Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Mey, 2015
FIFA Karaiba : Tsy Misy Fanampim-Potoana Ho An'ireo Manampahefan'ny FIFA Avy Ao Karaiba Satria Sokafan'ny Departemantam-pitsaràn'i Etazonia Ny Fiampangàna
Misy fisahotahotahana goavana ao amin'ny media sosialin'i Karaiba androany, taorian'ny fanambaràna fa niampanga tomponandraikitra ao amin'ny FIFA miisa 9 ary mpitantana orinasa miisa 5 noho ny fanaovana heloka voakarakara hitadiavana tombotsoan'ny olom-bitsy, firaisana tsikombakomba, ary kolikoly.
Notazonin'ny Fiarovana Isiraeliana Ilay Arabo Amerikana Mpanao Gazety Nohon'ny ‘Nandraisany Fiaramanidina Nefa izy Miozolimana’
Nampahafantatra ny zavatra niainany tamin’ny "Fandraisana fiaramanidina raha toa ka Miozolimana" tao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena ao Tel Aviv ny Palestiniana iray mpanao gazety mizaka ny zom-pirenena Amerikana, Noor Wazwaz, milaza fa ny fanambaniana dia tsy manakivy azy hiverina indray.
Ny Fitiavan-tanindrazana Ahazoan-tombon'ny Fifankatiavan'i Vladimir Poutine Sy Ireo Mpitondra Môtô
Tsy vaovao mihitsy ny fifankatiavan'i Poutine sy ireo mpitondra môtô, fa tena mipoaka be tsy mbola nisy ohatra izany ny lanjan'ny mpitondra môtô "Night Wolves" ao Rosia sy any ivelany.
Sambon'Ireo Rohingya Mpitsoa-ponenana, Nolavin'i Thailand, Malezia Ary Indonezia
"Action on #Rohingya is a real test of character for #ASEAN. Are we compassionate or heartless nations?"
Tsy Ny Rehetra Ao Nepal No Faly Amin'ny Haino Aman-jery Indiana
Noho ny fahatezerana manoloana ny tati-baovao tsy tompon'andraikitra navoakan'ny haino aman-jery Indiana, dia nanomboka nampiasa ny diezy #GoHomeIndianMedia izay nalaza tao amin'ny Twitter nandritra ny andro maromaro ny mpiserasera Nepaley.
Taratasy Misokatra Ho An'ny Filoha Obama Avy Tamin'ny Bahraini Mpiaro Ny Zon'olombelona
AlMahafdah, gadra politika teo aloha tany Bahrain, mangataka ny Filoha Obama mba ho "feon'ny vahoakan'i Bahrain" rehefa mifanena amin'ny zanaka lahin'ny mpanjaka izy.
Mpiasa Thailandey Voaroaka tao Filipina Noho ny Nanevatevany Tao Amin'ny Facebook ny Filipiana
Noroahiana tao Filipina ny mpiasa Thailandey iray rehefa namoaka lahatsoratra manavakavaka sy mamely ny Filipiana tao amin'ny Facebook. Maro ireo faly tamin'ny fandroahana raha namaritra izany ho famelezana ny fahalalaham-pitenenana kosa ny sasany.
Fihazohazoana Taorian'ny Namonoan'i Indonezia ireo Voaheloka Noho ny Trafikan-dRongony avy any Aostralia, Brezila ary Nizeria
Mbola mitohy ny adi-hevitra momba ny famonoana ho faty, ny ady amin'ny rongony ary ny mety haha-tratran'ny tsy rariny ireo voaheloka sasantsasany.
“Diaben'ny Vahoaka” Alohan'ny Zaikaben'ny Mpitondra Rezionaly Ataon'ireo Mpikatroka ao Azia Atsimo Atsinanana
Mpikatroka sy mpitarika maherin'ny 1000 avy amina fikambanana fiarahamonim-pirenena manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana no nanambara ny heviny mikasika ny toetry ny zon'olombelona sy ny fitomboan'ny hantsana ara-toekarena.