Burundi-Rwanda: miverina indray ny fihenjanana eo amin'ny roa tonta

Sisintany Burundi-Rwanda, Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Tv5monde

Miharatsy indray ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amin’i Burundi sy Rwanda, herintaona taorian’ny fanokafana indray ny sisintany eo amin’ireo firenena roa ao Afrika Atsinanana.

Tamin'ny Mey 2015, niatrika fikasana fanonganam-panjakana notarihan'ny Jeneraly Godefroid Niyombare itompokolahy Pierre Nkurunziza, filohan'i Burundi (2005-2020). Nanakianan'ilay Jeneraly azy ny filatsahan-kofidiana fanintelony izay tsy manaja ny lalàmpanorenana, kanefa nekeny ihany tamin'ny farany ny tsy fahombiazan’ity fanonganam-panjakana ity. Mandritra izany fotoana izany, nampangain‘i Burundi ho manohana ireo mpanongam-panjakana i Rwanda, fa notsipahan‘i Kigali, renivohitr'i Rwanda izany. Izay no nanamarika ny fiandohan'ny krizy teo amin'ny firenena roa tonta nahatonga fanakatonana sisintany mirefy 360 km.

Fito taona taorian'ity krizy ity, tamin'ny Oktobra 2022, dia nanokatra ny sisin-taniny tamin'ny firenen'i Paul Kagamé, filohan'i Rwanda nanomboka tamin'ny taona 2000 indray  i Burundi. Ny nahavoafidy an'i Evariste Ndayishimiye ho filohan'i Burundi noho izany no nahafahana namadika ny toe-draharaha.

Nihatsara tampoka ny fifandraisana: Nandeha tany Bujumbura i Édouard Ngirente, Praiminisitr'i Rwanda, tamin'ny 1 Jolay 2021 nandritra ny fankalazana ny faha-59 taonan'ny fahaleovantenan'i Burundi. Nitsidika an'i Burundi ihany koa i Kagame nandritra ny vovonan'ny vondrom-piarahamonina Afrikana Atsinanana tamin'ny 4 Febroary 2023.

Fanakatonana sisintany indray

Saingy tsy maharitra afa-tsy herintaona monja ny volan-tantely eo amin'ny firenena roa tonta: ny 11 Janoary 2024, nanidy ny sisintaniny tamin'i Rwanda mandritra ny fotoana tsy voafetra indray i Burundi.

Nolazain'ny manampahefana ao Burundi indray ny fanohanan'ny governemantan'i Rwanda ny vondrona mitam-piadiana Fifaharana ho amin'ny Fanjakana Tan-dalàna ao Burundi (Red-Tabara) tamin'ny fanafihana teo akaikin'ny sisintany ifanolorana amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo (DRC) tamin'ny 22 Desambra 2023. Nomelohin‘ny Vondrona Afrikanina ny fanafihana, izay nahafatesana olona 20, anisan'izany ny vehivavy sy ny ankizy.

Teraka nandritra ny krizy tamin'ny fifidianan'ny taona 2015 ity vondrona mitam-piadiana ity mba hanehoana ny fanoheran'ny ampahany amin'ny vahoaka ny fahefan'i Nkurunziza.

Nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny gazety LeMonde momba ny anton'io fanakatonana sisintany vaovao io no nilazan'i Martin Niteretse, Minisitry ny Atitany Burundi hoe:

Nous avons fermé nos frontières avec le Rwanda, celui qui va tenter d’y aller ne passera pas. La décision a été prise. Après avoir constaté que nous avions un mauvais voisin, Paul Kagame (…), nous avons arrêté toute relation avec lui jusqu’à ce qu’il revienne à de meilleurs sentiments. Le voisin rwandais héberge les criminels qui nuisent aux Burundais. Les ressortissants rwandais, nous n’en voulons pas.

Nohidinay ny sisintaninay mifanolotra amin'i Rwanda, tsy ho afaka eo izay rehetra manandrana mankany. Efa tapaka ny hevitra. Rehefa fantatray fa mpiara-belona ratsy fanahy i Paul Kagame (…), dia najanonay ny fifandraisana rehetra taminy mandra-piveriny ho tsara kokoa. Mampiatrano jiolahy manimba ireo Borondey i Rwanda mpifanolo-bodirindrina. Tsy mila teratany Rwandey izahay.

Etsy ankilany, ampangain‘i Kigali koa ho manohana ireo Rwandey mpikomy ao amin'ny taniny koa i Burundi.

Araka ny filazan'ny mpanara-maso maro, azo hazavaina amin'ny anjara andraikiny amin'ny fifandonana ao amin'ny tanin'ny firenena iray fahatelo ny fifanolanana eo amin'ny firenena roa tonta, dia eo amin'ny mpikomin'ny M23 amin'ny Tafika ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo (FARDC) izany. Eny tokoa, tamin'ny 5 martsa 2023, nandefa ny miaramilany tany RDC i Burundi mba hanampy amin'ny ady amin'ny mpikomy M23, izay tohanan'i Rwanda, araka ny Firenena Mikambana.

