Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Aogositra, 2019
Manontany ireo bilaogera Ejyptiana hoe: NAHOANA?
Toa ny ankamaroan'ny lahatsoratra avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Ejipsiana no miezaka mitady valiny amin'ireo nahoana sy ahoana marobe ao an-dohan'izy ireo.
Jordania: Ny fifandraisana ao Gaza
Raha mbola manohy ny fanafihany an'i Gaza ny Israeliana, mandeha mihoatra noho ny fanamelohana ny herisetra ireo bilaogera Jordaniana ary mamadika ny tenin'izy ireo sy ny fihetseham-pon'izy ireo ho asa mivaingana. Fanentanana Komity 7iber/Action manangona ireo fanomezana ankoatra izay nomanin'ny mpikarakara azy.
Valintenin-kalozana amin'ny fampirantian-javakanto mitsapa ny fetran'ny fahalalaham-pitenenana ao Japana
Nitondra ho any amin'ny fitsikerana ny governemanta, fandrahonana ary farafahakeliny fisamborana olona iray, fihetsiketseham-panoherana avy amin'ny artista iraisampirenena ary fanontaniana momba ny fahalalaham-pitenenana ao Japana ilay fampirantiana zavakanto iray mampiady hevitra izay efa nofoanana amin'izao fotoana izao.
Tokony hampody ny fianakavian'ireo olona nampiasain'ny ISIS ve i Trinite sy Tobago?
Trinite sy Tobago no nahitana isan'ny mpiadin'ny ISIS betsaka tany amin'ny ilabolantany andrefana. Tsy maintsy manapa-kevitra ankehitriny ny firenena raha hampody ireo niankina tamin'ny mpiadin'ny ISIS ireo na tsia.
Ejypta: Bilaogera miresaka momba ireo “Zanakalahin'ny Ziona”
Mety hoe nijanona tsy nianjera ny baomba tao Gaza, saingy mbola mitohy ny ady an-tserasera goavana, amin'ireo bilaogera amin'ny andaniny sy ankilany manetsiketsika ny vondrony mba 'hanongotra' ny fisian'ny hafa - farafaharatsiny ao amin'ny aterineto. Bilaogera Ejiptiana roapolo mahery no manambana ady amin'ny tafika bilaogera Israeliana.
“Firaisankina amin'i Hong Kong: mivoaka any anaty gazety lehibe erantany ny antso atao amin'ireo mpitarika G20 momba ny krizin'ny lalàna mikasika ny fampodiana olomeloka”
Misy tolodalàna ahafahana manolotra ireo mponina ao Hong Kong hiatrika fitsaràna any amin'ny tanibe Shina. Antsoin'ireo mpanao hetsipanoherana ireo mpitarika ny G20 mba hanohana azy ireo
Hira nalaza haingana an'ny mpanakanto Vietnamiana-Amerikana manohana ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong manohitra ny fampodiana olona
"Nanohina ahy izany amin'ny maha-mponin'i Hong Kong ahy...Misaotra anao nanome anay hery hanohy izany."