· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Mey, 2017

Palestina: Atao Fitaovana i Gaza

Bilaogera nandao an'i Gaza vao haingana i Exiled (an-tsesintany) - ary tsy maika hiverina izy. Ho hitantsika ato ny heviny momba ny fampielezan-kevitra ara-politika sy ny fitiavan-tena, ny tonelina mankany Ejipta sy ny tetikasa fefy vy, ary ny toetry ny hiahian'ny tontolo any ivelany ny tetezan-tanin'i Gaza.

29 Mey 2017

Azerbaijan: Tonga Ao Baku Ny DOTCOM

Tamin'ny alina farany teo, tonga tao Baku, Azerbaijan ireo mpandray anjara Amerikana ao amin'ny Departemantam-panjakana Amerikana izay manohana ara-bola ny tetikasa DOTCOM mba hamory miaraka ireo tanora Armeniana, Amerikana ary Azerbaijani amin'ny famoronana fampitam-baovao manaitra ara-tsosialy.

27 Mey 2017

Maraoka: “Gaza Avokoa Izahay”

Rabat dia 3850 kilaometatra avy ao Gaza, saingy tsy manakana an'i Maraoka tsy hahatsapa fahatsapana firaisankina lehibe amin'ny Palestiniana izany. Satria mitohy miharatsy ny fanafihan'i Israely an'i Gaza, Manohy miloa-bava ireo bilaogera ao Maraoka.

25 Mey 2017

Anjerimanontolo Rosiana Saika Hanolotra Mariboninahitra “Doctorat Honoraire” an'i Duterte, Saingy Nandray Sidina Nody Aloha Loatra Lery

Akon

Nanome 'doctorat honoraire' ho an'ny filoha Filipiana Duterte ny MGIMO. Ilay olona iray izay nikarakara rà mandriaka sy nitifitra ny vahoakan'ny fireneny. “Ny mariboninahitra 'Doctorat Honoraire' avy amin'ny MGIMO dia atolotra ireo olom-panjakana, politika sy olontsotra ary diplaomaty miavaka,.." Ireo efa nahazo izany tany aloha : Nicolas Sarkozy, Tayyip Erdogan ary Ban Ki-moon.

24 Mey 2017