Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2011
Tontolo Arabo: Loka Nobel Fandriampahalemana Ho An'ny Mpiserasera Niaro ny Revolisiona??
Nientanentana tanteraka ny Twitter tamin'ny alina noho ny anaran'ilay mpiserasera Arabo voatonotonina fa mety ho kandidà voafidy hahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana noho ny andraikitra nosahaniny nandritra ny Revolisiona Arabo. Ejyptiana...
Zambia: Manisa ny Fiovana Anatin'ny 90 Andro ny Mpiserasera
Nampanantena nandritra ny fifidianana malalaka intelo miantoana ny filoha vaovaon'i Zambia, Michael Sata, ny hanova ny firenena ao anatin'ny 90 andro ka anatin'izany ny fampitomboana ny vola miditra any am-paosin'ny...
Filipina: Famoronana Karazana Hetsika Mandritra ny Fitokonan'ny Campus
Nahitana ny fampiasana ny fitaovana an-tserasera hanetsehana olona anarivony hiady ho amin'ny zo hahazo fanabeazana ny fitokonana eny amin'ny anjerimanontolo manerana ny firenena mandritra ny herinandro enti-manohitra ny fampihenana ny...
Etazonia: “Fehezo i Wall Street” Foibe Ara-bolan'i New York
Tao amin'ny distrikan'ny vola ao New York, nikarakara fihetsiketsehana milamina ny vondrona Fehezo i Wall Street (#occupywallstreet tao amin'ny Twitter), notohanan'ny fikambanana Kanadiana AdBusters sy ny mpisovoka antserasera Anonymous izany hetsika izany. Aingam-panahy...
Kamerona: Dia Ahoana Raha Tsy Mandeha Mifidy Isika Amin'ny 9 Oktobra?
Ao Kamerona, toa tsy dia mahataitra loatra ny olona ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin'ny 9 Oktobra 2011. Ho an'ny Kamerone maro, tsy dia misy lanjany loatra io fifidianana io ary dia tsy misy antony tokony hifidianana raha ny hevitry ny mpifidy maro, satria ny vokatra dia efa mirona sahady mankany amin'ny Filoha amperin'asa Paul Biya.
Jordana : Adin'ny MP (Mambran'ny Parlemanta) Amin'ny Tanora
Ny fivorian'ny Antenimiera tao Amman, Jordana tamin'ity herinandro ity, no niatombohan'ny tsy fahafalian'ny mponina, indrindra teny anivon'ny vondrom-piarahamonin'ny tanora. Ireo tanora Jordaniana dia romotra be tao anatin'ilay adihevitra. Nanazava i Nadine Toukans.
Zeorzia: Fifidianana Mpitondrateny Antenimiera Virtoaly
Mialoha ny fifidianana Antenimiera hotontosaina any Zeorzia amin'ny Oktobra 2012 dia i David Bakradze, Filohan'ny Parlemanta amin'izao fotoana izao, no mpikambana ao amin'ny antoko mitondra mavitrika indrindra ao amin'ny Facebook. Amin'ny...
Alzeria : Lalao Baolina Kitra, Toerana Vaovao Hanehoana Tsy Fitovian-kevitra
Nahita fomba vaovao hanaovana izay hihainoana ny feon'izy ireo ny Alzeriana. Ireo mpijery baolina kitra dia nanararaotra ny fotoana mba hilazana ny fahitan'izy ireo ny politika, ao amin'ny firenena izay niaro fatratra ny tenany tamin'ilay revolisiona antsoina hoe Lohataona Arabo
Syria: Nosomparan'ny Anonymous ny vohikalam-panjakana
Voasovoka ny vohikalam-panjakana any amin'ny tanàndehibe Syriana rehetra noho ny asam-panafihana ataon'ny mpisovoka Anonymous amin'i Syria. Mifampizara pikantsarin'efijery amin'ny alalan'ny tenifototra #OpSyria ny mpisera
Tonizia: Noafahana i Samir Feriani mpitoroka
Noafahan'ny fitsarana ady miaramila ao Tonizia vonjimaika i Samir Feraini, mpiampanga, tamin'ny 22 Septambra, notazonina nanomboka tamin'ny 29 Mey 2011 izy, noho ny fanakianana nataony tamin'ny Minisitry ny Atitany Toniziana. Andro...