Fodiamandrin'ilay Tôgôley pretra katôlika mpanohitra nafàna fo ny fitondràna am-perinasa

Monseigneur Philippe Kpodzro, pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube – Tv5monde

Omen'ireo Tôgôley voninahitra ny fahatsiarovana an'i Monseigneur Philippe Kpodzro, pretra katôlika nanolo-tena ho amin'ny fametrahana tany tàn-dalàna ao Togo, nodimandry ny 9 Janoary 2024 tany an-tsesitany tao Soeda teo amin'ny faha-93 taonany.

Fony fahavelony, Monseigneur Philippe Kpodzro dia niasa ho amin'ny fametrahana fifandimbiasan-toerana ara-demaokratika hahafahan'ireo Tôgôley rehetra misitraka ny zony sy ny fahalalahany. Araka izany dia mirotsaka ampahibemaso izy manohitra ny fitondràn'i Faure Gnassingbé (filohan'i Togo efa hatramin'ny 2005), zanaka lahin'i Gnassingbé Eyadéma (izay efa filoha teo koa ny 1967 hatramin'ny 2005). Ny 27 Aprily 1960 i Togo no nahazo ny fahaleovantenany tamin'i Frantsa.

Firotsahany voalohany tamin'ny 1991

Nanomboka tamin'ny 1991 ny fidiran'i Philippe Kpodzro tamin'ny resaka pôlitika fony izy voatendry hitarika ny Kaonferansan'ny Fiandrianam-pirenena natao tao Lomé tamin'ny Jolay-Aogositra 1991. Tanjon'io kaonferansa io ny handray anjara amin'ny fanalalahana ny demaokrasia ikendrena ny hametrahana tany tàn-dalàna sy demaokrasia andraisan'ny maro anjara.

Eny tokoa, niaina fanonganam-panjakàna niisa telo i Togo tao anatin'ny efatra taona, niampitàn'ny fahefana nifandimby teny an-tànan'i Sylvanus Olympio (filoha voalohany ny 1960 hatramin'ny 1963), nandalo an'i Nicolas Grunitzky (1963-1967), avy eo Kléber Dadjo (Janoary hatramin'ny Aprily 1967) ary Gnassingbé Eyadéma.

Ny 1967 hatramin'ny 1991, teo ambany vahohon'ny tàna-maherin'i Gnassingbé Eyadéma i Togo, tamin'ny anaran'ny antokony tokana, ny “Rassemblement du peuple Togolais” (RPT). Nandritra io vanim-potoana io, voaporiporitra daholo ireo avy amin'ny mpanohitra sy izay rehetra hevitra mirona amin'ny fahamaroan'antoko. Saingy ny rivotry ny demaokrasia nandritra ny andian-taona 1990 tao Afrika ary ny ohatra nahomby tamin'ilay  kaonferansan'ny fiandrianam-pirenena natao tamin'ny Febroary 1990 tao Bénin dia aingam-panahy mafy ho an'ireo Tôgôley izay nanapaka hevitra ny hampiantso fihaonambe nasiônaly, na teo aza ny fandàvan'i Gnassingbé Eyadéma. Araka izany, tamin'ny 1991 dia nihaona ireo rehetra mpisehatry ny pôlitika tamin'izany fotoana izany mba hieritreritra sy hitady vahaolana hahatongavana amina fanjakàna demaokratika.

Tao anatin'izany toejavatra izany i Monseigneur Philippe Kpodzro no voatendry hitarika ireo fihaonambem-pirenena nandraisan'ireo mpanohitra anjara, toa an'i  Tavio Amorin, maty nisy namono tamin'ny 1992; Agbéyomé Kodzo sy Djovi Gally (nodimandry tamin'ny 2023). Ity ranty ity, tao amin'ny X ( Twitter taloha), nalefan'i LeVisionnaireTG no mampahatsiahy ny fanolorantenan'i Amorin :

Nandritra ny kaonferansan'ny fiandrianam-pirenena natao tamin'ny 1991, hitan-dry zareo Tôgôley ny tanora iray feno talenta sy mamiratra, mitondra ny anarana hoe Tavio Amorin, 32 tamin'izany fotoana izany.

