Vitan'ny Filohan'i Indônezia, Jokowi, ve ny hijanona tsy hiandany raha hirotsaka ho filoha lefitra ny zanany lahy?

Jokowi

Ny filoha Joko Widodo nandritra ny Fihaonana Antampon'ireo Mpitarika Erantany momba ny Fampiasàna ny Ala sy ny Tany, natao ny 2 Novambra 2021 tao Glasgow, Ekôsy. Loharano : Wikipedia Commons / Biraom-pifandraisana amin'ny gazety sy ny fampitambavovaon'ny Sekreteran'ny Filoha. Sehatra ho an'ny daholobe

Ampangaina ny filoha indôneziàna, Joko “Jokowi” Widodo, ho miandàny amin'ny kandidà sasantsasany na eo aza ny fanolorantenany tany aloha hijanona ho tsy momba ny atsy na ny aroa mandritra ireo fifidianana ny ho filoham-pirenena sy solombavambahoaka voalahatra hatao ny 14 Febroary.

Voafidy tamin'ny 2014 dia mbola voafidy indray ny 2019, tsy ananan'i Jokowi ny zo hikatsaka fe-potoam-pitondrana fanintelony. Amin'ny maha-mpiasam-bahoaka vao niala azy sy maha-filoham-panjakana azy, tsy mahazo alàlana ihany koa izy hampiasa ny toerany sy ny fitaovam-panjakana hanomezana tombony kandidà iray manokana.

Saingy ireo mpanaramaso sy vondron'ny mpanohitra dia nahamarika fa Jokowi dia manosika ny firotsahan-kofidian'ilay minisitry ny fiarovana, Prabowo Subianto, izay Gibran Rakabuming Raka, zanany lahy no mpirotsaka ho fidiana ho filoha lefitrany.

Taorian'ireo adihevitra roa nataon'ireo kandidà ho filohampirenena tamin'ny Desambra sy Janoary, nangatahan'i Jokowi ny Vaomiera Ankapobeny misahana ny Fifidianana mba hanova ny endriky ny fandaharam-potoana, fanapahankevitra iray nikendrena ny hampitomboana ny vintan'i Prabowo izay tsy nahavita naneho zavabita nisongadina nandritra ny fifanatrehana nivantana tamin'ireo kandidà hafa. Mavitrika ihany koa i Jokowi nitsidika faritàny manolotra fanampiana ara-bola atao tolo-botsotra, izay mety hisy fiantraikany an-kolaka amin'ny fihitaran'ny fanohanana ny firotsahan-kofidian'i Prabowo sy Gibran amin'ny fifidianana.

Tsy vao voalohany izao ny tsy fiandanian'ny olom-panjakana iray no nametraham-panontaniana. Nisy vaomieram-pitsaràna iray nanetry voninahitra ny lehiben'ny mpitsara, Anwar Usman, zaodahin'i  Jokowi, noho ny nandraisany anjara tamina fitaràna iray nahabe resaka izay nampidinana ny fetran-taonan'ireo olom-pidiana ho 35 raha 40 teo aloha. Io didy io, navoaka andro vitsy monja talohan'ny firaketana ny firotsahan-kofidian'ireo kandidà no nahafahan'ny zanaka lahin'i Jokowi, 36 taona hirotsaka ho filoha lefitra. Nisy vaomiera etika iray, vokatr'izany, namoaka tsoakevitra hoe “voaporofo fa nanitsakitsaka ny fitsipi-pitondrantenan'ny mpitsara, indrindra fa ny fotokevitry ny tsy fiandaniana sy ny fahamendrehana i Anwar satria na izy tenany aza tsy nanala tena.”

Ny governora teo aloha tao Jakarta, Anies Baswedan, mpirotsaka ho filoha natolotry ny mpanohitra, dia nitanisa ilay didim-pitsarana nandritra ny adihevitra voalohany nataon'ireo mpirotsaka ho filoha, tamin'ny filazàna fa:

Marobe ireo fepetra novaina hifanaraka amin'ny tombontsoan'ireo eo amin'ny fitondràna. Misy iray zanaky arivo taona afaka ny ho filoha, fa misy marobe hafa zanaky ny arivo taona, Gen Z, izay miasa saina ho an'ny firenena saingy ahilika. Rehefa manakiana ny governemanta ry zareo ireny, dia miatrika herisetra, hatramin'ny entona mandatsa-dranomaso aza.