Vakio: Iza ireo mpioko ao anatin'ny “Mouvement du 23 Mars” ao RDC atsinanana?[mg]

Ny fiantraikan'io fanakatonana sisintany io amin'ny faritra

Fepetra diplaomatika no noraisin'i Burundi hanidy sisintany, saingy mihoatra lavitra noho izany ny fiantraikany. Misy teratany Rwandey ao amin'ny faritaniny izay noroahin‘ny manampahefana Burundey ho any Rwanda. Na izany aza, mandà tsy hanome tarehimarika momba ny isan'ny fandroahana ny governemantan'i Burundi.

Ho setrin'izany, manoro hevitra ny olom-pireneny ny governemanta ao Kigali mba tsy handeha ho any Burundi fa manome toky hiaro ireo teratanin'i Burundi monina any Rwanda kosa. Manondro i Alain Mukularinda, mpitondrateny lefitry ny governemantan'i Rwanda, voatonona tao amin'ny lahatsoratry ny SOS Media Burundi hoe:

En ce qui concerne les Burundais qui sont ici au Rwanda… Continuez à vaquer à vos activités quotidiennes, ne soyez nullement inquiétés, rien ne vous arrivera suite à la décision des autorités burundaises de fermer les frontières avec le Rwanda.

Ho an'ny Burundey eto Rwanda… Tohizo ny asanareo andavanandro, aza manahy fa tsy hisy na inona na inona hitranga aminareo aorian'ny fanapahan-kevitry ny manampahefana ao Burundi hanidy ny sisintaniny amin'i Rwanda.

Ankoatra ireo fanapahan-kevitra sy fanambarana ofisialy ireo, dia ny asa ara-toekarenan'ireo mpivarotra avy amin'ny firenena roa tonta no voadona, araka ny nambaran'ny mpivarotra Burundey iray notononin'ny gazetiboky Burundey Jimbere :

On venait de passer plus d’une année à se réjouir d’une reprise des échanges commerciaux entre nos deux pays, mais voilà tout d’un coup, le mauvais épisode recommence. (…) malheureusement, je ne parviens pas maintenant à vendre ne fut ce que la moitié de mes marchandises.

Vao avy nandany herintaona mahery izahay nisitraka ny fiverenan'ny varotra eo amin'ny firenentsika, fa tampoka teo, nanomboka indray ilay tantara ratsy. (…) indrisy fa tsy mahalafo na dia ny antsasaky ny entako aza aho izao.

Manao ny famakafakany manokana amin'ny kaonty X-ny ny media Yaga Burundi :

Eo amin’ny lafiny toekarena, hanavesatra ny varotra miampita sisintany sy ny sehatry ny fitaterana izany fanakatonana izany.

Voafatotra ankehitriny ny tanan'ireo mpivarotra Rwandey, nila ny sisintany #Ruhwa hanangona voankazo ao antsenan'i #Rugombo ao @CibitokeProv… pic.twitter.com/aJpqHCdqVO

Noho izany dia ny sehatra ara-toekarena manontolo ao amin'ny firenena roa tonta, indrindra fa any Burundi, tarihin'ireo mpisehatra amin'ny toekarena tsy ara-dalàna sy ireo mpivarotra madinika miampita sisintany, no voa mafy amin'ity fanakatonana sisintany ity.

Ho an'i André Nikwigize, Burundey mpahay toekarena, mpanolotsaina ara-toekarena voalohany teo aloha misahana ny fandaharan'asa ho an'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana ao New York; sady mpanorina ny ONG Partners for Peace and Prosperity, fepetra ara-politika misy vokany ara-toekarena tsy tambo isaina ity fanakatonana ity. Ao amin'ny compte X (Twitter taloha), nanoratra izy hoe:

#Burundi. Ho lehibe ny fatiantoka ara-toekarena amin'ny fanakatonana ny sisintany ifanolorana amin'i Rwanda. Teo anelanelan'ny taona 2018 sy 2020, very 5,1 tapitrisa dolara amerikana tamin'ny varotra nifanaovana tamin'i Rwanda i Burundi. Efa nandinika ny fiantraikan'ny fanakanana vaovao ve ny manampahefana Burundi?

Ny fanontaniany dia hoe tsy misy fomba hafa ve, tsy dia mandidy, hamahana ny olana ara-politika misy eo amin'ny firenena roa tonta.

Fanampin'izany, maro ny Burundey no miampita tsy tapaka ny sisintany mba hitady fitsaboana any Rwanda.

Saingy tsy araka izany, miantraika ankolaka any RDC koa ity krizy vaovao eo amin'i Rwanda sy Burundi ity. Eny tokoa, tsy azo andehanana ny lalana an-tanety mivantana eo anelanelan'i RDC sy Burundi, noho izany mivily mamakivaky an'i Rwanda ireo Kongoley sy Burundey mpivarotra sy mpanao dia lavitra alohan'ny hahatongavana any amin'ny toerana halehany. Manakana ireo fivezivezena ireo ny zava-misy ankehitriny, araka ny fanazavan'ity lahatsary an'ny Voice Of America ity:

Manavesatra ny fiaraha-miaina am-pilaminana ao amin'ity faritry ny kaontinanta ahitana mponina maherin'ny 27 tapitrisa ireo krizy ara-diplaomatika sy ara-pandriampahalemana miverimberina ireo ary ambonin'izany rehetra izany misy fiantraikany amin'ny mponina izay miankina betsaka amin'ny varotra miampita sisintany ny fiavotan-tena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.