· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Oktobra, 2018

Shina: Misondrotra Saingy Mahatsiaro Ho Mihiboka

Voahodidin'ny 85% amin'ireo toerana mafana ara-politika manerana ny tany i Shina, hoy ny profesora ambony dia ambony iray; ary ilainy ny halalaka amin'ny fifandraisana amin'ireny sy ny olana ara-jeopolitika hafa izay atrehiny, manomboka amin'ny fidirana amin'ireo ranomasina manodidina azy.

31 Oktobra 2018

Ahmadinejad sy i Chavez: ”Miala Any ny Resa-Pitiavana’

Tamin'ny Novambra 2007 nanao ny fitsidihany fahefatra tao anatin'ny roa taona tao Tehran ny filoha Venezoeliana Hugo Chavez mba hanasonia fifanarahana ara-toekarena bebe kokoa miaraka amin'i Iràna. Notsikerain'ireo Iraniana mpianatra sy blaogy maro mpomba ny havia ilay fifandraisana mpinamana nisy teo amin'ilay filoha ''sosialista'' Chavez sy ny Repoblika Islamika.

28 Oktobra 2018

Tsy miombon-kevitra amin'i Trump manondro ny fireneny ho fandrahonana ny fandriampahalemana i Montenegro

Nobody except Trump can imagine that Montenegro would start a war with Russia, even though there were many old Yugoslav jokes about Montenegro starting a war with China. /Tsy misy olona afa-tsy Trump no afaka manombantombana fa hanomboka ady amin'i Rosia i Montenegro na dia misy sangisangy Yugoslav tranainy maro aza mikasika an'i Montenegro manomboka ady amin'i Shina.

27 Oktobra 2018