· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Marsa, 2018

Fihetsiketsehana Nataon'ny Tanora Tany Syria Hanohanana Ny Syrian Air

Nametraka andiana sazy ara-barotra sy ara-toekarena izay nampisy fiantraikany teo amin'ny fiainana andavanandron'ny olom-pirenena Syriana tamin'ny faritra maro i Etazonia. Nampiasa ny aterineto ny tanora Syriana mba hanoherana ny fanasaziana ny fiaramanidina Syrian Air, noho ny fandraràna ny fividianana fiaramanidina ara-barotra vaovao sy ny fividianana ny fitaovana hanoloana ny simba.

30 Marsa 2018

Kenya: Maneho Hevitra Momba Ny WikiLeaks Ny Bilaogera

Niavaka tamin'ny fanambarana fohy sy henjana mamely ny Ambasadaoro amerikana  Michael E.Ranneberger ao Kenya noho ny telegrama WikiLeaks andiany farany avy amin'ny Masoivoho Amerikana ao Nairobi ny lahateny nataon'ny mpitarika, anisan'izany ny filoha Kenyana Mwai Kibaki, ny praiminisitra Raila Odinga sy ny filoha lefitra Kalonzo Musyoka ao amin'ny governemanta iaraha-mitantana.

23 Marsa 2018

India: Tsy Fitafin'ny Mpampihorohoro Ny Sari

Nesorina teo amin'ny tsipi-piarovana ao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen'i Jackson-Evers tany Mississippi, Etazonia ny ambasadaoro Indiana any Etazonia Meera Shankar, ary noteren'ny Fitantanam-Piarovana Ny Fitaterana (Transport Security Administration) (TSA) hanaovana fisavana ny vatany.

20 Marsa 2018

Korea: Ireo Koreanina Mpianatra Any Etazonia

Izao ny zavatra tena manan-danja indrindra: tokony hiova ilay toetra tia mifikitra loatra amin'ny teny Anglisy. Andao ho sarihana ho aty Korea ireo mpianatra ireo, tokony ho ataontsika tsy afa-miala amin'ny asa fanompoana firenena izy ireo ary homentsika diplaoma ahafahany mampianatra

19 Marsa 2018