Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Febroary, 2022
Mivondrona ho fanohanana an'i Okraina ny Zeorziana raha sahirana hamaly ny solombavambahoaka
Olona an'aliny no nidina an-dalambe tao an-drenivohitra Zeorziana, Tbilisi mba hanameloka ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina.
Fihetsika tsy nampoizina tao Prague taorian'ny fananihambohitra rosiàna tao Okraina
Somary tsy nampoizina, nanova ny fomba fijery an'i Maosko nananan'ilay nafàna fo faran'izay nahataona indrindra tao amin'ny Repoblika Tseky ny fananihambohitra nataon'i Rosia: ny filoha Zeman, izay vao avy nanondro ho "heloka bevava" ny fihetsika nataon'i Maosko.
Tsy tsotra toy ny tsinaim-balala ny lahateny Rosiana momba ny ady ao Okraina
Na dia toa maneho ny fomba fiteny rosiana aza ny feon'i Putin dia miteny ho an'ny tenany ihany izy. Miovaova be ny fomba fijerin'ny Rosiana momba ny zava-misy ao Okraina sy ny fanafihana ara-tafika ataon'i Rosia.
Tsy andrenesana feo momba ny olana ao Okraina i Azerbaijàna, mitsidika an'i Maosko ny Filoha Aliyev
Raha ny ankamaroan'ireo firenena tandrefana manameloka ny fanapahankevitr'i Poutine hankatoa ny fahaleovantenan'ireo faritra roa nisintaka tamin'i Okraina, ny governemanta mitondra ny ao Azerbaikàna kosa tsy andrenesana feo
Toherin'ny mpikatroka ao Myanmar ny famarotana ny orinasam-pifandraisandavitra Telenor amin'ny orinasa mifandray akaiky amin'ny miaramila
"Tsy nifampidinihan-dry zareo ny olona manao vivery ny ainy amin'ny fanoherana ny fitondra-miaramila, izay eo am-pelatanan'ny Telenor ny ainy."
Ho lasibatry ny Lalànan'ny filaminam-pirenena ao Hong Kong ve ny mpampianatra oniversite Taiwaney?
Lasibatra i Wu tamin'ny famoahana ny lahatsoratra “Ho an'ny Revolisiona manam-pahataperana” izay niresaka ny asan'ireo mpikatroka nandritra ny hetsika fanoherana ny famindra-toerana (fampodiana) voaheloka tao Hong Kong tamin'ny taona 2019.
Fiainana ampielezana: Tantaran'ny Nepaley mpiasa iray nifindra monina tany Qatar
"Izany no niainanay. Ireo mangina no tadiaviny. Ireo izay azo ampanginina." Fitantaran'ny Nepaly iray niondrana andafy hiasa niverina nody rehefa nandany telo volana tao Qatar.
Nizeriana an'arivony no nandray anjara fanangonan-tsonia hanavaozana ny IELTS
Zanatanin’i Fanjakana Britanika teo aloha i Nizeria, ny teny anglisy no teny ifampiresahana ao aminy sady fiteny enti-mampianatra any an-tsekoly. Tsy afa-miala amin’ny fanadinana IELTS, fitsapam-pahaizana amin’ny fahaizana miteny anglisy, anefa i Nizeria, .
Namoaka pasipaoro vaovao ahitana ireo malazan'ny tantara an-tsary ao aminy i Belzika
"Ny fampidirana ity pasipaoro vaovao ity ihany koa no fotoana ahafahantsika manasongadina ny kanto faha-9, ny tantara an-tsary, izay singa fototra amin'ny kolontsaintsika sy ny tarapahazavana entiny any ivelany."
Nifidy ny hijanona miaraka amin'i Frantsa i Nouvelle-Calédonie tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka tsy nandraisan'ny vahoaka indizeny anjara
"Tsy afaka aorina ny hoavin'i Nouvelle-Calédonie raha tsy misy ny vahoaka indizeny. Ny feo Kanak no vato fehizoron'ny lahatra iraisan'i Nouvelle-Calédonie."