· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Jona, 2018

Kioba: Tsingerintaona Faha-55 Taonan'ny 26 Jolay 1953

  29 Jona 2018

Tao Kiobà tamin'ny taona 1953, teo amperin'ady hanohitra ny jadona nataon'i Fulgencio Batista izay nahazo tohana tamin'ny fiarovan'ireo Amerikana, nitarika vondrona iray nisy an'ireo tanora revolisionera i Fidel Castro nandritra ny fanafihana ny Toby Moncada tao Santiago. Ankehitriny io hetsika io dia fantatra amin'ny maha-fiandohan'ny Revolisiona Kiobàna azy. Tamin'ny faran'ny herinandro, ny 26 jolay 2008, nankalaza ny tsingerintaona faha-55-an'io fanafihana io i Kiobà, fety notarihan'i Raul, rahalahy sady mpandimby an'i Fidel, amin'ny maha-filoha Kiobàna azy.

Ozbekistan: Ady tsangambato

Ankalazaina ho Andron'ny Mpiaro ny Tanindrazana ao Ozbekistana ny 14 janoary. Andro iray mialoha ity andro ity, nisy ny lanonana fanokafana lehibe amin'ny tsangambato "Fianianana ho an'ny Tanindrazana" natao tao Tashkent, renivohitr'i Ozbekistana.

Nepal: Mbola tsy manana mpitarika

  20 Jona 2018

Iray volana mahery taorian'ny fametraham-pialan'ny praiminisitra Madhav Kumar Nepal, mbola tsy manana mpitarika ny  Repoblika Demaokratika Federalin'i Nepal. Tsy nahavita nanome mpandresy mazava ny fifidianana in'efatra, misy ny fifidianana faha-dimy ho atao amin'ny 18 aogositra.

Ekoadaoro: Manampy an'i Haiti ny fanjakana

  19 Jona 2018

Iray volana mahery izay no lasa, mbola mitohy mameno ny pejy voalohany amin'ny gazety iraisam-pirenena ny loza nateraky ny horohorontany tao Haiti. Nifantoka tamin'ny ezaky ny fanjakana Ekoadaoreana sy ny filoha Rafael Correa ary ny andraikitr'izy ireo tamin'ny fitondrana fanampiana sy fanohanana an'i Haiti kosa ny gazety eo an-toerana.

Etazonia: Al Jazira, voasivana?

  18 Jona 2018

''Tamin'ny 2005, rehefa nizara ny fikasany hanangana fantsona amin'ny teny anglisy ny Al Jazira, sady nahazo fanohanana no hetsika fanoherana tany Etazonia ny fanambaràny. ''