Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2007

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Desambra, 2007

31 Desambra 2007

Americas: Tamberina nandritra ny taona

Plan Colombia and Beyond no manao tamberina mitsinjara isam-bolana tamin'ny zava-dehibe nitranga tao Kolombia sy Amerika Latina nanditra ny taona 2007. Eduardo Avila

29 Desambra 2007

Serbia : “Novokarina ho meloka”

Ny teny moa eto dia milaza ny fanamelohantena ananan'ny Serba. “Amin'ny alalan'ny fanariana io fanamelohantena io ihany sy amin'ny alalan'ny fahafantarana izay namolavola io fampanamelohan-tena io sy ny tanjona nokendreny no lalampiaingan'ny Serba ho amin'ny fahafahana.” hoy Gray Falcon nanoratra. Ireo vahoaka hafa ao Balkan manko mirehareha avokoa sady mampideradera ny...

Nampody ny masoivohony tany Senegal i Maraoka

Blog politique au Senegal no nanoratra [fr] mikasika ny fanapahan-kevitry ny Mpanjakan'i Maraoka hampody ny masoivohony avy any Senegal noho ny fifanolanana momba ny Sahara andrefana: “Nanaitra ny hambom-pony (ny mpanjaka) angamba ny fahasahiana minisitra sosialista teo aloha nanohitra ny hevitry ny Marokana momba ny hoavin'ny sahraouis.” Jennifer Brea

28 Desambra 2007

Porto Rico, trinite sy Tobago, Pakistana: Fodiamandrin'i Bhutto

“Namelona ny aingam-panahiko i Benazir Bhutto. Nahery vaika izy. Nahery fo ihany koa. Sady tsara tarehy no nahay nihaingo ary tsy natahotaho-poana”: Izany no ambangovangon-tenina mpamahambolongana teraka Porto Rikana Liza Sabater izay nametraka an'i Bhutto ho “sheroe”-ny na “tsangan'ny herimpom-behivavy” (mariho ny s alohan'ny heroe) fitarafany, fa i  Coffeewallah, mpamaham-bolongana avy ao Trinite,...

Fodiamandrin’i Benazir Bhutto ao Pakistana

Nisy namono tamin’ny faha-54 taonany androany maraina nandritra ny fivorian’antoko Rtoa Benazir Bhutto. Nefa dia nolazain’ny haino aman-jery (fantsom-pampitam-baovao) indrindra fa ao Rawalpindi no toerana tsara aro indrindra sy feno mpitandro filaminana indrindra. Ny zava-mahavariana faharoa araka ny fitantarana nataon’ny BBC dia teo amin’ny toerana nahafaty indrindra ny praiminisitra Pakistaney...

Pakistana: fihetseham-po noho ny fahafatesan’i Bhutto

Nanaitra ny mpamaham-bolongana avy sy manoratra momba an’i Pakistana maro ny fahafatesan-dRtoa Benazir Bhutto. Raha azo lazaina ho mampiady hevitra ihany ny politikan’i Bhutto, dia teo amin’ny fotoana nanantenan’i Pakistana hiverenan’ny demokrasia banga nandritra ny taona maro indrindra no nitrangan’ny famoanoana azy ity. Lahatsora-pihantsiana avy amin’ny tsy finoana, na fanahiana...

27 Desambra 2007

Ezypta: Rama Yade

  Tsy amin'ny maha Rama Yade – sekreteram-panjakana frantsay misahana ny raharaham-bahiny sy ny zon'olombelona – azy ka amin'ny fijery politika no itondran'ny mpamaham-bolongana Ezyptiana Eastern Bird ity lahatsoratra manaraka ity (Ar). Raha ny marina dia lohahevitra hafa mihitsy no nanaitra ny aingam-panahiny ka nahatonga azy hanoratra io lahatsoratra eo ambany io. Toy...

21 Desambra 2007

Fifidianana Madagasikara : Fampitandremana ho an’ny fitondrana ?

(saripikan'i Harinjaka) Tamin’ny valim-pifidianana monisipaly notontosaina tamin’ny herinandro lasa teo ho an’Antananarivo, renivohitry Madagasikara, resin’ny kandida mahaleo tena Andry (Nirina) Rajoelina ny avy amin’ny antokon’ny filoham-pirenena Hery Rafalimanana, amin’izao fivadihan-javatra izao dia heverin’ny mpamaham-bolongana maro fa fampitandremana ho an’ny filoha ankehitriny io vokatra io. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny...

Tantara Sovietika : Ny hetsiky ny mpianatra Afrikana tamin'ny taona 1963

Ny blaogy De Rebus Antiquis Et Novis izay miblaogy momba ny vaovao sy tantara mikasika an'i Rosia, dia mampahatsiahy mikasika ny hetsika vitsy mpahalala izay nataon'ny mpianatra Afrikana tamin'ny taona 1963 teo amin'ny kianja Mena anivon'ny tanànan'i Maosko [Red Square | Place Rouge], mpianatra 500 no indray niray hina ho fanoherana ny...

20 Desambra 2007

Neo Zealand: Facebook sy ny politika

Nohazavain'i Kiwiblog ny iray amin'ny iditra Facebook iray antsoina hoe NZ Politics ho an'ny Neo Zealandey. “Fidianao izay antoko politika tohananao, dia jerena avokoa avy eo izay tohanan'ny namanao rehetra. Afaka misafidy ianao na aseho vahoaka na tsia ny safidinao.” Preetam Rai