Tavio Ayao Tobias AMORIN, fantatra kokoa tamin'ny hoe Tavio Amorin, dia lehilahy tôgôley iray pôlitisiàna sôsialista teraka tao Lomé ny pic.twitter.com/pjUvnyGKos

— LeVisionnaireTG (@VisionnaireTg) 25 May 2023

Ity lahatsary ity dia manome topimaso momba ny lanjan'io kaonferansan'ny fiandrianam-pirenena io :

 

Iray tamin'ireo sosokevitra lehibe avy tamin'ilay fihaonana ny fananganana andrim-panjakana ho tomponandraikitra amin'ny fitondràna ny firenena ho an'ny amin'ny tetezamita demaokratika. Rehefa vita ilay fihaonana, Kpodzro  no voafidy ho filohan'ilay Filankevitra Ambonin'ny Repoblika (Antenimieram-pirenena ny 1991-1994). Teo ambany fitantanany, nisy ny lalàm-panorenana iray vaovao nankatoavina taorian'ny fitsapankevi-bahoaka natao ny Ôktôbra 1992 izay hitondra mankany amin'ny fikarakaràna fifidianana vaovao amin'ny 1993.

Tamin'ny 2016, rehefa nitafa ho an'ny gazetiboky Jeune Afrique, tamin'ny fankalazàna ny faha-25 taonan'io kaonferansan'ny fiandrianam-pirenena io, dia hoy i Kpodzro manazava:

Nisy teboka maro tena niabo ho an'i Togo avy amin'ilay kaonferansam-pirenena. Resin'ny fahamaroan'antoko ny jadona, azo ny fahalalahana maneho hevitra ary nezahanay ny hampivoatra ireo zavatra sasantsasany toy ny karaman'ny mpiasam-panjakana, sy ny sisa. Ny Filankevitra Ambonin'ny Repoblika kosa dia niresaka tamin'ny fomba demaokratika, tsy nisy fiolankolahana, mba hahatongavana amin'ny fanoratana ny Lalàm-panorenan'ny Repoblika faha-4 nolaniana nandritra ny fitsapankevi-bahoaka tamin'ny 14 Ôktôbra 1992, tamin'ny 98%-n'ireo vato nanan-kery. Indrisy anefa fa nisedra fahasahiranana izahay tamin'ny fotoana natao hampiharana ireo fepetra nolanian'ny HCR. Nolaniana, ohatra, ny fanesorana amin'ny toerany ny Praiminisitry ny Tetezamita, saingy tsy nampiharina velively ilay fanapahankevitra, nandà izany ny filoha Eyadéma.

Taorian'io traikefa pôlitika io, nihataka izy na dia mbola nijanona ho mpitarika ara-pinoana aza, tany amina firenena iray izay mihoatra ny 25% amin'ny vahoaka tombanana ho maherin'ny 9 tapitrisa monina ao aminy no miaina ny finoana katôlika.

Mpanohitra ny fitondràna

Ny 5 Febroary 2005, nohosorana i Faure Gnassingbé taorian'ny fodiamandrin'i Gnassingbé Eyadéma. Mba hikarohana vahaolana amin'ny krizy pôlitika lalovan'ny firenena dia niverina ho eny alohan'ny sheatra pîoltika, araka izany, i Kpodzro, tamin'ny alàlan'ny fandraisany anjara tamin'ireo hetsi-panoherana niarahana tamin'ireo mpitarika ara-pinoana sy ireo hafa mpisehatra. Io fifandimbiasan-toerana ifandovàna io, avy amin'ny ray mankamin'ny zanakalahy, ho eo amin'ny fitantanana ny firenena, natao hanitsakitsahana ny fanovàna ny lalàm-panorenana, dia tsy lanin'ny vavonin'ireo mpanohitra izay niantso fikomiana.

Ny 19 Aogositra 2017, ny antoko Parti National Panafricain (PNP), antoko mpanohitra tôgôley dia nanomboka hetsipanoherana marobe nanerana ny tanin'ny Repoblika. Takiany ny hiverenana amin'ilay Lalàm-panorenana tamin'ny 1992 tsy nasiana fanovàna, ary ny zo hahazo mifidy ho an'ireo any am-pielezana. Ny ampitson'io krizy pôlitika io, ny 20 Desambra 2018 dia niomana hiatrika fifidianana solombavam-bahoaka ny firenena. Tao anatin'izay toedraharaha izay, nangatahan'i Kpodzro i Gnassingbé mba hanemotra ny fifidianana, tamin'ny fanipihany ireo fihenjanana manjaka eo amin'ny firenena sy ny filàna manao fanavaozana araka ny lalàm-panorenana alohan'ny hanaovana fifidianana. Na teo aza ny antso nataony, nandeha ny fifidianana tamin'ny andro efa voatondro, ny 20 Desambra.

