· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Febroary, 2018

Samy Manao Diabe Ao Sofia na ny Mpanome Voninahitra Ny Jeneraly Pro-Nazi, na ny Mpitsipaka ny Fasisma

  28 Febroary 2018

Andro feno fandaharam-potoana ny 17 Febroary tao Sofia renivohitra Boligara, izay nanaovan'ny mpanohana ny farany havanana diabe ho fanamarihana ny faha-75 taona namonoana ilay minisitry ny fiarovana Boligara Prô-Nazi, Hristo Lukov, ary namaly vao maraina kosa ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra izany ka nanameloka ny nasionalisma sy ny fankahalana vahiny.

Japana: Mahazo Fanohanana Avy Amin'ny Tanàna Japoney i Obama

  28 Febroary 2018

Mitombo ny fientanam-po anatinà tanànan'ny mpanjono matoritory ao amorontsirak'i Japana. Nahazo jery tsy mahazatra ny tanànan'i Obama, izay midika hoe "morontsiraka kely" amin'ny teny Japoney, noho ny fifanojoan'ny anarany amin'ny anaranà mpifaninana iray ho filoham-pirenena Amerikana.

Serbia: “Fasisma Miafina”

  28 Febroary 2018

Aingam-panahy avy tamin'ny lovan'ny mpikatroka Afrikanina Amerikanina Audrey Lorde, nanameloka ny mpiray tanindrazana aminy, bilaogera Serba, amin'ny fahanginana momba ny heloka bevava miseho ao amin'ny tokotanin'izy ireo ihany. Nandika sombiny izay avy amin'io lahatsoratra mahaliana io i Sinisa Boljanovic

India: Eo Anelanelan'i Tibet Sy Shina

  27 Febroary 2018

Nandritra ny andro vitsivitsy lasa izay, nifantoka tamin'ny fandaminana ny fitroaran'i Tibet sy ny Governemanta Shinoa ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena, saingy ao India, nahitana adihevitra maromaro mikasika ireo hetsik'i Shina ao Tibet sy ny andraikitr'i Tibet ao anatin'ireo fifandraisana misy eo amin'i India sy Shina....Tsy azoko mihitsy ny mbola tokony hanaovantsika 'tango' miaraka amin'i Shina. Manahy ve isika satria tsy afaka milalao an'ireo kilalao feno poizina mora vidy ireo zanatsika? Tsy ho gaga aho raha toa ny governemanta hamàny ampataloha

Japana: Niverina Ny Hetran'ny Solika

  27 Febroary 2018

Tafaverina indray ilay hetra "vonjimaikan'ny" solika any Japana, 25 yen isaky ny litatry ny solika, nohalavaina nandritra ny 30 taona ary namatsiana fandaharan'asa fanamboarana làlana 5000 eo ho eo, taorian'ny ady nifanaovana tamin'ny mpanohitra, ary tsy nankasitraka izany ny olona. Tantaran'ny zavatra niainany tamin'ny fanandramana hameno ny fitoeran-tsolikany teny amin'ny toby fitsinjaràna solika tamin'ny andro farany nialoha ny fiakaran'ny vidin'ny solika ny voalohan'ny volana May.

Sri Lanka: Notre-Dame an'i Madhu sy Ilay Eveka

  26 Febroary 2018

Raha ny filazana matetika momba ny fitanilàn'ny Eveka ao Mannar sy ireo pretra diosezianina manoloana ireo tigra, dia tsapa ny tsy firaharahiana ny toe-javatra misy....Bodista mpivavaka be ny filoha Mahinda Rajapaksa, saingy katolika mpivavaka be ihany koa i Shiranthi Rajapaksa vadiny.