· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Aogositra, 2017

Maraoka: Tondradrano Mahatsiravina Tany Tanger

  23 Aogositra 2017

Nandritra ny taona vitsy lasa izay, niaina haintany i Maraoka. Indrisy anefa fa nifarana tamin'ny oram-batravatra izay niteraka tondradrano mahatsiravina tany avaratr'i Maraoka izany haintany izany. Olona miisa 13 no maty farafahakeliny .

Mozambika: 2038?

  20 Aogositra 2017

Tahaka ny ahoana i Mozambika afaka 30 taona? Manolotra ireo tranga "bizantinina" miisa sivy ary manasa ny mpamaky mba hanova azy ireo araka izay hitany fa mety ilay mpandinika ny fiarahamonina Carlos Serra.

Filoha Bush Nitsidika An'i India sy i Pakistan

  18 Aogositra 2017

Mitsidika an'i India sy i Pakistan amin'ity herinandro ity ny Filoha Bush . Niseho taoriana indrindra ny fitsidihan'ny filoha Bill Clinton manokana an'i India ny fitsidihan'Andriamatoa Bush .

Bosnia Sy Herzegovina: Tsingerintaonan'i Srebrenica

  18 Aogositra 2017

Nankalaza ny faha-13 taonan'ny famonoana tao Srebrenica i Bosnia sy Herzegovina tamin'ny 11 Jolay izay nofaritan'ny ny Fitsarana iraisampirenena tao La Haye ho fandripahana mamely ny mponina Miozolomana tao amin'ny faritra. Mitatitra ilay fahatsiarovana antserasera ao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy Facebook i Elia Varela Serra.