· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Mey, 2018

Serbia: Etazonia An'i Barack Obama, Zava-baovao Iray Ho An'izao Tontolo Izao?

  31 Mey 2018

Barack Obama no filoham-pirenena vaovao ao Etazonia. Heveriko fa tsy mety hisy zava-baovao ho an'i Serbia izany (na inona na inona, mivantana be) satria tsy hiova ny politika amerikana mikasika an'i Serbia sy Kosovo. Na izany aza, raha toa tena manaja ireo fampanantenany tamin'ireo fifidianana ny filoham-pirenena vaovao dia tokony hihatsara ny toe-draharaha eran'izao tontolo izao, na ho kely monja aza, ary noho izany ho an'i Serbia koa fa tsy mivantana.

Fijery iraisampirenena amin'ny fifidianana amerikana

  26 Mey 2018

Raha mihamanatona ny fifidianana amerikana, mifantoka any amin'ny politika ivelany an'ireo kandidà ny mason'ny iraisampirenena. Misy ireo tetikasa toy ny an'ny fahitalavitra antserasera Current TV, Collective Journalism [en], sy ny an'ny Global Voices sy ny Reuters, ao amin'ny habaka Voices Without Votes [en], nandray an-tanana hanolotra ny fomba fijery ankapobeny.