Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Sehatra Nanampy Ireo Mpifindra-monina An'arivony Hifandray Amin'ny Fianakaviany

Sarin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Rwanda. Sary avy amin'i ©Elisa Finocchiaro Creative Commons – license – BY

Eo amin'ny 65 tapitrisa eo ireo olona manerantany ankehitriny izay nandositra ny tanindrazan'izy ireo. Nilaza ny Vaomiera Ambony Misahana ny Mpitsoa-ponenana ao amin'ny Firenena Mikambana (UNHCR) fa ity no tarehimarika betsaka indrindra hatramin'ny ady lehibe faharoa. Mampalahelo tokoa izany, kanefa vao mainka mampivarahontsana ny mahita fa maro amin'ireo vahoaka ireo no tsy afa-nifandray intsony amin'ny fianakaviany.

Saingy mety ho an-dalana ny fanampiana

Nahita vahaolana amin'ity fanamby ity ireo mpirahalahy Danoà roa sady mpandraharaha ara-tsosialy, David sy Christopher Mikkelsen. Ny sehatr'izy ireo, REFUNITE, (Mpitsoa-ponenana Miray), dia ahafahan'ireo mpifindramonina antsasaky ny tapitrisa manerantany hamerina indray ny fifandraisana very tamin'ny fianakavian'izy ireo. Ity ny lahatsary mamintina ny fitsipiky ny tetikasa:

Na dia zava-bita tsara marihana aza ity, misy ny fampahatsiahivana kely fa misy ireo olona tsy afaka mahita ny zanany, mpiray tampo, ray aman-dreny sy ny namany. Indrisy anefa, fa tsy mitsahatra hatreo izany: mampiantrano olona nafindra toerana marobe tsy araka ny hitantsika nanomboka tamin'ny ady lehibe faharoa izao tontolo izao! Ary raha i Syria no tompon'andraikitra tamin'ny fahamaroan'isan'ny olom-pireneny nandositra ny firenena sy mahazo ny ankamaroan'ny lohatenim-baovao, indrisy fa mbola maro ireo krizy hafa mirongatra tanteraka, ary vaovao marobe hafa no ahiana hipoaka amin'ny fotoana rehetra. Ny REFUNITE dia hanohy hiasa mafy mba hanampy ny olona rehetra mitady ny havan-tiany hifandray amin'izy ireo indray. Ny tanjonay dia hanohy hanangana ny sehatray mba hanome trano nomerika sy foto-drafitrasa nomerika ho an'ireo olona an-tapitrisany nafindra toerana sy mbola ho afindra atsy ho atsy.

Ny REFUNITE, izay niforona tao Kenya dia fiarahamiasa eo amin-dry Ericsson, ny Fikambanana IKEA, ny orinasan'ny finday Zain sy Vodacom ary ny Free Basics an'ny Facebook

Nanomboka tamin'ny volana Septambra 2010 ny tetikasa izay fiarahamiasa amin'ny Vaomiera Ambony ny Firenena Mikambana Misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) sy ny mpandraharaha finday MTN, izay toy ny drafitra fitaratra ao avaratr'i Oganda.

Hatreto, eo amin'ny hafatra 11 tapitrisa eo no nalefa tamin'ny alalan'ny sehatra ary efa nahavita fikarohana maherin'ny 9 tapitrisa, miaraka amin'ny fisoratana anarana 600.000 manerana izao tontolo izao. Tamin'ny faran'ny taona 2017, mikendry hamantatra ny fianakavian'ireo olona nafindra monina miisa 1 tapitrisa  ny REFUNITE.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.