· Novambra, 2008

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Novambra, 2008

Isiraely: vaovao farany momba ireo takalon'aina jiosy any Mumbai

  28 Novambra 2008

Tsy dia fantatra loatra hatramin'izao ny manjo ireo takalon'aina nandritra ny fanafihana ny Ivotoerana Jiosy Chabad ao Mumbai. Chabad moa dia iray amin'ireo antokom-pinoana jiosy Hasidika Ôrthôdôksa mipariaka indrindra. Ny vaovao tena farany indrindra re mikasika ireo takalon'aina jiosy dimy voatazona tao moa dia ny fahafatesan'izy ireo, hoy i Gilad Lotan. Vakio ary ny fandehan'ny raharaha.

India: Ny fanafihan'ny mpampihorohoro ao Mumbai

  28 Novambra 2008

Hita taratra mazava any amin'ny tontolon'ny bolongana ny hatezerana mihatra amin'ny fantsom-baovao amin'ny fomba fitantarany ny fanafihan'ny mpampihorohoro an'i Mumbai. Ho an'ny sasany, dia naka ny paikan'ny “shock and shake”...

Madagasikara: Nanakorotantsaina ny fifanarahan-tany tamin'ny Koerana tatsimo.

  24 Novambra 2008

Raha inoana ny nolazain'ny Financial Times dia hanofa ny atsasaky ny tany azo volena eto Madagasikara ny Koreana Tatsimo. Niteraka adihevitra teo amin'ny tontolom-bolongana malagasy mikasika ny fiandrianam-pirenena sy ny fampandrosoana ara-toe-karena izany. Mbola tsy mazava moa hatramin'izao hoe efa nosoniavin'ny roa tonta ve ny fifanarahana? Na izany aza dia efa ifandresen-dahatra eo amin'ny mpamaham-bolongana raha azo heverina ho karazana "fanjanahantany vaovao" izao fifanarahana izao.