Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Oktobra, 2014
Ndeha Mba Hitety An-tsary Ny ‘Kianjan'ny Elo’ an'ireo Mpomba Ny Demaokrasia Ao Hong Kong
Tranolay maherin'ny 1.600 no nijoro tao amin'ny foiben-toeran'ny hetsika Occupy Central, toerana nilasian'ireo mpanao hetsi-panoherana nitakiany amin'ireo manampahefana ao Hong Kong sy Beijing mba hisian'ny fifidianana mangarahara sy malalaka
Manome Tsirim-Panantenana Ireo Mpikatroka Mpanohana ny Demaokrasia Indray Ny Fiarahaba ‘Hunger Games’
Ny fiarahabana fanangana-tanana amin'ny rantsa-tanana telo nandritra ny fandoroana ny fatin'olom-panjakana teo aloha iray indray no nataon'ny mpikatroka ho fiampangana ny ny fanonganam-panjakana sy ny fahaverezan'ny demaokrasia ao Thailandy.
Fisantaran'Andraikitra An-tserasera 3 Handrisihana ny Mpifidy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana 2014 Ao Tonizia
Nandatsa-bato ny Toniziana tamin'ny Alahady mba hifidy solombavambahoaka. Afaka mandinika tsara izay hofidiany ny olom-pirenena ao amin'ny aterineto ary mijery izany mpanao politika milaza ny marina na azo itokisana.
Tsy Nampitony Ireo Haisiana ny Fahafatesan'i “Baby Doc”
Tsy nizaka ny heloka vitany fahavelona avokoa ireo mpanao didijadona Jean-Claude sy Francois Duvalier; mbola tandroka mamely ny Haitiana maro ihany ny tsy nampiharana ny rariny (fitsarana).
Manohana An'i Okraina Ireo Rosiana Lehiben'ny Mpanohitra, Fa Tsy Hiverina Kosa Anefa i Krimea
Manana hafatra ho an'i Okraina ireo lehiben'ny mpanohitra, Alexey Navalny sy i Mikhail Khodorkovsky : Lasa iny i Krimea, ary tsy hahatafaverina azy intsony i Okraina.
Lasa Sary Fihomehezan'ny Pro-Demaokrasia ao Hong Kong Ny Filoha Shinoa Xi Jinping sy ny Elony Vony
Nisy sary fanaovana propagandy ny mpitondra shinoa tanibe nandritra ny fitsidihana ofisialy natao tao amin'ny faritanin'i Hubei no nisy nanao photoshop mametraka azy ho any amin'ireo toerana fanaovana fihetsiketsehana ao Hong Kong.
Miaraka Amin ‘Atoa Sy Ramatoakely “People” Ao Hong Kong, Fantaro Iza no Iza Ao Anatin'ny Revolisionan'ny Elo
Aingam-panahy avy amin'ilay sariitatra Anglisy "Mr Men and Little Miss," no namoronan'i sariitatra maneho ireo mpanao hetsi-panoherana mpomba ny demaokrasia sy ireo mpomba an'i Beijing hita teny amin'ny hetsika "Occupy Central".
Kashmir Niatrika ‘Herisetra Ratsy Indrindra Tao Anatin'ny Folo Taona” Teo Amin'ny Indiana sy Ny Pakistaney
Nantsoina ho "ratsy indrindra tao anatin'ny taom-polo" ny fitroarana farany tao amin'ny LOC, ary maro ny matahotra fa mety hanimba ny fampitsaharana ady 2003 manontolo izany.
Niala Tsiny Ny Praiminisitr'i Tailandy Raha Nilaza Ny Fanaovana Bikinis Ho Mampiakatra Ny Tahan'ny Famonoana Mpizaha Tany
Noterena hanao teny fialantsiny ny Praiminisitr'i Tailandy nohon'ny hadalàna nataony izay maneho fanambaniana olona taorian'ny famonoana teratany Britanika 2 mpizaha tany.
Nahoana No Mety Hampidi-kizo Anao Ny Resaka Pizza Ao Thailandy
Nanjary teny ankamantatra entina ilazàna ny Andinin-dalàna laharana-112 momba ny heloka bevava (fanevatevana mpanjaka) ny laharana fiantsoana ny Orinasan'ny Pizza 1112