Ao  Indonezia, mila mahazo 50 isanjato raha kely indrindra amin'ny vatom-pifidianana ny kandidà iray ho filoham-pirenena vao azo ambara ho nandresy. Raha tsy azo ny maro an'isa, misy ny fiodinana faharoa voaomana hatao amin'ny Jona. Araka ny fitsapankevitra dia lohalaharana i Prabowo, saingy mbola latsaky fetran'ny 50 isanjato no azony. Io no mety ho antony iezahan'i Jokowi manao izay hahitàna azy bebe kokoa miaraka amin'i Prabowo.

Tao anaty matoandahatsoratra iray, ny The Jakarta Post dia nanana ity fampahatsiahivana ity ho an'ny filoha:

Tafavoaka avy tao anaty tavoahangy ilay mpanao fahagagàna, ary azo heverina fa tara loatra raha hanantena ny hoe hiova zotra arahana ny filoha, saingy adidy ara-môraly ananantsika ny mampahatsiahy azy hipetraka tsy hiandàny ao anaty fifidianana ary ny tantara tsy hitsitsy  hitsara azy tamin'ny fanelingelenana ny dingana demaokratika.

Nandritra ireo taompolo roa lasa, fomba nahazatra antsika ny nahita filoha niala tamin'ny toerany ary nipetraka tsy niandany nandritra ireo fifidianana solombavambahoaka ka tokony hitohy izany fomba fanao tsara izany.

Raha tsy izany, sarotsarotra ny hoavin'ny demoakrasiantsika.

Raha namaly ireo fanakianana, nohitrikitrihan'i Jokowi  fa hoe izy dia mahazo alàlana hanohana kandidà.

Mahazo alàlana hanohana kadindà sy hiandàny ny filoha iray, raha toa tsy mampiasa fitaovam-panjakàna ao anatin'ilay dingana.

Niteraka fanakianana avy amin'ireo vondrona ao anivon'ny fiarahamonina sivily io fanambaràna io. Ny Perludem, Fikambanana hisian'ny Fifidianana sy ny Demaokrasia, dia nampitandrina fa “mety hitondra mankany amin'ny fifidianana tsy marina sy tsy demaokratika io”, amin'ny fandrisihana ireo tomponandraiki-panjakàna hampiseho “fitanilàna pôlitika.” Ny Fiarahamientan'ny Fiarahamonina Sivily hisian'ny Fifidianana Madio dia namoaka fanambaràna iray ho setrin'ireo fanamarihana nataon'ny filoha:

Miteraka loza mitatao goavana ho an'ny fomba fanao ara-demaokratika mankany amin'ny andron'ny 14 Febroary 2024 hanaovana fifidianana io fanambaràna io. Ny fanomezana alàlana ny filoha sy ireo minisitra ho afaka manao fampielezankevitra an-karihary dia mety hitarika hankany amina fifangaroana tombontsoa sy fomba fanaovana hosoka eny an-kianja.

Tsy tokony hohamaivanina araka izany ny fiandaniana ataon'ny filoha, satria ny filoha no manana ny fifehezana manotolo ireo fitaovam-piarovana afaka manodina ny fanohanan'ny vahoaka.

Entanin'ilay fiarahamientana ireo minisitra ao amin'ny kabinetra “mba hijanona ho matianina amin'ny fanatanterahana ny asam-panjakàna iandraiketany ary tsy hiditra amin'ny fanararaotana ny fahefany ho amina tombontsoa ara-pôlitika amin'ny fifidianana.”

Tao anaty matoandahatsoratra iray, ny tranonkalam-baovao Tempo dia nanoratra momba ireo fiantraikany ratsy raha toa i Jokowi  ka manohy miasa ho toy ny “mpitondratenin'” ny tandem Prabowo-Gibran:

Raha tohizany ny fiandaniany mba hiantohana ny fandresen'i Prabowo sy ny zanany lahy, ho voa roa toy ny dakam-boriky i Jokowi. Voalohany indrindra, amin'ny fihodinana faharoa hatao ny Jona, vokatry ny hatezeran'ny olona dia mety hirodana noho ny tsy fisian'ny fiandanian'ny filoham-panjakana ny anjara vato ho azon'i Prabowo. Faharoa, ny hahatsiarovana an'i Jokowi dia ny hoe filohampirenena ratsy indrindra hatramin'ny nanombohan'ny vanim-potoana Reformasi. Noho ireo singa roa ireo, mety ho voahilika sy ho hadinon'ny tantara ny amin'i Jokowi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.