· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Oktobra, 2012

Madagasikara : Miaro ny Vako-Pirenena Amin'ny Alalan'ny Fandraketana Ny Haino Aman-Jery

  20 Oktobra 2012

Mampiady hevitra matetika ny tantaran'i Madagasikara noho ny antony samihafa: tsy fifanarahan-kevitra tamin'ny fizotran'ny voina manan-tantara, fomba fijery voafetran'ny fitenim-[pirenena] [mg], na ny famotehana ny arsivan-tantara rehefa misy ny krizy politika. Misy fandraisana an-tanana ataona fikambanana iray ho fandraisana anjara amin'ny fandraiketana ho nomerika ny tahirin-kevitra haino aman-jery amin'ny tantaran'i Madagasikara.

Yemen: Ny Kabarin'ny Filoha

Yemenita maro no nanantena handre kabary tsara avy amin'ny filoha "voafidiny" hanasongadina ny zavatra ilain'ny mponina, ny ara-toe-karena sy ara-politika any Yemen ary ny zava-tsarotra izay atrehan'ny firenena amin'izao fotoana izao. Ny zavatra farany izay nandrasan-dry zareo nandritra ny famangiana nataony tany Amerika dia ny fanindrahindrana ireo drone Amerikana.