“Ravao ny Manda “: Hetsi-panoherana Artistika Ataon'ny Amboaram-peon-Java-maneno Dresden Ao Amin'ny Sisintanin'i Etazonia sy i Meksika

Sary tao amin'ny Pixabay. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Amin'ny maha-hetsi-panoherana manohitra ny rindrina mampisaraka ny sisintanin'i Etazonia sy i Meksika azy, ary kasain'ny governemantan'i Donald Trump hohitarina dia hanolotra kaonseritra ao amin'ny Valan'ny Finamanana, eo amin'ny sisintany manelanelana an'i Tijuana sy San Diego ny Amboaram-Peon-Java-maneno avy any Dresden (Alemaina), miaraka amin'ny mpitendry zavamaneno avy any Etazonia sy Meksika amin'ny 3 Jona 2017 ho avy izao. Tao amin'io kianja io, fianakaviana an-jatony  no nivory nandritra ny roa ora tamin'ny asabotsy sy alahady mba hijery na dia segondra vitsy monja aza ireo olon-tiany.

Nantsoina hoe: “Ravao ny manda” ny hetsika ary te hampiseho azy izy ireo fa iray ihany ny firenena roa tonta, na dia eo aza ny fampisarahan'ny manda sy ny sisintany.

30 años después de la famosa demanda de Ronald Reagan: “¡Mr Gorbachev, TIRE ESTE MURO!”, la orquesta Sinfónica de Dresden no solamente protestará contra el llamado “bonito muro” del presidente Trump sino también contra el aislamiento europeo y más importante aún, contra las barreras dentro de la mente humana.

30 taona taorian'ny fangatahana malaza nataon'i Ronald Reagan: “Atoa Gorbachev, FONGORY ITY MANDA ITY!”,  tsy hanao hetsika fotsiny hanoherana ilay antsoina hoe “Manda Mahafinaritra” ny Filoha Trump ny Amboaram-peon-Java-maneno avy ao Dresden fa hanohitra ny fitokana-monina Eoropeana ihany koa ary indrindra indrindra   hanohitra ny sakana ao anatin'ny sain'ny olombelona.

Mba hanatontosana ity hetsi-panoherana artistika ity, dia nangataka famatsiam-bola tamin'ny alalan'ny sehatra Kickstarter izy ireo. Nanazava ny anton'ity fihetsiketsehana miavaka ity izy ireo ao anatin'izany :

Together, we will demonstrate that music knows no boundaries and art can help to build bridges across all barriers.

Hampiseho miaraka isika fa tsy misy fetra ny mozika ary afaka manampy amin'ny fanorenana tetezana mamaky ny sakana rehetra ny zavakanto.

Nanampy izy ireo hoe:

Being from former East Germany we have witnessed the impact of isolation and political walls. It is a bad idea! Together we will raise our voices like the citizens of East Germany did during their peaceful revolution.

Nanatri-maso ny fiantraikan'ny fitokana-monina sy ny rindrina ara-politika zahay raha tany Alemaina Atsinanana teo aloha. Hevitra ratsy izany! Hanandra-peo miaraka isika toy ny nataon'ireo olom-pirenena tany Alemaina Atsinanana nandritra ny revolisiona milamina.

Nahatratra ny tanjona hahazoany ny famatsiam-bolany ny Amboaram-peo .

VAOVAO:  nahatratra ny tanjony tamin'ny famatsiam-bola ny Amboaram-peo Dresden ary hanao kaonseritra hetsi-panoherana any amin'ny faritry ny sisintany roa Etazonia-Meksika.

Ankoatra ny fampisehoana mozika izay ho hita ao amin'ny Valan'ny Finamanana dia miantso ireo mpanakanto sy mpiangaly mozika manerantany mba hanatevin-daharana ity hetsi-panoherana ity sy hikarakara fampisehoana artistika azy manokana ihany koa any amin'ny toerana isankarazany “manerana ny sisintany 3.144 kilometatra “ireo mpandray anjara amin'ny Amboaram-peo Dresden, amin'ny alalan'ny taratasy nosoniavin'ny taleny, Markus Rindt.

Nilaza ihany koa izy ireo hoe: “Raha toa tsy afaka manatrika anay ianareo, dia miangavy anareo handefa  lahatsary na sary miaraka amin'ny hafatra amin'ny tenirohy #Teardownthiswall, mba hizarana izany amin'ny olona rehetra.”

Nanome antsafa niaraka tamin'ny mpanao gazety Meksikana Carmen Aristegui ihany koa ny tale izay namerina ireo hevitra maro tao amin'ny fanentanana ary nampifandray izany tamin'ny krizin'ny fifindra-monina any Eoropa sy ny Mediteranea ary ny firongatry ny fitokana-monina sy ny nasionalisma manerana izao tontolo izao :

Hoy ny gazety La Jornada raha nanampy izany:

Se hará el estreno mundial de una pieza y se estima que intervendrán coros infantiles y de adultos, bandas de rock, pop y jazz que interpretarán al unísono música de Frank Zappa, Carlos Santana, Pink Floyd y Tijuana No.

Este maratón será transmitido en vivo vía streaming y Rindt adelantó la alta probabilidad de que el acto sea reproducido ese día a lo largo de las ciudades fronterizas entre México y Estados Unidos, como Juárez, Mexicali y El Paso.

Hisy ny fampisehoana voalohany eto amin'izao tontolo izao ary heverina fa handray anjara amin'izany ny antoko mpihira ahitana ankizy sy olon-dehibe , ny rock, ny pop sy mpiangaly mozika Jazz ary hiangaly ny mozikan'i Frank Zappa, Carlos Santana, Pink Floyd sy Tijuana No izy ireo.

Ho alefa mivantana ity fampisehoana ity ary mihevitra i Rindt fa ho atao any amin'ireo tanàndehibe manerana  ny sisintany manelanelana an'i Meksika sy Etazonia ny hetsika amin'izay andro izay toa an'i Juarez, Mexicali ary El Paso.

Tolo-kevitra iray hafa avy amin'ny mpitendry zava-maneno ny #Teardownthiswall, izay nampifandray  ny zavakantony tamin'ny olana sosialy sy politika ary ara-kolontsaina nandritra ny folo taona. Toy izany ihany koa, nanatevin-daharana ny hafa ity tetikasa ity toy “Ny Rindrina” avy amin'i Griselda San Martin [mg], izay nikasa ny hampiseho fa feno fanantenana kokoa izao tontolo izao tsy misy fefy sy toeram-pisavan'ny miaramila noho ny tontolo entin'ny tahotra sy ny fankahalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.