· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Oktobra, 2017

Sodàna: Ireo Heloka Bevavan'ny Ady ao Darfour, Ny USS Cole, Taovolo Iray Lamaody Ary Mbola Betsaka Koa

"Ankehitriny, azoko antoka 100% fa nataon'i Etazonia lasibatra ny fireneko. Hatramin'ny nilazàna fa tsy nahomby ny tetikadin'i Darfour, mampiasa hevitra hafa izy ireo mba hangejana ny governemanta. Nahoana i Etazonia no tsy mandoa ireo onitra sy ireo tombontsoa mikasika ny daroka baomba tamin'ny orinasa Al Shifa, tamin'ny taona 1998? Hitan'ireo masoko tsara ny balafomanga namakivaky ny habakabaka!"

29 Oktobra 2017

Miresaka Momba Ny Fandresen'i Obama Tao Iowa Ny Bilaogera Iraniana

Bilaogera Iraniana maromaro no miresaka momba ny fandresen'ilay kandidà ho filoha amerikana, Barack Obama, tao Iowa. Ity no fifaninanana fanendrena voalohany amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena taona 2008. Faly tamin'ny fandresen'i Obama ny sasany, raha nanombana mikasika ny fiantraikan'ny "Obama ho filoha" amin'ny fiainana ara-politika Iraniana kosa ny hafa.

26 Oktobra 2017

Romania: Mihira Ny Noely

"Fahatsiarovana avy any Romania: Tamin'ny andro farany nijanonako tao [ Onesti ], maro tamin'ireo mpianatra no tonga tao amin'ny" Cancelarie "(efitranon'ny mpiasa) mba hihira ireo hiran'ny noely ho an'ny mpampianatra. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe efa niomana ny hanao izany izy ireo, tena fahatsiarovana mahafinaritra tsy hay hadinoina :) "- avy amin'ny L-plate big cheese

15 Oktobra 2017

Iran: Fahatezerana Tamin'ilay Libaney Mpitarika Ny Hezbollah

Bilaogera Iraniana maromaro no naneho hevitra tamin'ny lahatsary an-tserasera iray nahitana ilay Libaney mpitarika ny Hezbollah , Sayyid Hassan Nasrallah, nanao filazana mampifanditra fa tsy manana sivilizasiona Persiana i Iran fa islamika ihany, ary avy amin'ny razambe Arabo ny mpanorina ny Repoblika Islamika.

14 Oktobra 2017

Iran: Nivoaka Ny Efitra Ireo Diplaomaty Nandritra Ny Kabarin'i Ahmadinejad

Nipoitra tamin'ny lohatenim-baovao lehibe indray ny filoham-pirenena Iraniana Mahmoud Ahmadinejad androany, raha nanondro an'i Isiraely ho "fanjakana mpanavakavaka" tamin'ny kabariny nandritra ny fihaonamben'ny Firenena Mikambana momba ny fanavakavahana tany Genève, Soisa. Nivoaka ny efitra ireo solontena avy amin'ny firenena Eoropeana maromaro ho fanoherana ny fanamarihan'i Ahmadinejad.

12 Oktobra 2017

Bangladesh: Mankalaza Ny Andron'ny Tenin-dReny

Ny 21 no Ekush ho an'ny Bangla, ary midika faha-21 ny hoe Ekushey. Ao Bangladesh, 'Ekushey' dia mitovy dika amin'ny 'Ekushey Febroary' ihany, andro izay ankalazan'ny Bangla ny Hetsika mikasika ny Fiteny sady fanomezam-boninahitra ho an'ireo namoy ny ainy noho ny anarany tamin'ny faha-21 Febroary 1952.

10 Oktobra 2017