· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Avrily, 2013

“Ny Daroka Drôna No Endrika Ahafantarana An'i Etazonia Any Yemen”

Nijoro vavolombelona teo anatrehan'ny Senat Amerikana ny Yemenita iray, 22 taona, Farea Almuslimi, nandritra ny fotoam-pihainoana mikasika ady miafin'ny Amerikana ampiasàny drôna ka nanome fijoroana vavolombelona mahery vaika. Avy any amin'ny tanànan'i Wessab ity mpikatroka mafàna fo sady mpanao gazety ity, tanàna niharan'ny daroka drôna Amerikana tamin'ny 18 Aprily 2013 teo.

Mandà Ny Fanampian'i Japana i Shina Taorian'ny Horohoron-tany

  27 Avrily 2013

Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity ankoatra izay lazaina manokana Nandà ny tolo-tanàn'i Japana hanampy azy taorian'ny fihovitrovitry ny tany izay nahazo ny atsimo andrefan'ny faritanin'i Sichuan nahafatesana olona 193 raha kely indrindra sy maratra mihoatra ny 12 000 [zh] ny governemanta Shinoa. Nitranga ny marainan'ny 20 avrily 2013...

Azon'i Shipra Atao Ve Ny Mivoaka Ny Lavaka Mangitsokitsoka? Vahaolana Telo Ho An'i Shipra Hialàna Amin'ny Krizy Ara-bola

  26 Avrily 2013

Manohy ny hazakazany mankany amin'ny bankiropitra ny nosikelin'i Shipra. Miatrika toe-draharaha sarotra ilay repoblika Mediteraneana taorian'ny fanapahan-kevitra Eoropeana ny hanisy hetra ho an'ny mpametra-bola rehetra. Vahaolana telo no miseho ho an'ilay nosy: hitondra fifanarahana miaraka amin'i Eoropa, hitodika any amin'i Rosia, na ny hanambara fa bankirompitra ary hiala ny faritra Euro.

Mpanao Politika Filipiana Mifandray Aminà Kaonty Any Ivelany

  20 Avrily 2013

Ny Ivontoerana Filipiana ho an'ny Fanaovana Fanadihadiana an-Gazety (PCIJ) dia nitatitra fa mponina Filipiana 500, anisan'izany ireo mpanao politika matanjaka sasany, no anatin'ireo nitazona kaonty any ivelany taorian'ny nandraisany anjara taminà tetikasa fiaraha-miasa manerantany izay nandinika ireo antontan-taratasy nivoaka an-tsokosoko momba ny orinasa sy vondron'orinasa maherin'ny 120 000 any ivelany.

Tsy Misy Fialantsiny Intsony – Mizara Propagandy ‘Hosoka’ Ny Mpisera Facebook Ao Japana

  20 Avrily 2013

Nanasonia sy nizara sary namboamboarina, izay jerena toa trakitra ofisialy sy manasongadina ny voka-dratsin'ny (fifonan'i?) Japana teo amin'ny Tantara ho an'ny zanaky ny Firenena, tsy tamin'ny fahalalana ny mpisera facebook japoney an'arivony. Nanondro ny fiavian'ilay, eny fa na dia misy ny tombokase ofisialin'ny governemantan'i Japana aza eo ambony ankavia, (na dia tsy mampiasa io...

#Yemen: Vodaroky Ny Drôna Amerikana i Dhamar

Taorian'ny telo volana mba niatoan'ny fanafihana drôna (fiaramanidina kely mpandaroka baomba baikoana avy lavitra) Amerikana tao Yemen, dia namono olona dimy noahiahiana ho Qaeda ny drôna halina 16 Aprily 2013. Halina, i Farae Al-muslimi, Yemenita mpanao gazety sady mpikatroka mafàna fo, avy ao amin'ny tanànan'i Wessab, any amin'ny faritanin'i Dhamar, no namoaka voalohany ny vaovao mikasika ilay fanafihana drôna Amerikana tao amin'ny Twitter.