Nandritra ny fifidianana ny ho filohampirenena tamin'ny 2020, nirotsaka indray tamin'ny sehatra pôlitika izy tamin'ny fanombohana ilay vovonana “Dynamique Monseigneur Kpodzro” izay nanangona ireo mpisehatra marobe tamin'ny pôlitika, ary nisafidy an'i Agbéyomé Kodjo ho toy ny filoha hifanandrina amin'i Faure Gnassingbé amin'ny fifidianana. Nampidi-doza ho an'ny ainy tao amin'ny fireneny ny fanohanan'i  Kpodzro an'i Kodjo izay nilaza tena ho nandresy kanefa ireo vokatra dia nanambara an'i Faure Gnassingbé ho filoha voafidy. Fiandohan'ny taona 2021, nandeha nankany Soeda izy, rehefa nandalo tao Ghana, ary maty an-tsesitany ny 9 Janoary 2024.

Fanomezam-boninahitra maro

Mampisaona ny fianakaviana ara-pôlitika sy ny fianakaviambe ara-pinoana nisy azy (ny eglizy katôlika) ny fodiamandrin'ilay relijiozy sady mpanohitra. Ny pretra Mélésoussou, curé tao amin'ny katedralin'i Atakpamé (tanàna any amin'ny 161 km avaratr'i Lomé), voatanisa ao amin'ny lahatsoratra iray ao anatin'ny Deutsche Welle no vavolombelon'izany :

Izy no nandefa ahy tany amin'ny seminera. Mamome voninahitra azy aho noho izay vitany tamiko. Tena ketraka ary koa toy ny nilatsaham-baratra. Tena maharary. Tena ory izahay, indrindra fa tsy eto an-tanindrazany izy.

Toy izany koa, mahatsiaro ny anjara asany ireo mpikambana ao anivon'ny vondrona pôlitika nisy azy. Ilay mpanohitra, Gérard Adja, dia mipao-tsatroka ny fahatsiarovana an'ilay eveka fahiny tao Atakpamé ary arseveka fahiny tao Lomé, fa indrindra indrindra malahelo ny amin'ny tsy fandraisana andraikitr'ireo manampahefana tôgôley nanakana azy tsy hody an-tanindrazany talohan'ny nahafatesany. Vavolombelon'izany ity ranty iray ity, avy amin'i Caroline Chauvet, iraky ny Tv5monde ao Togo:

Maty teo amin'ny faha-93 taonany tao Soeda ilay endrika fantadazan'ny fanoherana tao Togo, Mgr #Kpodzro, niaina an-tsesitany hatramin'ilay fifidianana filoham-pirenena natao tamin'ny 2020.
Tao amin'ny TV5 Monde, Gérard Adja, mpanohitra, dia nanome voninahitra ity arseveka fahiny tao #Lomé ity, sady mpikatroka nandritra ny taompolo maro, ary  nalahelo ihany tamin'ny fahafatesany tany an-tsesitany. #Togo pic.twitter.com/eHTPQ03vna

— Caroline Chauvet (@caro_enilorac) 9 Janoary 2024

Araka ny voalazan'ny RSF, laharana faha-70 amin'ireo firenena 180 i Togo raha ny tontolon'ny fahalalahana maneho hevitra ao aminy no jerena. Mbola lavitr'ezaka araka izany ny dia hankany amin'ny fifandimbiasana ara-pôlitika ho an'ireo mpanohitra ao Togo izay tena manana trosa lehibe tokoa amin'i Philippe Kpodzro, ilay endrika fakàn-tàhaka.

Vonona koa ve ny fitondrana amperinasa ao Togo mba hanome voninahitra ny fahatsiarovana azy ka hiasa hiroso mankany amin'ny fisiana demaokrasia lehibe kokoa sy ny fahamaroan'antoko ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.