filipina: Maniry Ny Hisian'ny Lalàna Ho Fitantanana Ny Bilaogy Ny Filohan'ny Loholona
Nilaza fa tsy mahalala na inona na inona momba ny bilaogy na ny fampiasana bilaogy ny Filohan'ny Loholona any Filipina Juan Ponce Enrile nefa nanome tolo-dalàna hamehezana ny bilaogy rehefa nitaraina ny namany iray tao amin'ny loholona fa niharan'ny fandrahonana tany amin'ny cyber. Maro no mihevitra izany ho famerana ny fahalalahan'ny aterineto ao amin'ny firenena.
Shina : Mampiahiahy ny fiverenan’ny Maoïsta Nandritra ny Fihetsiketsehana Manohitra ny Japoney
Mpanao fihetsiketsehana maoïsta no nibaha-toerana nandritra ny hetsika goavana manohitra ny japoney izay nitranga tao Shina tamin’ny 15 hatramin’ny 18 septembra 2012, nisy ny filanjana ny saritavan’ny filoha Mao nandritra ny filaharambe...
Zambia: Nodimandry Ny Vadin'ny Filoham-pirenena Teo Aloha
Alahelo lehibe no tazana manerana ny tambajotra sosialy tamin’ny Alarobia 19 Septambra 2012, taorian’ny vaovao momba ny fahafatesan’ ilay ramatoa vadin’ny filoham-pirenena Zambiana teo aloha, Betty Kaunda. Vadin’ny filoha voalohany tao...
Kazakhstan: Tsy Ankasitrahana Ny ‘Fitsabahan’ny’ Tandrefana Any Amin'ny Raharaham-pitsarana
Tamin’ny volana Desambra 2011 lasa teo, nanafintohina an’ilay firenena zatra filaminana teo aloha izay tsy iza fa i Kazakhtan, ny fiafaran’ny grevin’ny mpiasan’ny solitany izay naharitra 7 volana, nisiana fahafatesan'olona...
Nakaton'Iran Ny Fidirana Amin'ny Google sy Gmail
Fahavalon'ny fahalalaham-pitenenana ny fitondrana Iraniana nandritra ny taompolo maro, saingy tamin'ny Alahady 23 Septambra 2012 lasa teo, vao maika talanjona ny maro raha nanambara ny fitondrana fa hanomboka hanivana ny...
Nanao Ahoana Ny Valin'ny Fifaninanan-Kira Uganda@50 ?
Nahazo ny fahaleovantenany i Ogandà tamin'ny 9 Oktobra 1962, ka feno 50 taona izany amin'ity taona ity. Maro ny fandaharan'asa tanterahina amin'izany manerana ny firenena ka tafiditra ihany koa ny hira. Saingy misy ny fifanipaha-kevitra momba ny hira navoaka...
Sodàna: Noràrana ny YouTube Taorian'Ny Fandoroana Ny Ambasady Alemana
Nanafika ny Ambasady Alemana sy Amerikana tao Khartoum ireo mpanao fihetsiketsehana voton-katezerana Sodàney tamin’ny Zoma 14 Septambra 2012 lasa teo, hetsi-panoherana ilay horonantsary novokarina tao Etazonia, izay manevateva ny Mpaminany Mohammad....
Espaina : Tsy Maintsy Mandoa Ny Hetrany Ve Ny Eglizy?
Zamora, tamin'ny volana mey teo no tanàndehibe espaniola voalohany nitaky hetran-trano tamin'ny eglizy katolika (IBI). Avy amin'io fanapahan-kevitra io no iezahan'ny tanàna mameno ny tsy fahampiam-bola mahazo ny fiadidiana ny tanàna any Espaina. Mivoaka amin'ny tambajotran-tserasera amin'izay ny vaovao sy ny fanehoan-kevitra isan-karazany.
Okraina: “Ireo Lavenon'ny Fahalalahana Miteny”
Olona an-jatony vitsivitsy no nifamory [uk] tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena tao Kyiv ny 16 Sept. teo mba hanme voninahitra ny fahatsiarovana an'i Georgiy Gongadze, Okrainiana iray mpanao gazety izay nanjavona tamin'io andro io, 12 taona lasa izay, ary ireo mpanao gazety maro hafa maherin'ny 60 namoy ny ainy nandritra ny taona maro nahazoan'i Okraina ny fahaleovantenany tamin'ny 1991
Bolivia: Mitaky Fanadihadiana Momba Ny Famoretana Natao Tamin'ireo Indizeny Ny Minisitra Teo Aloha
Namoaka lahatsoratra tao amin'ny kaonty Facebook-ny [es] ny Minisitry ny Fiarovana Boliviana teo aloha, María Cecilia Chacón, izay navoakan'ny fampahalalam-baovao mahazatra avy eo, nanapaka ny fahanginanany izy tao anatin'izay herintaona nialàny izay.